AZA MAHAVOA NY GOAVY MANTA

Misy aminareo namako no mahalala fa nampiantrano tra-boina tamin’ireny rivo-doza Ivan ireny izahay. Nisy fotoana anefa nirodana ny ampahan-drindrina tamin’ireo trano roa nandraisana  ireo tra-boina. Tsy maintsy nifanarahana tamin’ny tompon-trano nifanila izay niantefan’ny an’ny tena ny fanamboarana ny zavatr’olona, izay mbola eo an-dalam-pamitana ankehitriny.
Fa izao indray tamin’ny Zoma talohan’ny fetin’ny Pentekoty teo dia maty ilay ramatoabe tao amin’ilay fianakaviana kely faharoa. Olona sahirana ara-pivelomana moa ireto olona ireto satria rangahy mpanao asa an-tselika, ary ramatoa renin’ny ankizy kosa  mpamafa lalana ao amin’ny fivondronana. Iarahan’ny rehetra mahalala tsara fa na ny Zones Franches aza ankehitriny dia mismisy ihany ireo manala mpiasa (Floreal ohatra).
Fa izay tena goavy manta amin’ny tantara dia ny nahazo anay mivady. Tonga nampandre ny fahafatesana taty an-tranonay ny zanaky ny maty ny Alarobia vao maraina be. Nilaza ry zareo fa ny Sabotsy amin’ny iray ora no miala ao an-tanàna ny razana. Koa satria moa ny tena tsy eto an-tanàna raha tsy efa alina ny andro, noho ny anton’ny asa, dia nanapa-kevitra ny hamangy rehefa Zoma hariva. Novidiana ny lambamena hatolotra ireto fianakaviana mahantra (miala tsiny sao misy mandray io teny io amin’ny fomba hafa fa tena izany mihitsy no toerana misy azy ts’inona). Roso ny dia niala an’Andravoahangy ho eny Ambohimanarina ,nony tonga avy any Ambohimanambola aho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tonga tany an-toerana nanodidina ny tamin’ny enina mahery kely teo. Ireo fianakaviana koa amin’io fotoana io tena mbola vory tanteraka tao an-tanàna, ary mipetraka ao an-tokantrano toy ireny mana-manjo rehetra mbola miandry mpamangy ireny.
Nisy nanontany ary izahay nony tonga teo am-bavahady (olona tsy nahalàla anay rahateo no niandry teo). Rehefa nilaza izahay fa hamangy ny mana-manjo (izahay rahateo tsy nitonona mihitsy hoe ny tompon-tanàna), dia nampandrosoina. Natao ny famangiana, toy ireny hoe mbola am-bohitra ireny ny razana. Natolotra ny vola sy ny lambamena.
Rehefa vita izay rehetra izay, ka nivoaka izahay mivady vao notsenain’ny zanakalahin’ny maty tany an-tokontany, sy nilazana fa vao tonga avy nandevina an-dreniny ireto fianakaviana.
Sanganehana tanteraka izahay ary tsy nahita izay havaly sy hatao intsony satria mbola saiky hiala tsiny noho ny tsy hahafahana mandevina ny Sabotsy (samy mbola hamita asa mantsy amin’io andro io)no sady tsy afaka tonga aloha ihany koa namangy sy nitondra izay mba fanampiana azo natao, na dia isan’ireo olona nilazana voalohany aza.
Namaly anefa ilay zanany fa tsy misy ny tsiny satria izy ireo no tsy  afaka nampilaza ara-potoana intsony noho ny dokotera no nanery azy ireo handevina haingana ny razana fa tsy azo tazonina ela intsony (Narary fo mantsy ilay ramatoabe ka efa ela tokoa no nivonto be ny tenany, tsy nahita ny masony ary nanjary tsy nahare intsony koa ny sofiny, ary dia nentiny mandra-maty ireo rehetra ireo).

Na izany aza,  “Aza mahavoa ny goavy manta” toy izany ry zareo fa tena …….

Tsy tompon’andraikitra

Omaly alina dia nisy fiara nirimorimo teo anoloan’ny Look’s Andravoahangy. Nifaoka tovolahy iray izy tamin’izany ary tao anatin’ny fandosirany dia mbola nandona fiaran’olon-kafa koa. Ny tsy nampoiziny anefa dia nirohotra nanenjika azy ny lehilahy teo an-tanana rehefa nahita fa vaky ny kodiaran’io fiara nandona io ary latsaka koa ny takelaka nisy ny laharan’ilay fiara. Tratra tany alohaloha tany ranamana. Ilay tovolahy kosa namoy ny ainy na dia saiky ho entina hialana nenina teny amin’ny hopitaly aza.

Mirary fiononana ho an’ny fianakaviana.

Maniry koa aho momba ny mpamily rehetra, mba hahay handray ny andraikiny amin’izay vokatry ny nataony fa tsy hitsoa-pahana toy izao foana rehefa mahafaty olona. Betsaka mantsy izay lozam-pifamoivoizana efa nahafatesana olona izay, nefa dia lasa nandositra ireo nahavanon-doza. Maro amin’izy ireny no mbola karohina fatratra amin’izao fotoana.

Manentana ny olona akaiky azy ireny ihany koa mba hanoro hevitra azy ireo hitolo-tena amin’ny mpitandro ny filaminana, satria na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho hita ihany. Koa tsy aleo ve tonga dia mitolo-batana e!

Tra-boina ao Anosizato Andrefana

Nandalo teny amin’ny toby andraisana ireo tra-boina eny Anosizato Andrefana aho ny sabotsy (23-02-200 8) maraina teo. Nanatona tao amin’ilay birao misahana sy manara-maso azy ireo izay tsy lavitra ilay toby fa eo anila eo ihany. Lehilahy roa no tao ary dia napetraka ny fanontaniana. Tsy nandà ny hamaly izy ireo saingy ilay fomba famaly kosa no nahavariana. Misy trano lay ampolony eo eny amin’ity toerana ity, ka telo no lehibe (UNICEF) ary ny sisa kosa dia kelikely miloko manga. Raha nanontany ny amin’ny isan’ny olona raisina an-tànana eo amin’ity toerana ity aho dia tsy mazava ny valinteny fa nolazaina fotsiny hoe “fianakaviana eo amin’ny 15 na mahery kely eo no anatin’ny trano lay miloko manga iray, nefa angatahanay ianao mba tsy hilaza izany fa manàla baràka antsika Malagasy.Ataovy eo amin’ny fito isaky ny trano lay eo“. Nolazaiko mantsy fa tsy ho an’ny eto an-toerana ny sary sy ny vaovao fa ho an’ireo Malagasy any am-pita. Zendana aho satria ahoana moa no ahafahana manao fanampiana mifanentana amin’ny zava-misy raha toa ka afenina toy izany ny isa tena marina. Fokontany enina avy ao anatin’ity Commune rurale Anosizato Andrefana ity no sahanin’ny toby. Efa manomboka miseho ny aretina toy ny fahasemporana izay voatery nampidirana hopitaly zaza iray, eo koa ny kohaka sy ny tazo ary ny aretin’ny vanin-taolana.

Ny tena loza dia ity: tsy hitako teny hoe aiza izy ireo no mivoaka sy midio. Olona sendra nanontaniako teo an-toby no nilaza fa dia eny amin’ny takontakona eny no manao fa tsy maharaka ny foto-drafitrasa momba izany. Eo koa ny fampiasàn’izy ireo ny rano avy amin’ny tanimbary eo akaiky eo amin’ny fiainana andavanandro. Na hidiovana sy hanasana lamba izany , na hanaovana sakafo.

Trano lay 50 hatramin’izao no fantatra fa nomen’ny BNGRC ho an’ny tra-boina miisa eo amin’ny 20.000 latsaka kely eto Antananarivo. Raha atao ny salan’isa amin’io dia manome hoe trano lay 1 ho an’olona 400. Izay mba afaka namonjy fianakaviana, na olom-pantatra moa dia arahaba soa, arahaba tsara. Fa ho an’ireo tsy afa-manoatra kosa dia ny fotaka, ny hatsiaka sy ny loto no iainana isanandro mandra-pahita izay tsaratsara kokoa noho ny anio.

accueil_sinistre_ivan02.jpg

Mandalo matetika ao amin’ity toby ity ny Croix Rouge mitondra izay toro-hevitra tokony hampitaina, sy mizaha ny fahasalaman’ireo mila izany. Isaorana azy ireo izany. Misy ihany koa ny mpisahana manokana ny fandriampahalemana ao (agents de sécurité) izay sady manampy ny olona ihany koa amin’ny fananganana ireo trano lay. Na ny làlana mitondra anao ho any amin’ity toby ity fotsiny aza dia efa fotaka mandrevo tsy misy toy izany. Bisikleta moa no nampiasaina ka dia mibolisatra lava eny eee!

Na dia eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy misakana velively ny tsiky sy ny fanantenana tsy hisoritra eny amin’ny endrik’ireto Malagasy tra-pahavoazana ireto . Malagasy izay manantena ahy, miandrandra anao, miandry antsika rehetra. Na dia teny fankaherezana kely fotsiny aza mantsy dia efa fisaorana mitafotafo no andraisan’izy ireo izany. Tsaroako eto ilay ramatoa be nangataka izay mba azo atolotra hividiany kafe. Ranombavaka sy tso-drano no takalon’ilay Ar200 kely taty ampaosy nomeko azy. Dia avy daholo koa ny sasany sao mbola mba misy anjarany angamba.

Nifandrombahana avy eo ny nijery ny sary sy ny video avy nalaina. Fifanosehana re izao. Raha mba tany mantsy ianao, angamba mbola ho hafa noho izay ny fifalian’izy ireo.

Azonao atao ny mijery izany sary izany ao amin’ny www.flickr.com/photos/23374141@N04

Izay marary andrianina

Andro iraisam-pirenena ho an’ny marary ny 11-02-2008. Voalàza fa mamono olona an’aliny maro manèrana izao tontolo izao ny SIDA. Dia dradraina koa izany eto Madagascar. Indraindray àza, na ny marina kokoa, dia rakotr’io aretina iray io ny momba ny aretina hafa. Tsy miafina amin’ny maro anefa fa isan’ny tena mahafàty olona maro eto Madagasikara sy eran’ny Afrika, angamba koa aza mbola lasa toerana lavidavitra noho izay, ny aretina tazomoka (paludisme), ny fivalànana sy ny hafa. Samy tratr’izany avokoa, na faritra aiza na faritra aiza, na sokajin’olona toy inona sy sokajin-taona manao ahoana.  Tsy resahana intsony moa ny tsy fahazakàn’ny maro ity rivotra maloto mandrakotra an’Antananarivo isan’andro ity, ka na mitondra areti-maso, na mitondra aretin-tratra ho an’izay mareforefo.

Tsara aloha ilay mahatsiaro ny marary amin’ny andro iray toy izao, fa amiko ny fahatsiarovana azy isan’andro sy ny fisorohana ny aretina tsy hamely azy sy ny hafa intsony no tena lafatra.

Isan’ny tena hitako ho maika ohatra ny fanatsaràna ny foto-drafitrasa

Ndeha ho tantaraiko anao izay nahazo ahy tany amin’ny taona 1998 tany, ary mbola niainan’ny maro taona maro taty aoriako.

Voan’ny peritonite aho ary tsy maintsy hanapàhana ny tsinaiko raha mbola te ho velona hoy ny mpitsabo roa izay nanara-maso ny fahasalamako. Teny amin’ny HJRA aho no nalefa maika tamin’izay. Amin’ny valo ora aho no tonga tao, nefa tsy voaray raha tsy ora telo taty aoriana. Ny antony dia efa lasa nody daholo, hono, ny mpiandry raharaha (infirmiers de garde) nandritry ny alina. Sendra handeha hody indrindra anefa ilay mpandidy iray ao anatin’ny tarika mpihira malaza iray fantatry ny maro iny no nahita ny fahoriako teo an-dalantsara ka nitsetra. Notsapainy aho ary dia nikoràpaka izy nitady efitra hampidirana ahy. Nandritra izany anefa dia nandalo teo ambany masoko ny latabatra fanosika sy fitondrana ireny fitaovana fandidiana ireny.

Niverina tsy nahita efitrano ity mpandidy, ary ny hevitro kosa efa tapaka fa tsy hijanona ao amin’ity hopitaly ity aho. Tsikaritro teo ambonin’ilay latabatra mantsy ireo fitaovana fandidiana efa nisy harefesenina (rouilles). Hoy aho, any anatiko any, hoe “Ny kiboko ve hosokàfana amin’ny fitaovana maloto toy ireny ? Sanatria! Dia nangata-tsodrano taminy izahay handeha ho eny amin’ny HOMI (ex-Girard et Robic).

Efa tsy navela nisakafo intsony aho nanomboka ny marainan’io andro io. Ny hanoanana efa namely mafy mihitsy.

Tonga soa aman-tsara teny amin’ny HOMI  àry aho, ary dia niandry Bloc opératoire hatramin’ny dimy ora hariva  fa tonga, hono, dia hatao. Nifandimby teo anefa ny ora ka tonga ihany ny tamin’ny fito ora sy sasany hariva. Tsy mbola niditra ihany aho ary dia nasaina nisakafo fa ny ampitso indray, hono, vao tsy misakafo maraina. Nolazaina fa anjarako mantsy  ny miditra Bloc vao maraina.

Lazaiko anao fa tena mafy kay ilay tsy mihinana sakafo iray andro manontolo. Fa na ny zavatra tsimponin’ireny lazaintsika fa 4′mi ireny aza dia satrinao hosintonina eny an-tànany. Izany no tsapako rehefa nitazantazana avy eo am-baravarankelin’ny HOMI aho nandritra iny andro voalohany iny.

Vita soa aman-tsara ary ny fandidiana ahy ny ampitso. Ary navela haka aina andro vitsy tao amin’ity efitra tsara tarehy nandraisana ahy ity aho.

Ho fanohizana ny fitsaboana anefa, satria nisy otrikaretina tuberculose mpamely manokana ny tsinay nahazo ahy (ny aretin’ny tratra “tuberculose pulmonaire” ihany, hono, no mifindra fa izy ity kosa tsy mifindra , toy izany koa ny mpamely ny taolana) dia nalefa nifindra efitra teny amin’ny Pavillon Roque aho. Ao amin’ny HOMI ihany izy io. Ny nahatongavako tao koa no ela dia nangataka ny hivoaka aho ora vitsy taty aoriana, fa naleoko nanao hopitaly an-trano. Ny antony indray teto dia ny fahadiovan’ilay toerana mihitsy (nefa hopitaly an!). Mankany amin’ny W.C. aza ianao dia voatery mitondra elo satria mitete ny tafo (nefa ao anaty trano ihany), sns… Ny fanafody indray aloha dia naharaka tsara, ka dia tonga fotsiny aho maka ny anjarako isan’kerinandro.

Tsara hoy aho ny mahatsiaro ny marary amin’ny andro iray, fa tsara kokoa ny manampy ny olona tsy harary.

Ny aretina anefa tsy maintsy hisy, satria ny olona tsy maina fa lena. Ary rehefa marary dia enga anie ho tanteraka ilay fiteny Malagasy feno fahendrena hoe ‘IZAY MARARY ANDRIANINA”. Fa tsy hitanty vava ratsy sy kitakita avy amin’ny mpitsabo ny tambanivohitra sy ny tsy manambola.

Lazaiko eto koa fa fony izaho narary teny amin’ny hopitaly, dia mandoa vola amin’y mpamafa trano ianao raha te ho voavangy matetika sy hitan’ny kofafa ny efitra misy anao. Izany hoe rehefa tsy misy ny vola dia eo ianao no raisina araka ilay fomba  fiteny. Ny halatra ambony latabatra momba ny fanafody moa dia tsy lazaina intsony. Tadidiko tsara fa vola be no lany tamin’ny fanafody talohan’ny nidirako ny bloc fandidiana. Nefa nony vita ny fandidiana ka nojeren’ny fianakaviako ny fanafody nampiasaina, toa tsy nisoratra tao ny maro, ary ny ambiny aza mbola dongian-dry zalahy ho azy. Ny tena moa tsy te-hahita loza satria teo ampela-tànany ny aina, ka dia nangina.

Hay ireto fanafody giazany ireto ka miverina amidy an-tsokosoko amin’izay tena mila azy, na koa mànana toeram-pitsaboana azy manokana (cabinet medical na clinic prive) ry zalahy ka any no avily ny notangosana tsy andrariny tamin’ireo marary marobe.

Dia ahoana ilay voady fanaon’ny mpitsabo alohan’ny handraisany ny akanjony e? Ny sasany anefa raha dondoninao amin’ny alina, na dia olom-pantatra izao aza, dia mandà mafy hoe “aleo rahampitso fa efa alina be ny andro, tongava maraina”. Efa nahazo ahy koa io an! Amin’izay misasak’alina. Dokotera teo ampitan’ilay trano be fonenan’ny miaramila eo Antaninandro izy io.

Sa nivoady koa izy ireny fa tsy mamonjy rehefa alina, fa amin’ny antoandro ihany no fanaovana asam-pamonjena? Toa misy marina ampahany ihany anefa ny azy raha ny resaka tsy filaminan’ny tany ama-monina no lazaina.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny marary, hoy ianao!!!! Asa lahy!!!!

Elanelam-panahy

Zavatra isan’ny manahirana ankehitry ny miteny, na mitondra teny. Indrindra fa raha resaka raharaham-piaraha-monina no andraisanao anjara. Miteny tsy mety ataon’ny mpanohitra ianao dia sokajiana ho olon’ny mpitondra, milaza ny kivalavala ataon’ny mpitondra indray ianao dia lazaina fa hoe mpanohitra. Izany hoe bedy ianao raha vao mitoetra eo anelanelany. Fa na ho tezitra aza aloha ianao mamaky io na hibedy ahy, dia izay tiako ihany io. Metimety ny ataon’ny ankaviako, dia miara-miasa aminy aho, rehefa tsy lanin’ny vavoniko kosa dia kianiko. Dia toy izay koa ny ao ankavanako: manao ny tsara izy dia tohanako, mitady hivarina an-kady dia ahitsiko. Fa izay sarotra anarina kosa kapohako. Mijanona eo afovoany mandrakariva aho izany. Na ho bedy aza! Izay no tiako tsinona k’ah! Raha mety moa hoe izy roa mihitsy no hampiaraka amiko dia sakambiniko amin’ny tanako havia ny mpanohitra, ary entiko amin’ny tanako havanana ny mpomba, satria samy Malagasy daholo anie ireo e! Io tsy fahaizana mampandefitra hambom-po io no hitako ho kilema ratsy eo amin’ny ankabeazan’ny olona. Tonga dia misotro fotsiny ny “Halako hatramin’ny tsinay maintiny”, dia izay. Ka na inona na inona hevitra, na zavatra tsara entin’ilay tsy nitovy firehana tamin’ny tena, dia “tsia” avy hatrany foana no asetry azy.Mba tiako ho hita ny fomba fisainan’ireny olona ireny raha apetraka ambony nosy kely iray anivon’ny ranobe feno voay: olona roa tsy mitovy fihevitra atao anaty lakana iray tsy misy afa-tsy fivoy roa,ny rano koa amin’io lalina tsy takatr’ilay hazo fitondran’ny mpaka fasika ireny. Ny lalana mody anefa tsy maintsy asiana olona. Dia ahoana? Hiara-hiakatra ao anaty lakana, hifanampy hivoy, sa hamela ny iray ho lanin’ny voay fa “raha maty aho, matesa rahavana”, sa ahoana? . Enga anie ka mba hahita ny marimaritra iraisana, ka ny lakana hisosa (ny lakana eto dia anehoako ny firenena, na dia hiadana fisosa aza), ary ny olona tsy hisy ho faty (ny olona kosa indray dia ny mpanohitra, ny mpomba ny fitondrana, ny valalabemandry).

Gaga angamba ianareo hoe inona no anton’ny lahatsoratra. Tsotra fotsiny: mahita ireto mpilaza vaovao mpomba ny fitondrana, mandranitra fotsiny ny saim-bahoaka ireto isan’andro aho ka leo, tena leo! Misy dia tsy manana hatao isan’andro afa-tsy ny mamorona lahatsoratra hamelezana na hanaratsiana an-dranona sy ranona. Fa mba rahoviana ilay fisainana hoe “esprit critique”, sy “critique constructive” vao ho hainareo mpanao gazety ireny ampidirina sy hitaizana vahoaka e? (Tsy ny mpanao gazety rehetra kosa aloha no kianiko eto an! Aoka hahatsapa tena izay tokony hahatsapa tena). Sa dia izany tokoa no fomba filalao ity politika ity fa izaho no tsy mahay? Izaho mantsy tsy mpilalao io taranja iray io, koa aza gaga raha tsy haiko hatramin’ny fitsipi-dalao.

Ny any aminay

Mba Tantarao anay ny any aminay

(azonao alaina ny sary eto raha toa ka tazoninao manokana ho anao, na ampanarahinao azy ny momba azy tsy novàna fa tsy ampiasaina amin’ny zavatra hafa tsy nakàna alàlana mialoha. Misaotra) 

EFA MIPETRAKA ATSY AMIN’NY SISINY HAVANANA NY SARY REHETRA RAHA MISY TSY METY MISOKATRA ETO. MISAOTRA)

* Ka inona ary anefa no ho tantaraiko e ?

 _ izay azo tantaraina ihany k’ah! 

 Sa dia aleo ny diako nanomboka teto Antananarivo hatrany Mahajanga sy Ankarafantsika no hotantaraiko anareo, miampy ireo fiovana goavana nisy tamin’ireo tanàna nolalovako (na endrika io na toe-tsaina). Ary koa ny fahaizan’ireo olona ho hitanao an-tsary ato nifanampy mba hahitan’ny ankohonany fialantsasatra finaritra sy mora vidy. Tany aloha tany dia olona tsy nifankahalala ny rehetra mandray anjara ato anatin’ity tatitra ataoko ity. Mpifanoratsoratra amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisna (internet) fotsiny. Rehefa ela nifaneraserana tao anefa dia nitsiry tao an-tsain’ny sasany ny hoe hihaona mivantana, fa tsy ho any ambadiky ny ecran foana. Nanomboka teo àry dia nihaona mivantana ny vitsivitsy (isaky ny misy azo anaovana izany sy raha misy antony ihany koa). Nitombo an-dàlana teny ireo ary dia lasa maromaro. Farany dia tapaka fa hatsangana ho fikambanana ara-panjakana mihitsy ilay fiarahana kely nipoitra avy amin’io. Manòmana hetsika isan-karazany saiky isan-taona ny mpitantana mba tsy hifanary ny efa ao anatiny ary mba hitaonana ny hafa ihany koa, Koa isan’ny fandaharana asa efa fanao isan-taona (volana Febroary) ohatra ny fambolen-kazo any Andranovelona miaraka amina fikambanana mpiaro ny tontolo iainana (Mila Soa). Tsy adino koa ny mifanotrona amin’ny zavatra rehetra tokony hisian’izany (na an-kafaliana io na an-karatsiana).Nanapakevitra àry izy ireo tamin’ny volana Aogositra 2007 teo mba hitondra ny mpikambana sy ny ankohonany hisintaka kely an’Antananarivo, ka nofinidy tamin’izany i Mahajanga. Vitsy tokoa mantsy amin’izao fotoana izany fianakaviana afaka mitondra ankohonana ho any amorontsiraka izany. Tsy noferana ny isan’ny olona izay handeha fa nisy fandraisana anjara kely tsy maintsy natao isan’olona.Natao indrindra tao anatin’ny fotoam-piatoana lehibe (grandes vacances) ho an’ny mpianatra izy io, mba hahafahan’ny rehetra mandositra ny tabataba, ny rarin-tsaina (stress) sy ny rivotra maloton’ny renivohitra, ka hianoka filaminana sy rivotra madio, ary mba hahita tontolo hafa tsy toy ny andavanandro iainany.Miomàna ary hianoka izany dia (voyage) izany anatin’ny sary maromaro (an-jatony be izao). Aza reraka an! Hanombohako azy dia izay fiovàna hita eto Antananarivo (mety tsy ho ny rehetra no voatetiko, nefa inoako fa mba hahaliana anao izay kely vita sary pika (cliché) eto). 

Ireto izao dia saiky eo Anosy avokoa

001anosy_jacaranda_vers_stade09.jpg 

(raha avy aty Anosy hiodina ho any Mahamasina ianao)

002anosy_versanjelyfotsy05.jpg

(avy ety amin’ny W.C. iraisana no nalaina)

003anosy_anjelyfotsy03.jpg 

004anosy_fontaine_senat23.jpg 

(rond point akaikin’ny mpikirakira antontan’isa eo Anosy raha ho hiodina ho any

Anosibe ianao)

005anosy_hotel_carlton07.jpg 

(Hilton taloha, niova nanomboka ny Novambra 2007 ho Carlton)

006anosy_senat09.jpg 

(ankavian-dàlana raha ho any Anosibe)

Raha avy eo Anosy indray no miandrandra dia mahita ireto toerana manaraka ireto

008colline_andrefaambohijanahary35.jpg 

(Andrefan’Ambohijanahary, fanapoahana tafondro isaky ny misy lanonan-dehibe eto amin’ny tany sy ny fanjakana, toy ny fetim-pirenena, sns…) 

Mitodika mianatsimo indray ianao, toy ny ho any amin’ny Hopital HJRA dia toy izao

 010antananarivo_ampefiloha_mpivarotrafraises009.jpg

(mpivarotra fraises manemitra ny tambohon’ny Hopital HJRA avy aty ankavia ireto) 

Hiakatra kely eny Andohalo eny, hijery ny Rova sy ny tanàna taza-maso manodidina indray isika

  011antananarivo_mahamasina_anosy36.jpg

 (Anosy, Mahamasina hatrany Betsimitatatra sns…) 

012antananarivo_lac_anosy37.jpg 

(mbola miaina ihany na dia anaty setroka vao maraina aza)

013antananarivo_mahamasina_palais_des_sports38.jpg

 (fanaovana lanonana sy fanatanjahantena)

 014antananarivo_mahamasina_sainte_famille_stmichel39.jpg

 (Sainte Famille - Saint Michel Amparibe)

016antananarivo_mahamasina_tsenaalakamisy_cotestjo66.jpg

(tsena alakamisy anoloan’ny Square Point Carré)

017antananarivo_lapan_ny_fitsarana_taloha54.jpg

(lapan’ny fitsarana fahiny mbola eo Avaradrova, ankavanan-dàlana raha midina avy any an-dRova ianao)

018antananarivo_palais_andafiavaratra53.jpg

(Lapan’ny Praiminisitra taloha ao Andafiavaratra) 

019antananarivo_pollution_mahamasina_dejnlaborde32.jpg

(Mahamasina mirakotra setroka manga)

020antananarivo_pollution_rova_dejnlaborde33.jpg

(ny fanamboarana ny Rova)

021antananarivo_rova_coteavaradrova52.jpg

(Rova tazanina avy aty avaratra)

022antananarivo_mahamasina_ecolenormale41.jpg

(Ecole Normale Mahamasina)

023antananarivo_rova_temple51.jpg

(fiangonana Anatirova)

Ndao indray ary hidina eny Antaninarenina sy Analakely e, saingy handalo kely eo Ambohijatovo ambony isika aloha an !

024antananarivo_taxibeambihimanambola_tunnelambanidia29.jpg

(teto ilay tsangambato be an’i Gallieni nitaingina soavaly raha vao tafavoaka ny tunnel Ambanidia ambonin’ny zaridaina Ambohijatovo ianao, saingy nesorin’ny fitondrana raha vao tonga teo Marc Ravalomanana ary natao ho arrêt bus mankany Ambohimanambola sy Alasora izay misy ny Rova sy ny fasan-dRafohy sy Rangita)

025antaninarenina_officenationalpourlenvironnement72.jpg

(Hall de l’Information taloha izay lasa ONE ankehitriny, Antaninarenina)

026antaninarenina_satutdelaliberte_tsiranana70.jpg

(sary vongan’i Tsiranana mitodika mankany Ambohitsorohitra, ilay trano fitaratra aty amin’ny sisiny havanana kosa ny Buffet du Jardin.) 

027antaninarenina_satutdelaliberte83.jpg

(statut de la liberté alohan’ny hidinana ny tohotohobato mankany Analakely)

028antaninarenina_versambohitsorohitra74.jpg 

(PRISUNIC taloha lasa SHOPRITE)

029antaninarenina_verspergola69.jpg

(ankavia BMOI, ankavanana ny Poste Antaninarenina, manoloana ny Poste raha ho any amin’ny Hotel Colbert kosa ny Pharmacie de la Metropole taloha)

  

030antananarivo_avenue02.jpg

(avenue Analakely, mitodika any amin’ny SICAM)

032antananarivo_statut_ralaimongo.jpg

 (Ny Hotel Le Glacier no hita ery aorian’ny sary vongan’i Jean RALAIMONGO, eo ankavian’ny SICAM)

033antananarivo_place13mai_08.jpg

(place du 13 mai 1972 taloha navadika ho zaridaina mahafinaritra be)

Hikisaka any Ankorondrano indray ny masontsika

037antananarivo_ankorondrano9.jpg

(Eo anoloan’ny Henri Fraise Fils et Cie sy Jesosy Mamonjy no misy ity rano mifantsitsitra ity. Ao anatin’ilay zaridaina vaovao)

038maraismasay.jpg

 (Marais Masay, ankavian-dàlana raha avy aty Ankorondrano no hamonjy an’Amboditsiry sy Analamahitsy. Tazanina avy any amin’ny Boulevard de l’Europe. Hita eo koa ny havoana misy an’Aanalamahitsy sy ny manodidina azy)           

Hanomana ny dia hivoaka an’Antananarivo amin’izay isika sao ho adino ny resaka ho any Mahajanga ka tara eto.

038ampefiloha_hiainga578.jpg

 (iray fiara toy izao ireto mpikambana miaraka amin’ny ankohonany no nisafidy hiara-hisinda ka hamonjy an’i Mahajanga)           

  Itony no mitsena anao eny amin’iny làlana mankany Mahajanga iny. Raha vao afaka ny faritra ambanivohitr’Antananarivo lavidavitra an’Ankazobe iny.

         

040avylavitra-mahajanga_lalanamahajanga-034.jpg

 (ity izao dia loharano mivoaka eny antsefantsefan-bohitra eny)

042avylavitra-mahajanga_lalanamahajanga-037.jpg

(hay misy toerana mahafinaritra toy izao any anelanelany any an! Tsy nampoiziko)

044avylavitra-mahajanga_lalanamahajanga-015.jpg

 (jereo anie ny hakaton’itony farihy anaty tenrombohitra itony e!  Iza no tsy ho babon’izao manga be misarika ny maso izao rey olona?)  Irariana ny tsy hahamay azy ireny toy ity sary maningana ity, samy teny amin’io faritra io ihany anefa no nalaina. Misy marina ny saonjo iray lohasaha, sy ny omby tsy indray mifoha …)

046avylavitra-mahajanga_tapa_porohanasisatsymay-022.jpg

Aleo aloha hisakafo eto Mahatsinjo isika fa tena refona aho izany, ary ianao mba ahoana?

047mahatsinjo_sakafoantoandro588.jpg

(Tonga eto Mahatsinjo fa efa lasa ny mitataovovonana- Hotel Fy io hitanao amin’ny sary io. Dia mitohy ihany ny dia rehefa voky ny kibo. Tsy matory an-dàlana anefa sao tsy mahita sary an!

 049avylavitra-mahajanga_maevatanana-040.jpg 

051avylavitra-mahajanga_betsiboka047.jpg

(ny renirano sy ny harambaton’I Betsiboka. Azo idinana tsara ny toerana , ary fakàna sary mahafinaritra tokoa)

051avylavitra-mahajanga_ambondromamy-055.jpg

(Ambondromamy)

052betsiboka650.jpg

(Betsiboka)

053pont_tsytadidiko665.jpg

055ambondromamy673.jpg

(Ambondromamy)

                       

Tonga eto Mahajanga isika izao ry namako isany. Ho hitanao misesy eto ny sarin’ny fahatongavana ny alina voalohany, ny fivoahana teny amin’ny bord io alina io ihany (izay marihana fa dia tena niova ho tsara tokoa an !), sy tohiny rehetra.

057arrivemahajanga_faneva706.jpg

 (Tonga teo amin’ny Hotel Faneva Mahajanga tamin’ny folo latsaka fahefany alina rehefa niala tany Antananarivo tamin’ny folo ora mahery ny maraina, dia nisakafo hariva aloha satria tsy ho afaka ny hahandro intsony). Fikorontanana nony tonga tao amin’ny trano nivantanana. Tsy dia mbola maika loatra ny hampirina entana satria dodona hijery ny Bord sy ny kotabany amin’ny alina izay nanembonana avy hatrany ny tsy mandrimandry eny amin’ny Avenue sy ny Place 13 mai rehefa Zoma alina sy faran’ny volana, korana hatramin’ny sasakalina kay no hita eny. Tsy miroro no filàza ny any Toliary, fa tena hita koa izany eto Mahajanga.          

Nisy moa ny fandaharam-potoana napetraka mba hitsidihana ny tanàna sy hitondràna ny rehetra ho any an-dranomasina, ary hitsidika ny valan-javaboahary any Ankarafantsika.

062mahajanga_marainavoalohany-058.jpg

(ity no maraina voalohany nifohazana rehefa reraky ny alina nijery ny Bord. Nifampizaràna ny raharaha rehetra (tsena, nahandro, sasa lovia sy vilany, sns…) ka ity ihany koa no andro voalohany nikarakarana lakozia ho an’ny tompon’anjara tamin’io andro io. Lafo mantsy raha hoe hamonjy toeram-pisakafoanana foana. Nanofa trano tamin’ny Ministeran’ny Jono ny fikambanana, dia efa ao anatiny daholo ny rehetra afa-tsy ny Gaz fampiasa an-dakozia. Tsara tokoa raha ilay toerana –CDCC- Centre de Developpement de la Culture de Crevettes. Nifanampiana teny avokoa izay hita fa tokony hifanampiana). Niraisana ny trano fidiovana izay miisa efatra, sy ny Trano fivoahana efatra ihany koa, ka tsy nahagaga raha nilaharana  hatrany satria maro be ny mpampiasa. Olona efa ho telopolo mahery. Ny toetr’andro rahateo mafana)  Rehefa vita ny kenonkenona samihafa dia niomana handeha any amin’ny tora-pasik’i GRAND PAVOIS ny rehetra. Raha vao nivoaka ny trano anefa  dia nahita ity votry ity somary mihataka kely ny efitrano fandriana ity, manamorona ny dobo fiompiana crevettes

067avylavitra-mahajanga_votry063.jpg

Vonombonona hamonjy tora-pasika ary ny rehetra nony maraina.  Toy izao no atao hoe tora-pasika miandry vahiny

069grand-pavois_masoandromiposaka55.jpg

070grand-pavois_miandryolona72.jpg

071grand-pavois_nylokonyplage071.jpg

Milamina sy madio ery anie izy izany e ! Inay anie aho mponina ety, fa angamba dia mifampitady isan’andro ety ambony tora-pasika foana , jereo amin’izao loko izao fotsiny e ! Iza no tsy hankafy sy tsy ho rendriky ny nofinofy mahita an’izao. Hafa mihitsy na ilay loko mizara telo aza an!) Dia ireny fa tonga àry ny mpivahiny, hiarahaba ny tora-pasika voalohany, no sady koa hiaino ny siokan’ny onja efa nikaika azy hatry ny ela

073grand-pavois_plage_madio.jpg

sy hisangy ny onja ho toy ny mpisakaiza efa nifankahazatra hatry ny ela. Tsy tokony ho adino anefa ilay hiran’ny tarika Voanio hoe ‘Io ranomasina io anie ka manonja, tsy mba manafosafo fa mitondra’. Koa tandremo ihany fa sao fifaliana no notadiavina ka fahoriana no fihàzana. Kely sy bitika tokoa mantsy ny olona raha oharina amin’io ranomasina io, tsy ampy hateliny akory. Araho an-tsary anie dia ho hitanao e! Sa tsy izany? Jereo anie ireto ankizy mifaly ery eee !

074grand-pavois-fifalianyankizy108.jpg

Eny fa na dia izao aza vao tafaraka sy nifankahalala dia efa mahay mifangaro sahady ireto izy)

075grand-pavois_ankizymilona80.jpg

078grand-pavois_bitikanyolona19.jpg

(Ilay ranomasina tsy ahalaniana iray zinga dia efa hahafaty raha tsy mitandrina, tena bitika tokoa ny olona k’ity. Tsy ampy ateliny tokoa moa izany

   079grand-pavois_onja_mangorompotsy.jpg 

tsy misakana antsika hankafy ny onja anefa izany

080grand-pavois_onjafotsymanjopika80.jpg

081grand-pavois_misangyonja047.jpg

082grand-pavois_fasikamadio26.jpg

 Fa nisy itony zavatra mivoaka tsikelikely avy any anaty fasika itony, ary tena nahavariana sy nahafinaritra ery ny njery azy an ! Ny foza, hono, no mamoaka azy avy ao ambany ao. Tsy mety mifangaro izy io raha tsy hoe voadonanao angaha, fa dia izay mivoaka dia mihorona eo ambonin’ny teo aloha hatrany ka mivangongo toy ny tendrombohitra kely.

083grand-pavois_fainonaaryitony45.jpg

Maro ny fialamboly azo natao teny amorontsiraka teny ankoatry ny filalaovana ranomasina. Teo ohatra ny fitaingenana vedette, ny fanangonana akorandriaka, ny fisotroana ranona coco rehefa manomboka miakatra iny ny hafanàna. Azo atao tsara koa ny manararaotra mihinana huitre satria mbola azo antoka tsara fa vaovao izy ireny. Ety ampotony tsinona k’ah. Ary ny tena nahatsikaiky dia ny nahita alika mba mialoka rehefa miakatra ny maripàna raha vao lasa ny tompon-toerana. 

089grand-pavois_alikamialoka04.jpg

090grand-pavois_miora_alexia.jpg

Ary ity dia nony handeha hody, baobab kely amin’ny làlana mankany amin’ny GRAND PAVOIS ity) 

092grand-pavois_baobabkely70.jpg

Ilaozantsika amin’izay ny filalaovana ranomasina fa handeha hijery ny Bord izay vao avy navaozina isika. Fahafinaretan’ny maso ery ny mitsangatsangana eny amin’izao fotoana. Tsy toy ny taloha intsony mantsy fa lasa toy ny hoe izy no rahavavin’ny Araben’ny Fahaleovantena any Antananarivo. Araho an-tsary indray ary e ! Sady efa manasa anao sahady hitsidika azy i Mahajanga raha vao mahita ilay baobab be ery ampihaviana ery ianao

094grand-pavois_baobab39.jpg

vita tamboho manodidina toy ity ny Bord.

095grand-pavois_mijerymer43.jpg

Mahafinaritra ery ny mipetrapetraka sy mitsinjo ny faravodilanitra eny amboniny eny. 

097grand-pavois_bord35.jpg

Ankavanana eto amin’ity sary ity i fcandy (izay vao 13 ranonorana monja)mpamorona ny http://fcandy.wordpress.com sy ny cousin keliny, eo amin’ny bord afaka kely ny Banky Foibe io. Tsy misy atahorana ny mitsotsotra ety fa sady madio no tsy misy bibikely mandadilady ihany koa. Milamina e ! Izay no azo ilazana azy.

Ny zavatra tsy noeritreretina koa dia ny nifankahitan’ny sasany tamin’ny havany taty ampialàna sasatra taty. Dia hafaliana anie izany hoe mifanatri-tava izany e, avy eo miaraka mitsetsitra sorbet eraky ny tanàna. Rehefa hariva dia misy ny fialana voly ao an-trano (milalao karatra, loto, 1000 boernes sns…. Momba ny fitsangatsanganana tany Ankarafantsika efa nomanina dia haranty an-tsary ho anao amin’ny manaraka ny hita tany. Amin’izay mba milendalenda ianao, ary dia ho avy koa hampitombo isa ny mpitsidika azy. Be zava-mananaina ao anatin’io ala io. Saingy vitsy ihany tamin’ireny no azo sary sy nifanena taminay. Angamba koa noho ny hamaroan’ny olona dia nisitrika ny sasany taminy. Fomba maro no ahafahanao mitsidika io valan-javaboahary io (Mandeha fiara, mitaingina lakana, mandeha an-tongotra toy ny nataonay. Dia arakarak’izay safidy ny sarany aloa.sombin-tsary fotsiny ireto aloha mba hakanao sary an-tsaina azy. Arbre crocodile no anaran’ity hazo be tsilo be ity.

123ankarafantsika-arbre_crocodile30.jpg

119ankarafantsika_menarana2.jpg

111ankarafantsika_sokitra-be-dia-be021.jpg

132ankarafantsika_ala982.jpg

Rehefa tratra hariva avy tany Ankarafantsika dia nisafo tanàna sy nisaika ary nisolo akanjo fotsiny ary dia lasa indray teny amin’ny Bord      

Dia toy izay sy toy izay ny dia Antananarivo, Mahajanga, Ankarafantsika. Miampy ireo fiovana hita tao aminy.

Hifarana ity ny taona 2007 ary ny firariana ho antsika rehetra dia mba ho baliaka mandrakariva ny fiainana, ny fiarahana ary hahatontosa izay rehetra atao, ka fikasana tsara.

Hahay hifampizara hafaliana sy hifanohana, izay no zava-dehibe indrindra

145baliaka.jpg             

Orana miantona

Mitaraina daholo ny rehetra noho ny tsy fisian’ny orana, na JI.RA.MA, na olon-tsotra mpamboly fa taraiky be ny orana tamin’ity taona ity. Eo am-piterahana ny vary amin’iny lemak’iBetsimitatatra iny amin’izao fotoana, nefa ny rano tsy ampy. Raha tsara sy nahafinaritra ny vokatra tamin’ny taona 2006 iny dia ahiana ny hidinan’izany ho very sasaka amin’ity taona 2007 ity (ny voly vary aloha io lazaiko io, na dia voadona daholo koa aza ny voly hafa rehetra). Ny delestage vokatry ny tsy fahampian’ny tosiky ny rano moa dia efa tsy lazaina intsony. Ny vidin-jiro anefa nampiana 15%. Soa fa mba nisy ny entan-tsinoa hojifain’ny gasy fa raha ity fahefa-mividy efa mandady amin’ny tany ity no tsy misy an’ireny dia tsy hanao fety ny Malagasy e! Eny an-tsena no ahitana akanjon’ankizikely (1000FMG) roanjato ariary, nefa mbola azon-dRamalagasy ihafiana ihany dia vidiana e! Tsy ankijery hoe iza no nanao an’ity tany ananona tany, na olona salama ve sa marary, sns…

Ny zavatra somary mba azo nihoriranana aloha dia ny efa mba avy kely io orana io roa andro lasa izay. Dia mba antenaina fa hihena ny maripana, Enga anie ho tonga ny oram-be (fa tsy ilay manimba zavatra kosa aloha e!) fa tsy hita iainana intsony ny doro tanety sy ny hafanana ary ny setroka mandrakotra an’Antananarivo. VONJEEEEEEEEEO, SEMPOTRA ANTANANARIVO.

Noely Malagasy

Hifarana ity ny taona. Raha somary nafana be ny andro noho ny orana nihantona, dia toa nanaraka izany koa ny hafanan’ny fanomanan’ny Malagasy ny fetin’ny faran’ny taona. Tsy misy hodiavina Analakely sy ny manodidina azy. Toa zary lasa tokotany filalaovan’ny mpivarotra sy ny mpividy ifanaovana fangalam-piery ny araben’Antananarivo. Manomboka amin’ireo sakelika rehetra mitondra anao hiditra an’Antananarivo (na avy atsinanana io na avy andrefana, an atsimo na avaratra) dia tsy maintsy efa mampionona ny saina raha voatery hiditra an’Analakely indrindra indrindra. Fombako ny mitondra élo rehefa manao ny raharahako faran’ny herinandro. Dia tsy maintsy nibatabata ilay vélo teny anelanelan’ny fiara teny nony avy teo Soarano hiodina hiverina aty Behoririka sy Andravoahangy. Vidéo Gaigy mihitsy raha nisy nahita e! Mbola hampanarahiko anareo eto ny sarin’Antananarivo manomana fety fa aza matahotra.

Fa ny tena olana momba ity fety ity dia ny tsy fahatsiarovan-tenan’nyy olona. Misy mpivarotra efa any anaty 3/4n’ny arabe , sady amin’izay indray ny lamosiny no mijery ny fiara mandalo fa toa tsy mampaninona azy izay loza mety hitranga. Ho gaga ianareo hahita izany Malagasy manomana Noely