Andry RAJOELINA sur les ondes

Andry RAJOELINA A.R : […] Misy zavatra maha samihafa be eo amin’ireo zavatra anankiroa ireo. Ka ny tenanay ankehitriny dia… Aoka izay angamba. Aoka izay angamba fa aleo apetraka ny fitsipi-dalao vaovao, mba ahafahana manantanteraka tsara an-tsakany sy an-davany ny asa izay ho ataonay eto amin’ity tananan’Antananarivo ity. Misy zavatra ho ambarako moa rehefa avy eo ary misy fitakiana ihany koa izay angatahina amin’ny fitondram-panjakana.

Mpanao gazety (J 1). Hono ho aho, te-hiverina kely aho andriamatoa Ben’ny tanàna, inona no tena tianao tsindriana amin’ilay hoe karazana diversion noersahinao amin’ny fanatanterahana ny asanao? Dia manohy kely an’ilay fanontaniako aho hoe ahoana marina ialy fomba itantananao ny asa atrehinao amin’izao fotoana izao, eo ny fitantananao ny commune, eo ny fiatrehana an’ity raharaha politika ady amin’ny tsy fahafahana miteny ary tsy ianao irery moa no milaza ilay izy satria efa maro dia maro ireo olona tonga tao an-damosinao hoe tsy ekena intsony ny tsy fisian’ny falalahana miteny. Ahoana no tena andaminanao an’izay izany manomboka izao?

A.R.: Ny asa ao amin’ny CUA anie dia mandeha sy miroso araka ny tokony ho izy. Eny fa rehefa betsaka hoatran’izao ny olana, rehefa misy hiatran’izao ny olana dia somary mi-ralentir na somary tsy dia mandeha haingakaingana kokoa ny fandehan-javatra eo amin’ny lafiny fitantanana. Satria isaky ny mandeha ianao dia vesarina olana foana dia tsy maintsy mamaha foana ny olana. Fa indrindra indrindra izany ny ezahako dia eo amin’ny resaka hoe televiziona na radio. Io moa no ho resahintsika lavalava kokoa rehefa avy eosatria io dia fototra iray iorenan’ny zo sy ny fahafahana demokratika, izany hoe ny fahafahana maneho hevitra sy miteny izay tsy tokony ho tapenam-bava, tsy tokony ho sakanana n any vahoaka n any mponina, n any mpitondra n any haino aman-jery eto amion’ny tany sy ny fanjakana.

J: Ny zavatra misy ihany koa andriamatoa Ben’ny tanàna, izay zavatra mihatra aminao amin’izao fotoana izao sy mihatra amin’ireo ekipanao, ankoatry ny mahakasika ny fitantanana ny kaominina moa dia misy ihany koa ny fikitikitihana ny orinasanao manokana. Tsy dia zava-baovao loatra eto amin’ny firenena izay fa efa nitranga foana hatramin’izay. Fa ilay hoe fahasahiana, ilay hoe fitsanganana andeha hiteny, andeha hitaky ny rariny sy ny hitsiny, izay ngah no ataoko hoe tsy dia mbola fahita firy. Ary raha ny maha Ben’ny tanàna anao fotsiny aza, amin’ny taonanao sy ataoko hoe amin’ny experience politique ianao tsy manana mihitsy; nefa izany ianao hita hoe manana fahasahiana be. Manitikitika ny olona ihany koa hoe inona no hery manosia an’andriamatoa Ben’ny tanàna, misy manko ny resadresaka any am-badimbadika any hoe “iza no manohana an’andriamatoa Ben’ny tanàna, indrindra indrindra tao aorinan’ireny fandefasan’ny fahitalavitra VIVA an’ireny …’ny filoha teo aloha ireny. Dia mampanontany tena ny rehetra hoe inona ary no tena mampirisika an’Andriamatoa Ben’ny tanàna handray fanapahan-kevitra sy hanana fahasahiana tahaka izao.

J2: Iah, tiako ho vantanina kokoa ny fanontiana napetrak’i… teo andriamatoa Ben’ny tanàna, ny resaka heno teny an’ivon’ny fitondram-panjakana nisy koa moa ny vaovao hafa niresadresaka an’izay, dia hoe ilay Ben’ny tanànan’Antananarivo dia manana fifandraisana manokana amin’ny Amiraly Didier Ratsiraka na amin’ireo ilay any an-dafy any ireo, ary atahorana eo amin’izay mety ho tohiny amin’ny atao hoe “déstabilisation” na ny “instabilité politique”. Ahoana marina ny mikasika an’izay satria ianareo tao anatine fahitalavitra dia nandefa tamin’ny fotoana lavalava an’ilay Amiraly Didier Ratsiraka, ny minisitry ny filazam-baovao moa dianilaza mihitsy fa tsy nanara-dalana ianareo ary nisy zavatra niodinkodina be tao ambadika tao.

A.R.: Mikasika an’ilay hoe inona no nanosika, raha tokony teo arindrina teo dia ny manosika moa dia ny fitiavana. Ny fitiavana an’ity tanànantsika ity. Ny fitiavana te-hanao zavatra, ny fitiavana te-hampa-maoderina sy hampandroso ny tananan’Antananarivo. Mikasika ny hoe fifandraisana amin’ny amiraly Didier Ratsiraka. Io dia tiako… zavatra hoatran’ny mahatsikaiky ihany satria voalohany indrindra aloha dia tsara ho fantatrisika mianankavy hoe avy aiza ny feo manely an’izany,iza no niteny an’izany,gazetin’iza no niteny an’izany, ary olona iza no mampiteny an’izany zavatra izany. Io no ilaina indrindra ny fahafahana mamaly sy fahafahana miteny. Ny zavatra tiako ho lazaina dia izao: iodia efa niatomboka tany amin’ny fampielezan-kevitra. Nolazaina fa nanana fifandraisana tamin’andriamatoa Pierrot Rajaonarivelo ny tenako. Ankehitriny indray di ambola averina indray hoe manana fifandraisana amin’ny Amiraly. Eto aho dia miteny ho ren-tany ren-danitra fa mbola tsy nahita mihitsy na mivantana an’Amiraly Didier Ratsiraka, na nifampiresaka taminy mivantana, na nifampiresaka amin’olona akaiky aminy,dia tsisy mihitsy izany. Ireo izany no voalohany ireo. Ataoko fa manila zavatra be dia be angamba izay teny nataoko izay. Ary isika dia aza gaga, aza gaga indray isika raha ophatra ka rahampitso indray, rafakampitso dia hisy indray hiteny, io moe ihomehezana fotsiny ilay izy hoe mety hisy hilaza indray hoe manana fifandraisana amin’I Bel Laden indray ny Ben’ny tanànan’Antananarivo. Asa, tsy fantatro satria betsaka loatra ilay tsaho. Izay no teneniko hoe tsara ho fantatsika hoe avy aiza ny teny, iza no niteny, gazetin’iza no niteny. Izay angamba no zavatra mamalona izany zavatra betsabetsaka izany.

J2: Niteny tsaho ianao andriamatoa Ben’ny tanàna, tsaho ve ilay resaka fikasana hisambotra anao?

A.R.: Mikasika ny fisamborana dia ny ho lazaiko dia ity: io zavatra io aloha dia tsy ny tenako angamba no tsy kasaina hoe ho voasambotra voalohany, na tenako ihany koa, no ho voasambotra farany amin’ity fitondram-panjakana misy etio amin’ny tany sy fanjakana ity. Ny zavatra tiako ho lazaina dia ity: ny mpanaradia ahy aloha, tany am-piandohana dia efa nanahy mafy. Betsaka ireo olona tena tia hoe “I Andry, ianao anie ka ho ataon’ny mpitondra fanjakana hoatran’izao e! ianao anie ka ataony hoatran’izao.” Ka tao anatin’izany ny resaka hoe fisamborana. Ary amin’izao isika miteny izao dia eto aho milaza, afaka manambara fa tena mba manana “raison” ihany koa any anatin’ny zavatra rehetra rehetra any fa hatrany amin’ny masoivoho aza dia misy ni-confirmer an’io hoe misy io zavatra io. Niniana natao, fa nihemotra.

J2: Ahoana andriamatoa Ben’ny tanàna no ahafahanao manazava ny hoe nitabataba tokoa moa ny feo teny an-dalambe teny ny zoma, niakatrakatra mihitsy ny hafanana. Ahoana no ahafahanao manazava hoe nandeha an-gazety fa hosamborina ianao. Nandrasana ny zoma, tsy nisy n’inon’inona nitranga. Avy eon y tety an’ivon’ny ministera niteny hoe tsy misy an’izany fa resaka mandeha fotsiny izany. Iza no tena manao sinema ato anatin’ity tantara ity andriamatoa Ben’ny tanàna?

A.R.: Ny tena manao sinema angamba dia ireo efa tena zatra manao film, iza moa ny tena mpanao film eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny zavatra tiako ho lazaina dia ity, ary tena mampalahelo ary zavatra tsara ho tsampatsika mponina sy vahoaka eto amin’ny tanànan’Antananarivo: tao anatin’ny fotoana, fe-potoana, fotoana vitsivitsy teto amin’ny tantaran’I Madagasikara. Izay ngamba vao nisy ny mpiray minisitra nogadraina.Tantely Andrianarivo no tiako holaizaina. Tao anatin’izany koa ny fanagadrana olona maro, manam-boninahitra maro isan-karazany. Ary efa betsaka, betsaka dia betsaka ny gadra politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana amin’izao isika miteny izao. Ary ny farany teo dia nisy koa ny Ben’ny tanàna efa nogadraina ary nivoaka, afaka madiodio. Izany hoe tsy meloka. Izany anie no tantara misy eto amin’ity tany sy fanjakana ity e! Samborina ilay olona dia gadraina dia izao lazaina hoe tsisy n’inon’inona nataony, tsy meloka ilay olona. Zavatra tantara miverina izany no mitady haverina indray eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny tiako ho lazaina dia ity: Madagasikara dia ohatran’ny vatan’olombelona. Raha voakitika ny rantsany, dia marary. Fa kosa, Antananarivo dia fon’i Madagasikara. Ary raha ny fon’i Madagasikara no voatohitohina na marary dia misy fiantraikany amin’ny vatana iray manontolo.

J2: Dia raha izay fon’i Madagasikara izay izany no hafindra toerana kely ho eny Ivato, manao ahoana no fandraisanao an’ilay hoe fampikambanana ny kaominin’Ivato teo aloha ary handraisan’ny kaominina ny fivoriana an-tampon’ny firaisam-be afrikana?

A.R. Io indrindra no mampametra-panontaniana hoe :Fa dia ahoana loatra re , hatraiza loatra re ilay fankahalàna? Ilay tsy fitiavana lalim-paka an’ni Ben’ny tanana izay misy fiantraikany any amin’ny zavatra rehtra rehetra miseho eto amin’ny tany sy ny fanjakana? Satria raha ohatra ka nakambana ny kaominin’Ivato , dia ny zavatra tiana ho lazaina izany dia ny hoe, ary voalaza fa hoe any amin’ny kaominina Ivato no hatao ny sommet an’ny Union Africaine. Mazava tsara mihitsy angamba izay zavatra izay. Nefa isika, dia lazaiko soa aman-tsara fa raha mahamarika ianareo eran-tany, na ny governemanta aza dia nanambara fa ny sommet, ataoko amin’ny teny frantsay ilay izy “que le sommet africain aurai lieu dans la capitale de Madagascar…”. Ary eran-tany izao dia malaza fa ny sommet-n’ny Union Africaine dia hatao eto Antananarivo. Asa! Hovàna Ivato indray ve ny Capitale de Madagascar? Satria ho’aho io zavatra io anie tsy vao izao koa no niseho e. Fa vao lany ho Ben’ny tanana volana vitsy fotsiny aho dia…nisy nihazakazaka nankany Tamatave hoe “ity no capital économique, hovàna tanteraka ity capital ity. Izao indray izany dia ao anatin’ny fotoana vitsy ihany koa dia niova indray izany hoe hatambatra ny Ivato aéroport an! Any indray izany no handraisana tanteraka ny Union Africaine. Nefa ny eran-tany dia tiko mahafantatra sy mahatsapa ary mahafantara an’izany hoe Antananarivo izany no Capital de Madagascar, ary io na misy zavatra aza any France, ao Paris , dia hoe sommet atao ao Paris, fa tsy hoe any Roissy na aiza akory. Tsy tanàna izany no hisian’ilay hetsika fa eto amin’ny renivohitr’I Madagascar, ka ohatry ny mampalahelo ihany ilay fihetsika ankehitriny. Amin’ny fomba ahoana moa no tsy hitenenanao an’izany toe-draharaha misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany?

J1: Somary hiverina kely aho Andriamatoa Ben’ny tanàna raha sitrakao amin’ilay hoe tetika hisamborana anao teo, satria izay mihitsy moa no nandrafitra ny actualité izany tamin’ity herinandro ity. Ianao nanambara hoe lay fihaonana ara-politika notanterahana tetsy amin’ny La Rotonde …tafiditra ho antony hisamborana anao. Misy fanontaniana manitikitika ity Andriamatoa Ben’ny tanàna: inona marina ilay iarahanao izany amin’ny hery samihafa amin’izao fotoana izao. Miaraka amin’ny société civile ianao, miaraka amin’ny mpandraharaha, miaraka ihany koa anefa amin’ireo mpanao pôlitika. Asa raha fantatrao tsara hoe ny fifidianana anao teto amin’ny faritanin’ Antananarivo, izany hoe nifidy anao ny olona satria avy amin’ny tsy miankina ianao, ary karazan’ny hoe divorce mihitsy tamin’ny mpanao pôlitika izany, efa lehibe nataon’ny vahoakan’Antananarivo tamin’izy ireo, dia nifidy anao ny olona. Amin’izao fotoana izao ianao mifandray tendro amin’ireo mpanao pôlitika, ‘ndeha hatao hoe ivelan’ny fitondrana, ivelan’izay teny Iavoloha tamin’ny Alarobia lasa teo. Inona no tena iarahanareo Andriamatoa Ben’ny tanàna? Afaka mitondra fanazavàna misimisy ve ianao? Ho aiza ianareo izay niaraka nanao sonia, dia inona avy ilay hatao?

A.R: Ny tsara homarihana angamba dia tamin’ny fampiantsoana ireo sendika, na ireo lehiben’antoko na fikambanana, n any société civile izay niara-nanao sonia tamiko ny fanambaràna an, … naha-teo ahy aloha dia tsy amin’nay maha-Ben’ny tanàana, fa amin’ny maha-filoha mpanorina ny TGV. Ary io tonga dia misy tiako tsindriana kely satria ny TGV dia tsy manavaka, na firehan-kevitra pôlitika, na finoana, na katôlika io na prôtesta na musulman, na boudhiste, ary na fiaviana ihany koa, na avy any atsimo, na avy any andrefana na avy any atsinanana…Tsy manavaka. Ary ny nampiray an’ireo olona ireo dia fantatra fa efa be loatra, mahatsapa tena fa be loatra ny fanitsakitsahana ny zo sy ny demokrasia eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ny fanampenam-bava. Ny zavatra takiana anie e! Dia zavatra anankiroa izay hovakiana eo moa rehefa avy eo, izay fahalalahana miteny izay, izay fahalalahan’ny mponina rehetra rehetra mahafantatra ny vaovao tena tokony ho izy. Izay fanakanana miteny izay, izay hoe tsy fisian’ny sehatra ahafahan’ireo antoko pôlitika na ireo fikambanana miteny satria dia fantatra fa olana be, ianareo mpanao gazety mahafantatra tsara fa olana be anie eto amintsika izany hoe hamory olona izany e! Nefa dia isika izao an, ary izay no apetrako, ary tena défi iarahako amin’ireo olona rehetra rehetra nanao sonia ireo ny fametrahana ny “Kianjan’ny demokrasia” eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Izay hahafahana mifampiresaka, sy mifampizara ny hevitry ny antoko n any fikambanana amin’ny mponina eto Antananarivo, ary mendrika hahafantara an’izany angamba ny mponina eto Antananarivo satria isika izao mahafantatra any Londres, dia misy ny Hyde Park. Afaka miteny ao daholo ny antoko, fa dia anjarany fotsiny nmoa ny hoe mahazo olona izy sa tsy mahazo, misy mihaino izy sa tsia, hatraika no fipakan’ny hevitra izay teneniny? Izay izany no zavatra anankiray anisan’ny tena nampitambatra ary tokony, izaho dia resy lahatra, fa tokony hatambatra ny hery ankehitriny mba hihainoan’ny fitondram-apanjakana ny ahevitry ny be sy ny maro. Satria ny hevitry ny be sy ny maro dia mahataka-davitra.

J2: Nilaza moa ianao teo Andriamatoa Ben’ny tanàna ny amin’ny hoe be loatra ny zavatra miseho eto andrenivohitra amin’izao fotoana izao, tsy mipetraka amin’ny tokony ho izy ihany koa, na hoe voahitsaka mihitsy ilay zo fototra amin’ny maha-olombelona amin’ny hoe fahafahana miteny. Nisy ny fijoroan’ny atao hoe “Hery fanovàna ho amin’ny demokrasia”, vao afak’omaly teny Andoharanofotsy. Dia nilaza ihany koa ry zareo manantitra an’izay efa nolazainao izay hoe, misy izay, tsy mipetraka intsony ny atao hoe demokrasia eto amintsika. Nanangana ny cellule de crise izy, ary nilaza fa haparitaka manerana an’I Madagascar. Nilaza ihany koa ireo atao hoe FCD ireo fa manohana anao tanteraka. Manao ahoana ny fijerinao an’izany hoe fihazakazahan’ny olona ao ambadikao, ohatran’ny hoe maneho mivantana fa manohana anao Ben’ny tanànan’Antananarivo izy eo amin’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao?

A.R: Io zavatra io anie dia noho ny fahatsapan’ny olona e, fa misy loatra ny faneriterena, misy loatra ny sakantsakana. Izay no mahatonga ny olona hitsangana. Ary ny zavatra hotakiana dia ny mba tsy hiverenan’ny zavatra ohatran’izao intsony rahampitso sy raha afak’ampitso. N’iza n’iza mpitondra ho eo amin’ny fitondram-panjakana, dia mba tsy hiverenanan’ny tantara mampalahelo izay nitranga be dia be ankehitriny.

J3: Andriamatoa Ben’ny tanàna, misy fanontaniana ity, hivantambatana kely ihany aho hametraka azy an, tsy haiku raha tadidinao fa nisy fotoana nipetraka hoe mpanohitra ianao, tany amin’ny voalohandohany..voatery mihitsy ianao nanazava taty aoriana kely hoe “an, an, an tsy miaraka amin’ny fitondrana aho, tsy miaraka amin’ny mpanohitra, niverimberina matetitetika izay fanazavàna nentinao izay. Fa rehefa jerena indray ilay zava-misy Andriamatoa Ben’ny tanàna dia tsy tahaka ny vao mainka ve miantso ny fanjakana hamely kanonta eo ambony lohanao ilay hoe nanova staff ianao an, dia Andriamatoa Ny Hasina Andriamanjato, Ramatoa Elia Ravelomanantsoa…Izao indray ianao niaraka nijery tamin’ny mpanao pôlitika ilay hoe “Kianjana’ny demokrasia” sy miady ho an’ny fahalalahana an, dia nifarana moa tamin’ny hoe faniohana’ity FCD ity.

A.R: Ny zavatra misy ankehitriny an, io izaho dia resy lahatra foana, ny zavatra asehoko ankehitriny dia mariky ny ho avy, satria tsy misy mihitsy olona, mariky ny fisokafana indrindra indrindra, mandainga izay olona tena ho afaka hampandroso an’ity tany sy fanjakana ity, na mampandroso ny fitantanana kaominina fotsiny aza, hoe tsy afaka misokatra, fa tonga dia hoe ianao irery ihany no hitantana an’azy eo. Mariky ny fitiavana, satria izahay dia misokatra, ary isaorako ireo olona izay tsara sitra-po nanaiky ihany koa nanolotra ny tenany hijoro hanasoa ny tananantsika izany.

J3 Ka hono ho’aho Andriamatoa Ben’ny tanàna, raha mijery an’ilay kisary mantsy izany isika an, asian’ny fanjakana ianao izany an, dia iny ianao fa mitaraina, dia asiany fanindroany indray ianao dia mitaraina, ohatran’ny hoe miverimberina izany izay kisary izay. Izao nakatony hatramin’ilay fahitalavitrao an, dia inty ianao fa mbola mitaraina ihany. Inona marina izany izao Andriamatoa Ben’ny tanàna ilay tena hoe hataonao manoloana izany zavatra misesisesy izany satria, manamafy ilay tenin’ny namana Hervé teo ihany aho hoe ohatran’ny efa hitan’ny fanjakana ilay clé-nao hoe faiziny kely ianao dia anariny kely indray, dia tairiny kely, dia ny hiafarany ohatran’ny miala ilay vahoaka hoe efa ho lava izy izany

A.R Voalohany indrindra an, ny filazana ny zavatra marina sy ny zavatra misy dia tsy midika mihitsy ho fitarainana. Ary eto aho dia mahasahy milaza, miteny sy mijoro fa betsaka ihany ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana, ary tsy niverina tamina’ny heviny mihitsy ny fitondram-panjakana, fa azoko lazaina hoe fandresena ihany ny anay. Raha toa ka nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana haka ny SAMVA, fa tafaverina soa aman-tsara amin’ny Commune Urbaine Antananarivo izany. Fandresena ihany raha ohatra ka nalaina ny Gare Routière, nefa betsaka mihitsy ny manamboninahitra ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana manoratra amin’ny tabilao mihitsy ny antony hoe tena tsy mety mihitsy io fa izao, tokony ho raisin’ity sampam-pitantana ity mihitsy ny fitantanana an’io an, dia tafaverina soa aman-tsara amin’ny Commune Urbaine Antananarivo izany. Izany hoe ilay izy izany ohatran’ny kilalao. Ilay izy tsy fitarainana mihitsy izany. Azoko lazaina hoe fandresena ny zavatra misy hatreto raha ohatra ka rapport de force no holazaina. Ary ankehitriny indrindra indrindra dia mahasahy milaza, mijoro sy miteny aho, fa ny vahoaka sy ny mponin’Antananarivo dia miombon-kevitra tanteraka amin’ny fomba fijery sy ny fomba fitantanana, sy ny foto-kevitra ijoroan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo. Ary izay indrindra no mahatonga anay hiteny hoe betsaka ny fitakiana ataonay manomboka izao amin’ny fitondram-panjakana, …

J1 Andriamatoa Ben’ny tanàna araka ny noteneninao teo hoe misy ny sompatra ataao, dia misy vaha olana avy eo; alaina ny SAMVA dia averina aminao indray avy eon y fitantanana azy. Raha toa ary ka averiny sokafana ny fahitalavitra VIVA, midika fandresena ve izay amin’ny fitakiana rehetra ataonao, sa hoe mbola misy zavatra maromaro takianao, dia raha toa ka tsy mivaly ary izay fitakiana rehetra hataonao izay , concretement, inona marina no ho ataonao?

A.R: Voalohany indrindra dia nolazaiko teo hoe ny fototra iorenan’ny zo sy ny fahalalahana demokratika an, izany hoe ny fahafahana maneho hevitra sy miteny mihitsy no voahitsakitsaka ankehitriny. Ny zavatra angatahanay, sy angatahako, sanatria dia tsy ny fanokafana ihany ny VIVA, fa ny fahalalahana, fanalalahana ihany koa ny fandraisana fitenenana sy ny fitenenana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Izany hoe mangataka izahay mba hosokafna daholo ireo haino aman-jery rehetra nakatona tamin’ny tsy rariny sy tamin’ny ara-dalàna teto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tsy VIVA irery izany no resahana. Ary indrindra indrindra ihany koa ny fahafahan’ny be s y ny maro, indrindra fa ireo lehiben’antoko, ireo lehibe-na fikambanana handray fitenenana ao amian’ny haino aman-jerim-panjakana. Dia ny TVM sy ny RNM izany. Satria ao ka ho fantatsika fa fitaovam-bahoaka io. Volam-bahoaka no miasa ao anatin’io amin’ny maha haino aman-jerim-panjakana azy izay. Tokony hanana fotoana hitenenana ao avokoa izany ny olona rehetra rehetra. Fahatelo manaraka izay an, dia ny hoe, ny lalàna tokony hitovy ho an’ny olona rehetra rehetra Tsy hoe akory hoe rehefa mipasoka sy mibango ny fitondram-panjakana dia mety, tsy akatona, afaka atao. Fa kosa mba hitovy ny lalàna ho an’ny olona rehetra rehetra, Ka eo dia anisan’izany ny haino aman-jery tsy miankina, ny fahafahan’ny haino aman-jery, izay ireo mpandraharaha rehetra, ary betsaka no te hanao an’izany eto amin’ny tany sy ny fanjakana, hoe mba hi-couvrir na hanely ny Télé eran’ny Madagasikara. Ny lalàna anefa dia mazava tsara fa ny haino aman-jery tsy mioankina dia tsy afaka , raha tsy hoe ovàna, hoe mandefa ny haino aman-jery hanerana an’I Madagasikara. Betsaka ny olon afaka manao an’izany anie e! Ka ny fitakianay VIVA ohatra dia, efa mikarakara ny antontan-taratasy rehetra amin’izao isika miteny izao, hangatahana an’izany. Ka raha ohatra ka hoe, eo izany tsy tokony hisy ny hoe, “Halako bika, tsy tiako tarehy”, fa rehefa ny lalàna natao ho an’ny olona rehetra dia tokony hakatona koa izany ny haino aman-jery izay tsy manara-dalàna. Satria tsy mety ilay izy hoe ity lalàana ity natao ho an-dRakoto ihany, fa ho an-dRabe ity no mety. Izay zavatra izay no ezahanay.

J2 : Ny ahy Andriamatoa Ben’ny tanàana ohatran’ny fanahiana ihany raha misy an’ilay fitakiana nambaranao teo izany hoe, fitakiana ny fisokafan’ny haino aman-jerim-panjakana amin’ny ankolafin-kery sy hevitra rehetra. Izaho manokana moa tsy dia tia loatra ilay mampiasa intsony ilay hoe haino aman-jerim-panjakana, fa dia tsorina hoe haino aman-jerim-bahoaka. Ny mpitondra rahateo efa miteny fan any mpiasam-panjakana aza efa tsy izany intsony fa mpiasam-bahoaka. Dia hiverina aho amin’ilay resaka hoe vahoaka izay, ianao miteny hoe ‘Kianjan’ny demokrasia’, demokrasia izany moa hoe fahefam-bahoaka, ary na ianao na ny mpitondra hafa ihany koa izay nofinidim-bahoaka dia tokony hahatsiaro mandrakariva hoe fahefana indramina ilay izy. Amin’ilay fametrahanao teo izany an’izay fitakiana izay hoe mba hisokatra an, ny fanahiako dia hoe, tsy efa mirona na miroso mankany amin’izay ve ilay fandaminana ny ataoko hoe tontolo pôlitika, ny antoko pôlitika eto amintsika amin’izao fotoana izao, raha ohatra ka hivoaka soa aman-tsara izany ilay volavolan-dalàna, ho lany. Mety horaisinao heo, noho ilay fitakianao ve, san oho ilay fanavaozana noraisin’ny fanjakana andaniny mihitsy no hahatonga an’izay, ary hahafa-po anareo ve?


A.R
: Izaho angamba, ny teniko an , indrindra ilay teninao teo, Andriamatoa Hervé, , raha mahatsapa anie ny tsirairay avy, hafatra tiako hapetraka amin’ireo olona rehetra izay mitantana sy mitondra an’ity firenentsika ity dia ilay hoe fahefana indramina. Fahefana indramina n any ahy Ben’ny tanàna, na iza na iza hoe olona voafidim-bahoaka dia fahefana indramina. Ary izany fahefana indramina izany rehefa mindrana fahefana ianao an, dia tsy tokony hisetrasetra . Tokony izay hahamamim-bahoaka anao izany ho hataonao satria ny tantara anie dia hitsara e!, hitsara ny olona rehetra izay nanao sonia, izay nanapa-kevitra tao anatin’ny zavatra rehetra rehetra, ary fa samy tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra sy ny zavatra noraisiny daholo ny tsirairay avy..Dia eo indrindra aho izany no te-hilaza hoe, aleo mba lanjalanjaintsika ihany ny fanapahan-kevitra izay tokony horaisintsika tsirairay avy satria fahefana indramina ary hotsarain’ny tantara eto isika mianakavy. Ny fitakiana dia mazava ho azy amin’izao isika miteny izao fa izany haino aman-jerim-bahoaka araka ny voalaza teo izany dia tsy haino aman-jerim-bahoaka mihitsy satria olona mitovy foana no hitanao ao mandavan-taona. Mandritra ny fe-potoana hanaovana vaovao iray manontolo mihitsy dia olona mitovy foana no ohatran’ny hoe vaovao, ohatran’ny hoe télé-n’antoko izany ilay izy fa tsy télé-m-bahoaka. Satria ilay feon’ny vahoaka tsirairay avy dia tsy re fa tampenana. Ka ny anay ny zavatra takianay dia na inona na inona volavolan-dalàna atao eo dia manana soso-kevitra koa izahay, izay efa lasa any amin’ny mpitondra fanjakana ny fangatahana ankehitriny.

J1 :Andriamatoa Ben’ny tanàna, manome fe-potoana ve ianao amin’ilay hoe vokatry ny fitakiana nataonao izany, amin’ny fanokafana ny televisiona VIVA izany? Faharao, misy hafatra anakiray nataon’ny KMF/CNOE tamin’ny zoma lasa teo. Ny KMF/CNOE niteny hoe manoloana ity raharaha mifandrirotra be ity dia tsara ihany ny fifanantonanao amin’ny fitondram-panjakana. Efa nifanantona moa ianao tany aloha, tamin’ny resaka SAMVA, teo koa ny resaka olana samihafa momba ny kaominina. Mbola mazoto amin’izay fifanantonana izay ve Andriamatoa Ben’ny tanàana raha izay hafatry ny KMF/CNOE tamin’ny zoma izay?

A.R: Voalohany indrindra dia hatramin’izay moa ny tenako angamba, tiako hampahatsiahivina, fa …tany ampiandohan’ny fampielezan-kevitra dia ninia foana aho tsy nanonona anaran’olona mihitsya tao anatin’izany fampielezan-kevitra izany. Ary nifampiresaka foana tamin’ny olona rehetra rehetra tamin’izay fanapahan-kevitra. Izay angamba no mety nahatonga ny olona hoe ‘kapohana ny Ben’ny tanàna, dia safosafoina, dia manaiky. Ankehitriny, malaza dia malaza, ary vao haingana teo dia malaza ilay atao hoe dialogue. Ny zavatra lazaiko anefa, ny tiako hambara, dia ny fepetra rehetra, …noraisina tao anatin’ny fanapahan-kevitra noraisina mikasika ny Commune Urbaine Antananarivo dia tsy nisy mihitsy ny dialogue izany. Eny fan a ny fanakatonana ny VIVA farany teo, koa angaha nisy ny dialogue? Koa angaha nisy ny fifampiresahana? Koa angaha nisy ny fifampidinihana? Fa tonga dia JADONA: Mikatona, dia akatona. Amin’izao fotoana izao angamba raha ohatra ka misy ny fifampiresahana dia ny hevitry ny maro no hoentiko hotakiana fa tsy ny hevitro irery intsony.

J: Somary manitikitika kely ihany Andriamatoa Ben’ny tanàna ilay kianjan’ny demokratia nolazainao hoe hajoro teo. Ilay izy ve avy hatrany dia hampiharina, ho atsangana sa hoe anatiny, ao anatin’ny fitakiana hangataka alalana ihany koa ianareo ny avy ao amin’ny … tananan’Antananarivo izay vao afaka hanangana an’io sa dia hoe hatsangana foana io kianjan’ny demokratia io na ahoana na ahoana.

A.R.: Ny kianjan’ny demokratia aloha dia izaho ilay mitàna ny teny nomeko. Fa ilaina dia ilaina tokoa ho amin’ny fampandrosoana sy mba hahafantaran’ny olona ny zavatra misy marina eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Io dia efa tsy maintsy ho ajoro, tsy maintsy ho atao izy io. Ny zavatra angatahinay fotsiny amin’ny fitondram-panjakana, io anie ilaina e! N’iza n’iza mpitondra hifandimby eo rahampitso sy rahafakampitso an, ho an’ny taranaka fara aman-dimby, dia ilaina izany kianjan’ny demokrasia izany. Ary na ny mpitondra ankehitriny ary ao aoriana kely ao, dia mino aho fa hitaky an’io koa. Ka aleo ilay izy izao no tanterahina. Izay izany no zavatra misy satria tsy fahafahana miteny. Isika anie haka ohatra fotsiny hoe any amin’ny Maison Blanche any Etats-Unis ohatra dia misy olona mitaky zavatra foana anie eo anoloanan’ny Maison Blanche eo e! Misy manao fitakiana foana eo fa hoe hatraiza ny fitakian’ilay olona hoe mitombona sa tsy mitombona. Ka izay ilay kianjan’ny demokrasia an, tsy maintsy hapetraka io ary ao anatin’izay ilay fangatahana, satria hapetraky ny fiadiadian’ny CUA izy io, izay omeny toerana, fa hibata izay ihany koa io kianja io, fa ny angatahanay fotsiny satria, mbola misy fanajana ny mpitondra io satria izay no antony anaovanay taratasy, hoe hanekena soa aman-tsara ary indrindra indrindra hoe mba tsy hangatahana intsony izany hoe “autorisation spéciale amin’io fa tonga dia autorisation maharitra ny amin’izany kianjan’ny demokrasia izany. Ka dia ny kaominina fotsiny no mi-gérer anazy hoe iza no manofa amin’ity Sabotsy ity sy amin’ny eriny, ohatran’izany. Ohartran’izany ny kianja: kianja fanaovana theatre, misy kianja koa eto kianja fanaovam-baolina, misy kianja kianja mitafon’ny Mahamasina, misy kianjan’Isotry etsetra etsetra. Fa ny kianjan’ny demokrasia izany dia tokona ho ataontsika.

J: Iah, amin’ny lafiny ilany aloha Andriamatoa Ben’ny tanàna dia kelikely finoana ihany satria raha tsaroanao raha teo amin’ny tantara teo alohaloha teo ny tranom-pokonolona aza sarotsaotra ihany ny nahazo alalana ohatra rehefa misy fihetsehana politika izay mitranga. Indrindra indrindra eo amin’ilay principe mihitsy na ny dingana moa izany e, na ilay procedure hoe rehefa hanao hefitra dia tsy maintsy mahazo alalana avy amin’ny préfet de police. Ahoana no mety ahafahana mandingana izany lafiny rehetra izany satria rehefa avy any amin’ny préfet ianao, nisy fotoana nanome alalana, ny avy any amin’ny préfet no milafaka hoe tsy azo atao dia tsy azo atao ilay izy.

A.R.: Izay zavatra izay indrindra no… Isika moa dia hoe manana fomba fijery vaovao. Izay fomba fijery sy fomba fitantanana izay indrindra no tokony hovaintsika. Izaho mino fa ho vitantsika izany fa dia ny tantara moa no hitsara eto.

J: Manitikitika kely ihany Andriamatoa Ben’ny tanàna fa tokony voaresaka tery alohaloha moa ilay izy. Asa raha… Rehefa jerena ilay zava-misy izany e! Rehefa nitsangana ny FCD dia voaresadresaka tao ny catholique, ny Monseigneur moa izany anisan’ny teny an-toerana, Jean-Paul Randriamanana, taitra ny olona. Nisy misy Andriamatoa Ben’ny tanàna nomeko sary hoe dia akolafy roa ve izany: ny ery ampita ny TIM sy ny FJKM, ery an-daniny ny FCD sy ny catholique, izay tokoa ve izany izao ilay sary misy eto amintsika amin’izao?

A.R.: Io an, ny olona moa hoe samy manana ny famakiany ny zavatra rehetra rehetra miseho. Fa io ohatran’ny movement rehetra rehetraa io rehefa misy zavatra takiana, dia ny olona tsirairay avy mahafantatra hoe mitombona ity zavatra ity na tsy mitombona.

J: Ianao rahateo catholique.

A.R.: Ka izay no teneniko hoe io hoy aho samy manana ny famakiny ny zavatra ny olona rehetra rehetra. Fa io an, dia izay fotsiny no lazaiko hoe misy fitakiana. Betsaka anie ilay fitakiana ho ataonay ity e, na ny nataon’ny FCD, dia handeha any ny taratasy ary izaho ary amin’ity fitakiana ataonay ity dia mangataka mihitsy an’ireo mpitondra fanjakana mba hiaraka hanasonia azy. Ity fitakiana ity izany dia mba mangataka an’ireo minisitra na amin’ireo antoko fitondram-panjakana hoe andao mba hiaraka angataka an’ity satria tena raha mahatsapa marina izy ireo fa ilaina io zavatra io, na androany na rahampitso, io anie ny zavatra jerena Ismael tsy ny androany ihany e, fa ny rahampitso koa, dia aleo atao. Izay no zavatra fitakianay. Ka io an, na amin’ny hery ankolafin-kery samihafa, na catholique io na protestant io an, dia afaka manao sonia an’izany avokoa. Fa ny zavatra tiako ho fantatra fotsiny, ny tiako atao dia andron’ny fanambarana ny hery izao.

J: Iah, fanontaniako anankiray hoe nanome daty ianao teo hoe hatramin’ny 13 janvier no fetra farany omenao ny fanjakana. Ka raha tamin’ity moa ianao Andriamtoa Ben’ny tanàna voapetaka alohan’io fotoana io dia inona no mety mitranga?

A.R.: Dia anjaran’ny mpitondra sy ny vahoaka nifidy ahy indray angamba izay zavatra izay. Raha ohatra ka izay ny heritreritra. Fa izaho mino fa tsy ho tonga amin’izany satria marina fa betsaka ny fikasana. Satria lazaiko fotsiny anie Ismael e, fa mbola tsy nakatona akory ary VIVA dia efa betsaka ny zavatra niseho, ny tetika hanakatonana an’I VIVA. Fa dia miandry fotsiny izany hoe eo ilay fotoana dia tonga dia… Miandry “motif” fotsiny moa amin’ny teny vahina. Izay aloha zavatra anankiray. Faharoa, hoatran’izany koa ny CUA. Satria tiako ho fantatry ny mponina ihany fa 1 volana, 2 volana lasa anie izay dia Inspecteur d’Etat, Brigade financière, izany anie no tao amin’ny kaominina e! Nitady zavatra mihitsy hoe inona no zavatra, lesoka misy eto amin’ity CUA ity. Nefa moa dia niala maina izy ireo satria tsisy zavatra hita tao anatin’izany. Dia ahatran’izay ilay izy hoe ny fikasana, izay anie ilay tsy fitiavana, izay ilay hoe fa maninona moa, tena ohatran’ny mahagaga hoe hatraiza ny fitiavan-tanindrazana. Satria izay ve no vahaolana, ny manala Ben’ny tanàna eo amin’ny toerany ve no vahaolana.

J: Iah, miresaka foana an’ilay hoe olona nifidy anao ianao Andriamatoa Ben’ny tanàna, misy fanontaniana miverimberina tato ho ato, oviana ianao no hanao tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo? Asa raha nanamarika moa ianao izany izao ny erin-taona sa mbola tsy feno teo amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo, rahoviana ianao no mety hanao tatitra amin’izy ireo?

A.R.: Afaka atao anie ny tatitra e, fa ny zavatra nolazaiko teo betsaka ny asa natao teto amin’ny tanànan’Antananarivo, ny fanaovana ny lapan’ny tanàna, ny fanaovana tetik’asa isan-karazany. Eny fa ohatra lazaiko anareo fotsiny izao: nihabetsaka ireo eto amin’ny tanànan’Antananarivo, ireo olona, ray aman-dreny, izay tena nisaotra sy nankasitraka tokoa tamin’ny fanaovana ny cours gratuit 2007-2008 satria betsaka ireo ray aman-dreny izay miaina ao anatine trano kely dia tsy afaka akory manao enti-mody ireo zanany. Ary 80% ny olona, ireo mpianatra izay nanatrika izany cours gratuit izany no afa-panadinana avokoa. Izay ilay teneniko hoe raha ny tanora no voalaza fa ho avy ny tsy nirina dia ampio ireo tanora ireo.

J2 : Andriamatoa Ben’ny tanàna, mikisakisaka ihany isika ao anatin’ilay ady hevitra. Misy fanontanian’ny namana Annick Raherimanana teo mbola tsy novalianao, ilay hoe mitaky fotsiny ve ianao dia izay hiafarany eo hiafarany sa mba manome fe-potoana hoe, asa, raha tsy mivaly hatramin’izao ilay izy dia inona no mety hitranga?

A.R: Izay indrindra no fanambarana hataoko androany. Satria ny zavatra hotakiana dia heverinay fa rariny sy hitsiny, ary hetahetam-bahoaka, hetahetan’ny mponin’Antananarivo, hetahetan’ny mponina rehetra manerana an’I Madagasikara. Ka ny fitakianay izay hovakiana eo rehefa avy eo dia amin’ny 13 Janoary 2009 no iandrasanay valin-teny avy amin’ny fitondram-panjakana.

J2 : Valin-teny ahoana moa Andriamatoa Ben’ny tanàna? Valin-teny mety hitranga mantsy dia mety hiteny ny fanjakana hoe tsy ara-dalàna ilay izy ka dia mipetraka eo ihany, na mety hamaly izy fa hamaly amin’ny hoe efa namely izahay. Sa endrika valin-teny ohatry ny ahoana ilay andrasanareo?

A.R: Ny valin-teny andrasanay dia ny fanekeny ny fitakiana. Ary izaho mino fa tsy maintsy ho ekeny io fitakiana io, satria zavatra hetahetan’olona, hetahetam-bahoaka. Ka izany no tokony hotanterahany izany. Ka io izany ilay fe-potoana omenay, hoe amin’ny faha 13 janoary ho avy izao. Rehefa tsy misy valiny io, dia handray fepetra izahay manaraka izay

J1: Etsy andanin’izay mantsy manoloana ilay fitakiana rehetra nataonao, tsy hoe pessimiste, fa efa maromaro ihany ny fitakiana natao hatramin’izay an ,tsy nisy vokany avokoa. Amin’izao fotoana izao izany, raha ataoko hoe taorian’iny fikasana hisamborana anao iny fotsiny aza dia efa nafana fo be ny vahoaka an, hita teny ananonanona teny izany ny olona te-hanohana anao, te-hanosika anao ao anatin’ilay tolona rehetra ataonao. Dia ry zareo ihany koa, efa niteny moa ianao teo hoe misy ny zavatra ho atao. Ka ny mponin’Antananarivo manokana, ny olona ao ambadikao manokana izany te-hahalala mihitsy hoe aiza ho aiza ny dingana hatao raha tsy mivaly marina ary iny,dia fihetsika manao ahoana ilay fihetsika, hoe am-pahendrena ve? Ara-taratasy an, fifampiresahana àry ve sa inona marina?

A.R.: Ny zavatra nataontsika dia nentina am-pahendrena. Isika koa moa dia notezaina tamin’izany. Nisy ny fangatahana iny, ary ny fangatahana hatao dia araka ny nolazaiko teo hoe hetahetantsika rehetra. Ary zavatra tokony hatao mihitsy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Raha sanatria ka mandiso fanantenana ny valin’ilay izy satria fanampenam-bava mihitsy. Fitakiana ny zon’ny tsirairay avy hiteny sy hahafantatra ny vaovao, fitakiana ny hahafahan’ny olona mamory ny vahoaka n any mponina ao aminy, izay atomboka eto Antananarivo, raha sanatria tsy hisy valiny izay an, dia tsy maintsy haka fepetra. Tsy afaka holazaiko eto kosa angamba, ankehitriny hoe inona no fepetra horaisina, fa efa misy lamin’asa tokony harahana manaraka an’izay fepetra izay. Ny andro moa fety rahateo, Tsy misy mihitsy angamba manana tombon-tsoa hoe hikorontana isika Malagasy amin’izao ankatoky ny andro fety izao, izay tena azoko lazaina hoe efa tena ancrée amintsika Malagasy ny fetin’ny Noely sy ny taom-baovao, ka manam-potoana tsar any fitondram-panjakana handinika an’ireo fitakiana izay hapetrakay ireo.

J: Somary manitikitika kely ihany Andriamatoa Ben’ny tanàna ilay kianjan’ny demokratia nolazainao hoe hajoro teo. Ilay izy ve avy hatrany dia hampiharina, ho atsangana sa hoe anatiny, ao anatin’ny fitakiana hangataka alalana ihany koa ianareo ny avy ao amin’ny … tananan’Antananarivo izay vao afaka hanangana an’io sa dia hoe hatsangana foana io kianjan’ny demokratia io na ahoana na ahoana.

A.R.: Ny kianjan’ny demokratia aloha dia izaho ilay mitàna ny teny nomeko. Fa ilaina dia ilaina tokoa ho amin’ny fampandrosoana sy mba hahafantaran’ny olona ny zavatra misy marina eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Io dia efa tsy maintsy ho ajoro, tsy maintsy ho atao izy io. Ny zavatra angatahinay fotsiny amin’ny fitondram-panjakana, io anie ilaina e! N’iza n’iza mpitondra hifandimby eo rahampitso sy rahafakampitso an, ho an’ny taranaka fara aman-dimby, dia ilaina izany kianjan’ny demokrasia izany. Ary na ny mpitondra ankehitriny ary ao aoriana kely ao, dia mino aho fa hitaky an’io koa. Ka aleo ilay izy izao no tanterahina. Izay izany no zavatra misy satria tsy fahafahana miteny. Isika anie haka ohatra fotsiny hoe any amin’ny Maison Blanche any Etats-Unis ohatra dia misy olona mitaky zavatra foana anie eo anoloanan’ny Maison Blanche eo e! Misy manao fitakiana foana eo fa hoe hatraiza ny fitakian’ilay olona hoe mitombona sa tsy mitombona. Ka izay ilay kianjan’ny demokrasia an, tsy maintsy hapetraka io ary ao anatin’izay ilay fangatahana, satria hapetraky ny fiadiadian’ny CUA izy io, izay omeny toerana, fa hibata izay ihany koa io kianja io, fa ny angatahanay fotsiny satria, mbola misy fanajana ny mpitondra io satria izay no antony anaovanay taratasy, hoe hanekena soa aman-tsara ary indrindra indrindra hoe mba tsy hangatahana intsony izany hoe “autorisation spéciale amin’io fa tonga dia autorisation maharitra ny amin’izany kianjan’ny demokrasia izany. Ka dia ny kaominina fotsiny no mi-gérer anazy hoe iza no manofa amin’ity Sabotsy ity sy amin’ny eriny, ohatran’izany. Ohartran’izany ny kianja: kianja fanaovana theatre, misy kianja koa eto kianja fanaovam-baolina, misy kianja kianja mitafon’ny Mahamasina, misy kianjan’Isotry etsetra etsetra. Fa ny kianjan’ny demokrasia izany dia tokona ho ataontsika.

J: Iah, amin’ny lafiny ilany aloha Andriamatoa Ben’ny tanàna dia kelikely finoana ihany satria raha tsaroanao raha teo amin’ny tantara teo alohaloha teo ny tranom-pokonolona aza sarotsaotra ihany ny nahazo alalana ohatra rehefa misy fihetsehana politika izay mitranga. Indrindra indrindra eo amin’ilay principe mihitsy na ny dingana moa izany e, na ilay procedure hoe rehefa hanao hefitra dia tsy maintsy mahazo alalana avy amin’ny préfet de police. Ahoana no mety ahafahana mandingana izany lafiny rehetra izany satria rehefa avy any amin’ny préfet ianao, nisy fotoana nanome alalana, ny avy any amin’ny préfet no milafaka hoe tsy azo atao dia tsy azo atao ilay izy.

A.R.: Izay zavatra izay indrindra no… Isika moa dia hoe manana fomba fijery vaovao. Izay fomba fijery sy fomba fitantanana izay indrindra no tokony hovaintsika. Izaho mino fa ho vitantsika izany fa dia ny tantara moa no hitsara eto.

J: Manitikitika kely ihany Andriamatoa Ben’ny tanàna fa tokony voaresaka tery alohaloha moa ilay izy. Asa raha… Rehefa jerena ilay zava-misy izany e! Rehefa nitsangana ny FCD dia voaresadresaka tao ny catholique, ny Monseigneur moa izany anisan’ny teny an-toerana, Jean-Paul Randriamanana, taitra ny olona. Nisy misy Andriamatoa Ben’ny tanàna nomeko sary hoe dia akolafy roa ve izany: ny ery ampita ny TIM sy ny FJKM, ery an-daniny ny FCD sy ny catholique, izay tokoa ve izany izao ilay sary misy eto amintsika amin’izao?

A.R.: Io an, ny olona moa hoe samy manana ny famakiany ny zavatra rehetra rehetra miseho. Fa io ohatran’ny movement rehetra rehetraa io rehefa misy zavatra takiana, dia ny olona tsirairay avy mahafantatra hoe mitombona ity zavatra ity na tsy mitombona.

J: Ianao rahateo catholique.

A.R.: Ka izay no teneniko hoe io hoy aho samy manana ny famakiny ny zavatra ny olona rehetra rehetra. Fa io an, dia izay fotsiny no lazaiko hoe misy fitakiana. Betsaka anie ilay fitakiana ho ataonay ity e, na ny nataon’ny FCD, dia handeha any ny taratasy ary izaho ary amin’ity fitakiana ataonay ity dia mangataka mihitsy an’ireo mpitondra fanjakana mba hiaraka hanasonia azy. Ity fitakiana ity izany dia mba mangataka an’ireo minisitra na amin’ireo antoko fitondram-panjakana hoe andao mba hiaraka angataka an’ity satria tena raha mahatsapa marina izy ireo fa ilaina io zavatra io, na androany na rahampitso, io anie ny zavatra jerena Ismael tsy ny androany ihany e, fa ny rahampitso koa, dia aleo atao. Izay no zavatra fitakianay. Ka io an, na amin’ny hery ankolafin-kery samihafa, na catholique io na protestant io an, dia afaka manao sonia an’izany avokoa. Fa ny zavatra tiako ho fantatra fotsiny, ny tiako atao dia andron’ny fanambarana ny hery izao.

J: Iah, fanontaniako anankiray hoe nanome daty ianao teo hoe hatramin’ny 13 janvier no fetra farany omenao ny fanjakana. Ka raha tamin’ity moa ianao Andriamtoa Ben’ny tanàna voapetaka alohan’io fotoana io dia inona no mety mitranga?

A.R.: Dia anjaran’ny mpitondra sy ny vahoaka nifidy ahy indray angamba izay zavatra izay. Raha ohatra ka izay ny heritreritra. Fa izaho mino fa tsy ho tonga amin’izany satria marina fa betsaka ny fikasana. Satria lazaiko fotsiny anie Ismael e, fa mbola tsy nakatona akory ary VIVA dia efa betsaka ny zavatra niseho, ny tetika hanakatonana an’I VIVA. Fa dia miandry fotsiny izany hoe eo ilay fotoana dia tonga dia… Miandry “motif” fotsiny moa amin’ny teny vahina. Izay aloha zavatra anankiray. Faharoa, hoatran’izany koa ny CUA. Satria tiako ho fantatry ny mponina ihany fa 1 volana, 2 volana lasa anie izay dia Inspecteur d’Etat, Brigade financière, izany anie no tao amin’ny kaominina e! Nitady zavatra mihitsy hoe inona no zavatra, lesoka misy eto amin’ity CUA ity. Nefa moa dia niala maina izy ireo satria tsisy zavatra hita tao anatin’izany. Dia ahatran’izay ilay izy hoe ny fikasana, izay anie ilay tsy fitiavana, izay ilay hoe fa maninona moa, tena ohatran’ny mahagaga hoe hatraiza ny fitiavan-tanindrazana. Satria izay ve no vahaolana, ny manala Ben’ny tanàna eo amin’ny toerany ve no vahaolana.

J: Iah, miresaka foana an’ilay hoe olona nifidy anao ianao Andriamatoa Ben’ny tanàna, misy fanontaniana miverimberina tato ho ato, oviana ianao no hanao tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo? Asa raha nanamarika moa ianao izany izao ny erin-taona sa mbola tsy feno teo amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo, rahoviana ianao no mety hanao tatitra amin’izy ireo?

A.R.: Afaka atao anie ny tatitra e, fa ny zavatra nolazaiko teo betsaka ny asa natao teto amin’ny tanànan’Antananarivo, ny fanaovana ny lapan’ny tanàna, ny fanaovana tetik’asa isan-karazany. Eny fa ohatra lazaiko anareo fotsiny izao: nihabetsaka ireo eto amin’ny tanànan’Antananarivo, ireo olona, ray aman-dreny, izay tena nisaotra sy nankasitraka tokoa tamin’ny fanaovana ny cours gratuit 2007-2008 satria betsaka ireo ray aman-dreny izay miaina ao anatine trano kely dia tsy afaka akory manao enti-mody ireo zanany. Ary 80% ny olona, ireo mpianatra izay nanatrika izany cours gratuit izany no afa-panadinana avokoa. Izay ilay teneniko hoe raha ny tanora no voalaza fa ho avin’ ny atsy aoriana dia ampio ireo tanora ireo. Marina fa betsaka ny zavatra azoko lazaina ary azoko ijoroana fa betsaka ny zavatra efa vitako teto amin’ny tanànan’Antananarivo, nefa betsaka ihany koa ary mbola ho maro be ireo asa izay tokony ho atao. Fa ny zavatra nataonay aloha dia ny fijerena indrindra ireo izay tena marofy. Izany hoe, ireo zaza, ireo zazakely izay tsy mahita hanin-ko hanina, izay ariary zato monja dia afaka misakafo ankehitriny. Fa hilaza tantara kely anankiray aminareo aho. Eto mantsy ny fanomezan-tsiny no mibahana matetika. Fa… tantara kely anankiray aho hoe rehefa nidina teny ambany tanàna aho, dia nahita ramatoa anankiray izay mananontena. Maty ny zanak’io ramatoa io, zanany vavy. Ary ny vinantony, vinantony lahy kosa dia nitsoaka. Anankidimy anefa ny zafiny, izay enin-taona mandra-pahatongan’ny valo ambin’ny folo taona. Mananontena ilay ramatoa. Dia nahita ahy izy dia hoe vonjeo aho Andriamatoa Ben’ny tanàna. Fa ny tiako lazaina dia hoe izay no nahatonga anay hoe ny fijerevana an’ireny vahoaka madinika indrindra ireny no tokony imasoana ankehitriny. Izay no nahatonga anay hoe ataovy ny teny gasy, ataovy hoatran’izao ity, ampifalifalio ireo zoky ray aman-dreny ireo, omeo carte orange ireo, etsetra etsetra. Ny tiako lazaina, eto mantsy ny fifanenjehana lasa betsaka. Andraikitr’iza moa izany? Iza no tompon’andraikitra voalohany amin’izany? Izaho moa dia tsy niteny fa dia noraisiko an-tanana ny fikarakarana an’ireo zanak’ireo olona sahirana ireo, ireo fianankaviana sahirana ireo.

J: Ao anatin’ny fanatanterahana ny asan’ny kaominina andriamatoa Ben’ny tanàna, betsaka ilay tetik’asa voalazanao, etsy an-danin’izay anefa ianao ihany koa somary korontanina amin’ireo karazana sompatsompatra maro samihafa. Iverenako kely ny fikarakarana ny sommet union africaine satria raharaha lehibe iny ary ataoko hoe endrika itarafana an’I Madagasikara manokana nefa zany dia lasa ny kaominin’Ivato natambatra indray izany no mety ho jerena raha araka ny napetraky ny fitondram-panjakana. Fantatra ihany koa fa dia ny PDS izany itantana an’iny kaominina iny manomboka izao. Tsy niserana tao an-dohanao ve ny mety hoe ho soloina PDS indray, hisy fanendrena PDS indray eto Antananarivo dia hanao ahoana ny tohin’ny asa rehetra sy ny ambitions rehetra efa ao anatinao?

A.R.: Izany anie efa tetika e, izany efa tetik’ady napetraka, io ilay teneniko hoe ilay fankahalana tanteraka mihitsy no nahatonga an’izao zavatra rehetra rehetra mampalahelo, ary etna mampalahelo dia mampalahelo tokoa ny zavatra mitranga sy miseho ankehitriny eto Madagasikara. Tongotra vakivaky, ka sady maharary no mahamenatra hoy ireo fitenenana. Satria voalohany indrindra dia samy Malagasy ny tena. Ary faharoa indrindra indrindra izay tena mampalahelo, fa dia samy mponin’Antananarivo ihany koa. Henatra tanteraka, henatra tanteraka ho an’I Madagasikara izao zavatra miseho eto amin’ny tanànan’Antananarivo izao.

J: Mety betsaka angamba ny zavatra tiana horesahina amina fotoana hoatran’izao, indrindra hoe mety mivelabelatra kokoa ny… atao hoe ny fahatakaran’ny mpihaino. Izaho hoatran’ny te-hiangavy anao ihany Andriamatoa Ben’ny tanàna sao ao anatin’ny fandrenesana an’ilay hafatra misy na ilay fitakiana mety misy zavatra tokony hazavaina misimisy kokoa izany. Mety efa liana ihany koa ny olona hoe ny vontoatin’izay zavatra nambaranao teo izay hoe hisy famakiana hafatra.

A.R.: Rehefa avy eo moa izany dia hovakiantsika ilay fitakiana. I madame Annick ihany koa moa teo izany niteny ho tatitra atao amin’ny mponin’Antananarivo. Misy tatitra kely ihany ity tiako atao. Rah any asa moa dia efa voalaza teo. Ny zavatra tiako holazaina amin’ny mponin’Antananarivo dia izao: Izaho Ben’ny tanànan’Antananarivo dia manambara sy miteny fa ho tsarain’ny asa eto isika rehetra rehetra. Fa mahasahy mametraka ny fanamby aho, fa hahavita lavitra, betsaka, noho ireo Ben’ny tanàna izay nifandimby teto amin’ny tanànan’Antananarivo. Tao anatin’ny herin-taona monja anie dia efa betsaka ny zavatra nipetrapetraka. Anisan’izany izahay eo amin’ny fitantanana dia mitady vola aloha. Mampidi-bola aloha izay vao hoe ahoana no handaniana an’ireo vola ireo. Eto aho dia manana tarehimarika vitsivitsy tiako hozaraina amin’ny mponin’Antananarivo. Satria…ilay hetra eto amin’ny tanànan’Antananarivo dia ohatra hoe ny taxe tamin’ny fêtes et spectacles dia nihoatra 73%. Satria 57 millions d’Ar izany,tamin’ny taxes tsy nisondro-bidy izany, izao izy lasa 100 milliards. 100millions azafady, d’Ar. Izay izany no zavatra voalohany. Ary eo amin’ny kitapom-bola iray manontolo ohatra fotsiny amin’ny takiana dia nihoatra 35%. Afaka hamarinina izany zavatra teneniko izany an, misy bilan ao amin’ny CUA. Ny taxe amin’ny publicités dia nihoatra 30%. Ny haban-tsena n any tsena rehetra rehetra dia nihoatra 25%. Ary ny fidiram-bola amin’ny ankapobeny, ny recette par fiscal izay misy ny permis de construire, ny taxes amin’ny appareil automatique, ny hofan-trano, sy ny taxes rehetra rehetra amin’izao ora sy fotoana itenenantsika izao dia nihoatr 36%. Ny zavatra afaka lazaiko dia ity: vao lany Ben’ny tanàna aho, dia ny zavatra noteneniko, afaka lazaiko fa 80% dia tanteraka avokoa ankehitriny. Satria anisan’ny fanamby napetrako hoe ampiakarina ny taxes, ampiakarina ny fidiram-bolan’ny CUA, ary niakatra soa aman-tsara izany ankehitriny. Lazaiko anareo far aha vide ny caisse n any kitapom-bolan’ny CUA tamin’ny volana janoary, sahirana hoe ahoana ary ny andoavana ny vidin-katsembohana n any vidin-kasasaran’ireto mpiara-miasa ireto. Nampitaintaina izany. Ankehitriny, amin’izao ora sy fotoana itenenantsika izao, dia misy ambim-bola any amin’ny 20 milliards de FMG any ao amin’ny kitapom-bolan’ny CUA. Ary mbola afaka nizara primes tamin’ny mpiara-miasa rehetra rehetra tamin’ity taona 2008 ity. Tsy hiteny aho hoe izahay no mahay mitantana indrindra, fa nisy ezaka be natao tao. Nisy ezaka be.

J: Hono hoy aho, Andriamatoa Ben’ny tanàna, mandray kely ny fanontaniana napetraky ny namana Lina teo ihany aho, tsy latsaka anaty vovo ve izany ianao amin’izao satria raha ny fijery an’ilay izy izany an, ianao moa tery alohaloha niteny hoe noterena hanao politika. Dia tafiditra izany ianao izao, raha vao mihetsika mahery eo ianao dia efa miala any tokoa ny… Tsy matahotra an’izay kisary izay ve ianao hoe mety ho rahampitso izany, raha afak’ampitso?

A.R.: Isika rehetra dia tsy misy tompon’ny ampitso. Ny zavatra tiako lazaina dia ity: goavana be ny fanamby izay napetrako teo. Ny mandat, ary izany tsy afaka ho somparan’iza n’iza, fa ny mandate n any fe-potoana hitantanan’ny Ben’ny tanàna dia voafaritra soa aman-tsara fa ao anatin’ny 4 taona. Ary izay no teneniko hoe ao anatin’ny 4 taona dia hitantsika eo hoe inona no zavatra vita eto amin’ny tananan’Antananarivo. Ary ny mponin’Antananarivo dia hiarina amin’izay, hiaro an’izay safidiny izay, ary io moa dia ho hita eo rehefa afaka 4 taona dia manao bilan indray. Satria isika izao vita ny herin-taona, madama Annik teo niteny hoe aiza ho aiza moa izany ny bilan dia bilan anankiray santionany fotsiny iny nentiko iny. Ohatra fotsiny hoe nampanantena aho hoe pompes. Tao anatin’ny 8 volana anie, pompes 80 no vitanay teto amin’ny tanànan’Antananarivo. EPP 15 no narenina. Marina fa be dia be ny EPP en danger. Far aha 15 izany, efa iray mahery isam-bolana izany ny EPP vita. Vao haingana teo moa dia niaraka tamin’ny Ambassade-n’ny Japon indray izany, izay nanampy ny kaominin’Antananarivo hoe hanampy an’ilay izy. Ka io an, ny tantara no hitsara ny zavatra rehetra rehetra. Ka tokony tsy hisy olona mihitsy eto amin’ny tany sy ny fanjakana hanana eritreritra ratsy. Ary ny tantara moa dia mipetraka fa ireny sonia ataon’ny tompon’Andraikitra tsirairay avy ireny dia voatahiry soa aman-tsara ireny. Ary enga anie ka tsy ho menatra ny zanaka amam-parantsika tsirairay avy hoe I dadanay anie no nanao an’izao an’iny rangahy iny e, nanao ratsy an’iny rangahy iny. Azonareo ilay zavatra tiako holazaina? Hotsarain’ny tantara eto isika mianakavy. Ary izay no teneniko hoe ny fahefana anananay dia fahefana indramina. Tsisy hijanona Ben’ny tanàna mandrakizay izany. Tsy hijanona eo amin’ny toerany mandrakizay izany ny olona voafidim-bahoaka fa mandalo ihany . Ka izay indrindra no hoe aleo asa soa, zavatra tsara no sary hijanona ao amin’ny eritreritry ny mponina eto Antananarivo sy eto Madagasikara.

J: Ianao Andriamatoa Ben’ny tanàna tao anatin’ireny fandraisanao fitenenana ireny tato antin’ny fandaharana misy fitenenana, afak’omaly teto amin’ny radio VIVA dia nanontany tena ary nanontany ny filoham-pirenena mihitsy hoe inona no mety ho anton’ilay fankahalana mipetraka. Ilay fankahalana moa izany tsy fantatra mazava hoe manao ahoana fa raha ao anation’ny fanatanterahanao ny asa koa nefa misy izay fankahalana izay dia sarotsarotra ihany. Ny mpanara-baovao, ny mpanara-baovao hoy aho an, ary ataoka mahitsy ilay izy niteny hoe, mitatitra fotsiny ihany aho hoe, matahotra an’I Andry TGV mihitsy ny filoham-pirenena Marc RAVALOMANANA matoa manao an’izao zavatra izao. Ianao ve mieritreritra an’izay ihany koa hoe misy tahotra marina ao ho hahavita zavatra bebe kokoa ianao na sao dia eritreretina hoe ho fahavalo ianao atsy ho atsy, tsy fantatro…

A.R.: Asa, izay moa ny valinteny tokony ilay olona iantefan’ilay fanontaniana no afaka mamaly. Fa raha ohatra ny fandinihakoan’ilay izy dia misy fankahalana tanteraka aloha ao anatin’ilay izy. Ary misy ihany koa fatahorana, satria raha olona mahatoky tena tsy hanao zavatra hoatran’izao mihitsy. Izay moa izany ny zavatra voalohany. Ary eo indrindra ilay faahorana hoe hahavita zavatra bebe kokoa dia ho sakanana. Ary izay anie no mahatonga an’ilay ahiahinareo e! Izay no mahatonga an’ilay ahiahy hoe hosamborina, ho atao PDS, etsetra etsetra. Izay ahiahy izay. Ka izay no teneniko hoe ny mandat dia 4 taona. Ary izaho dia miteny mihitsy, mahasahy milaza aho, ary mbola ho averiko foana,ho hitantsika eon y zavatra vita ao anatin’ny 4taona. Ka izay ahiahy izay, raha tena misy marina ny fitiavan-tanindrazana, dia avelao hiasa ilay olona, avelao ary hiasa.

J: Fanontaniana teboka telo, Andriamatoa Ben’ny tanàna, ireto apetrako ireto. Ny voalohany dia ny hoe: Raha ity moa izany ianao antsoin’ny filoham-pirenena hitafa indray, tahaka ny nitranga tary aloha tary, hoa mipetraha tsara ianao Andriamatoa Ben’ny tanàna, hilamina ve ireo? Teboka faharoa: Raha vao nitranga ny hoe akatona ny VIVA dia maro be mihitsy ny olona niteniteny hoe “alaivo koa rangahy ny tany ery Anosipatrana a!”, ilay misy an’ilay MBS izany, nandalo tao an’eritreritrao tokoa ve izay hoe ndeha tokoa hiditra ami’izany lalana izany ary ny fahatelo: tena avela amin’izao tokoa ve Andriamatoa Ben’ny tanàna ny ery amin’ny digue izay nampimenomenona ny olona?

A.R.: Voalohany indrindra aloha hoe raha misy ny fampiantsoana, dia ny fampiantsoana anie, marina fa efa betsaka izay resaka efa natao izay, betsaka izay fandaminana efa natao izay. Raha nareo ary dia nahatsapa angamba ny mponin’Antananarivo fa tena zanaka hendry ny tenanay tao anatin’izay herin-taona izay satria dia nanaiky foana. Fa ny fifampiresahana dia tsy manila mihitsy ny fitakiana izay atao. Izany hoe raha misy ny fifampiresahana dia tokony handinika ny fitakiana hoe ahoana no ahafahana manatanteraka ireo fitakiana ireo. Izay angamba ny avaliko an’izay. Faharoa mikasika ny MBS eny Anosipatrana. Marina dia marina tokoa fa tanin’ny CUA ny misy an’ny haino aman-jery iray ao Anosipatrana. Ny zavatra afaka lazaiko dia tsy any amin’ny hoe nandalo tany an-taina ve ny hanesorana na tsy hanesorana. Ny tantara no hitsara an’izany. Fa kosa tsy nandalo tao an-tsaina mihitsy ny hoe andeha hafindra eny koa ny VIVA satria malalaka be ilay toerana ao dia hoe afindra eto ambany eto koa ny VIVA. Malalaka be ao. Ary mbola misy toerana fanion-telony, faninefany koa ao mety mbola ifandimbiasan’ny Ben’ny tanàna izay mety hifandimby eto amin’ny tanàna’Antananarivo raha ohatra ka ilaina izany. Fa tsy tao anatin’ny sainay mihitsy izany satria izahay dia miaro ny fananan’ny tanàna. Fa tsy haka akory ny ahatongavanay eo amin’ny hoe haka ny tanànan’Antananarivo hoe tsy hoe haka ny fananan’ny tanànan’Antananarivo fa hiaro ny fananan’ny vahoaka, hiaro ny fananan’ny tanànan’Antananarivo. Izay ny zavatra mikasika an’iny. Mikasika an’ilay hoe tany, eny Amboditsiry izay malaza,eny fa hatrany ivelany aza dia betsaka ny olona miantso ahy mikasika an’izy io. Satria voalaza marina fa zone tampon io. Izany hoe tsy afaka totofana. Ary izay indrindra no nahatonga ahy ankehitriny raha ny tananan’Antananarivo izay tsy nanome alalana ny fanotofana an’izany tany misy eny amin’ny digue izany. Mipetraka izany ny fanontaniana hoe iza marina no tsy manara-dalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakana ity.

J: Iah, mitohy ihany izany moa ny adihevitra. Tiako tsindriana kely izany Andriamatoa Ben’ny tanàna aoanatin’izao dinidinika samihafa izao. Mipetraka moa izany ny tery amin’ny lapam-panjakan’Iavoloha. Mipetraka ny hoe antoko politika. Azo eritreretina ve hoe afaka, tsy fantatro, valo taona, hoe mety hiova ho antoko politika ny Andry TGV?

A.R.: Ny TGV aloha dia nijoro tamin’ny heviny foana hatramin’izay. Hoe amin’ny maha-fikambanana azy. Ny fikambanana dia na misy olonaa mpikambana amin’ny antoko politika ka mitovy hevitra hampandroso ny fikambanana na ny foto-kevitra ijoroan’ny fikambanana dia hoe hampandroso ny tanànan’Antananarivo dia raisinay an-tanan-droa. Izay aloha izany ny voalohany indrindra. Ny hoe hiparitahan’ny… na hoe ny fomba anaovana ny TGV ho antoko politika dia ny tantara ihany koa no hilaza an’izany.

J: Iah, asa Andriamatoa Ben’ny tanàna, namana izay moa teo niteny an’ilay fanambarana na ny déclaration mety mbola misy zavatra azo hisintonana fanontaniana mantsy izay manoloana ny hoe inona ary ny fanambarana hoentin’ity Ben’ny tanànan’Antananarivo ity raha azontsika hidirana.

J2: Iah, marina izany Ismael hoe misy ny fanambarana amin’izao fotoana izao ary tsy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo ihany akory no nanao an’izay fanambarana izay. Tsara ihany ny maninry an’izay fa dia zavatra iarahana mipaika ny atao hoe fikambanana maro samihafa, ny syndicat io, ny mpandraharaha, ny antoko politika ihany koa eto amin’ny tany sy ny firenena manoloana indrindra ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Mivaky toy izao izay fanambarana izay: “Ny zava-misy mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny izay, izahay fikambanana ao amin’ny fiaraha-monim-pirenena: syndicats, mpandraharaha, antoko politika, ary fikambanana samihafa manao sonia etsy ambany dia manao izao fanambarana manaraka izao: Tafahoatra ireo tsy fanajana ny fahalalahana fototra eto amin’ny firenena malagasy ankehitriny. Voaosiosy ny demokrasia, noho izany dia potika tanteraka ny zo maha-olona ary tsy voahaja intsony ny hasina maha-Malagasy. Efa maro ireo fanambarana sy fitakiana, ary soso-kevitra nataon’ny mpiray tanindrazana. Maro rahateo koa ireo fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’I Madagasikara mikasika izay kanefa zary … ireny rehetra ireny. Noho izany: Melohinay tanteraka ny fanaovana jadona eto amin’ny tany sy ny firenena. Momba ny tsy fahafahana mivory sy maneho hevitra an-kalalahana (liberté d’opinion), momba ny tsy fahafahana miteny amin’ny haino aman-jerim-panjakana hatrany amin’ny tsy miankina ihany koa (liberté d’expression); momba ny fanelingelenana ny asa fanaovan-gazety (liberté de presse); momba ny fanaovana mizana tsindriana ila eo amin’ny fampiharana ny lalana velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Mazava fa ny mety ho vokatr’izany jadona izany dia fihenana na fanafoanana ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Izany koa anefa dia miantraika eo amin’ny lafiny samihafa eo amin’ny raharaham-pirenena, indrindra eo amin’ny lafiny toe-karena sy eo amin’ny fiainam-bahoaka andavanandro. Iaraha-manaiky fa isika rehetra dia samy sarotiny amin’ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eto amin’ity tanindrazana iombonana ity kanefa azo lazaina fa fanaparam-pahefana sy fanaovana jadona ny tsy famaritana mialoha ny toe-javatra izay lazaina hoe fihetsika na fiteny mampisavorovoro sy manakorontana ny saim-bahoaka. Ka manoloana izany, izahay dia manambara ampahibemaso ho ren’ny tany, ho ren-danitra fa tsy ekena intsony ny tsy fanajana na tsy fampiharana araka ny tokony ho izy ary koa ny tsy fiarovana ny demokrasia sy ny fahalalahana voalazan’ny lalam-panorenana sy ny fanambarana ny zon’olombelona. Koa noho izany dia takianay ny fanokafana ireo haino aman-jery rehetra nakatona noho ny antony lazaina fa manakorontana ny filaminam-bahoaka eto Madagasikara. Takianay ihany koa ny hahazoan’ny ankolafin-kery rehetra alalana hiteny sy haneho hevitra eo amin’io toerana io sy ny TVM. Tsy ekena intsony koa ny tsy fampitoviana lenta ny rehetra manoloana ny fampiharana ny zo sy ny lalàna. Aminay dia tsy tokony hisy mihitsy olona na antokon’olona na iza na iza ary na aiza na aiza izy ho ambonin’ny lalàna toy izay misy amin’izao fotoana izao fa raha mangataka alalana ny hafa mba ho afaka mandrakotra an’I Madagasikara eo amin’ny lafiny haino aman-jery dia tsy mahazo izany fa ny sasany kosa dia avela hanenika mora foana an’I Madagasikara na dia mifanohitra amin’ny lalàna aza izany ka lazaina fa fanandramana lava reny no ampiharina. Koa satria ny raharaham-pirenena tsy miandry ary ny fahalalahana fototra tsy azo hiadia-barotra, noho izany dia mitaky izahay nyfanatanterahana ireo fitakiana ireo tsy misy hatak’andro. Tompon’andraikitra isika vahoaka malagasy tsy vaky volo koa manentana ny rehetra handray ny andraikitra tandrify azy avy. Antananarivo, faha 17 desambra 2008.” Izay no vakin’ny fanambarana. Tsara ho fantatsika rehetra izany rehetra izany ary tsara ihany koa ny mampatsiahy fa dia tsy ny tananan’Antananarivo renivohitra irery akory no nanao an’izay fa fitakiana fototra niarahan’ny be sy ny maro ary miainga avy amin’ny ankolafin-kery maro samihafa manoloana ny tranga misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao.

J: Iah, Andriamatoa Ben’ny tanànan’Antananarivo, raha vakiana ilay fanambarana izay niarahanao tamin’ireo olona samihafa niara-nivory taminao, déclaration politique ilay izy, izany hoe fanehoan-kevitra politika moa izany raha jereko amin’ny ankapobeny. Izay mihitsy ve ilay tena mety tamin’ity fanambarana ity. Ianao manao sonia ao anatiny hoe Ben’ny tanànan’Antananarivo, maire-n’I Tanà, Andry RAJOELINA. Hay, tsy nanao sonia ianao izany. Nanao sonia ianao fa tsotra ilay… Hay, izay no saika anontaniako, azafady, Andriamatoa Ben’ny tanàna, tonga dia tonga taoan-tsaiko ilay hoe Andry TGV no tokony tao anatiny izany hoe efa nahitsinao. Déclaration politique, izay ve ilay tena mety Andriamatoa Ben’ny tanàna tamin’ity fanambarana ity?

A.R.: Ny voalohany indrindra aloha ilay izy tsy déclaration politique fa fitakiana mba ahafahan’ny be sy ny maro miteny sy maneho ny heviny eto amin’ny tanysy ny fanjakana. Faharoa, mba fanajan’ny tsirairay ihany koa ny lalàna. Ny lalàna dia natao ho an’ny olona rehetra fa tsy natao ho an’ny olona sasan-tsasany.

J: Ka ahoana Andriamatoa Ben’ny tanàna, mandeha izany izao ity fanambarana ity, aiza sy aiza avy no lalan’inyizany?

A.R.: Io fanambarana io izany dia alefa eo anatrehan’ny any amin’ny fitondram-panjakana isan’isany. Any amin’ny… tsy ho tononiko eto tsirairay izany fa dia ny fitondram-panjakana rehetra dia samy voakasika ny mahakasika ny fitakiana dia hahazo an’izany avokoa.

J: Ohatran’ny tiako hitondrana fanazavana ihany koa hoe raha ny vontoatin’ilay fanambarana izany izao saika nirona tany amin’ny resaka falalahana maneho hevitra, falalahan hiteny. Eo amin’izay sehatra izay ihany ve no tena hoe hiarahanao mitaky amin’ireo ilay … samihafa ireo, ilay sehatra samihafa ireo sa mety mbola hisy ihany koa endrika tahaka an’izao ho an’ny fitantanana ny tananan’Antananarivo manokana?

A.R.: Io moa izany dia ilay fitakiana dia niarahan’ireo olona rehetra rehetra nanao sonia. Fa amiko, tena voatohitohina sy voasakantsakana tokoa ny zo hiteny eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Dia io moa no fitakiana izay tsapanay fa izay no hoe nikasa izay tsy manavaka mihitsy aho ny foto-kevitra ijoroan’ny tsirairay avy. Ka foto-kevitra izay tsapanay fa tokony hotakiana izay falalahana miteny sy maneho hevitra izay eto Madagasikara.

J: Ataoko fa efa betsabetsaka ihany izay efa voalaza izay. Sao dia mbola misy itanao na tianao apetrapetraka Andriamatoa Ben’ny tanàna?

J2: Hono hoy aho, Andriamatoa Ben’ny tanàna, izaho moa teo niteny hoe ohatran’ny déclaration politique no fahitako an’ilay izy amin’ny ankapobeny manaitra ihany izany ery aloha ilay hoe misy fiaraha-monim-pirenena tao, misy syndicat ary misy mpandrahadraha ankoatra ny antoko politika. Ianao ve Andriamatoa Andry RAJOELINA manana ambara manokana momba ny asa fandraharahana eto Madagasikara. Ianao rahateo ao anatin’izay sehatra izay mialoha ny naha Ben’ny tanàna anao, anisan’ny mba nodinihinareo niaraka tamin’ny mpandraharaha ve zava-misy iainan’ny asa fandraharahana ankehitriny?

A.R.: Zavatra ankehitriny anie dia betsaka ireo mpandraharaha malagasy izay mikaikaika. Iaraha-mahalala izany. Indrindra ny tokony zavatra ohatrany mampametra-panontaniana ny hoe ty Madagasikara ity na ity tanànan’Antananarivo ity dia tiantsika handroso dia tokony mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana tandrify azy ny olona tsirairay avy. Eny fa ireo mpandraharaha malagasy indrindra indrindra. Satria tsara jerevantsika hoe aiza marina ny lalana alehantsika. Satria fantatra fa sahirana dia sahirana ireo mpandraharaha maro eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nefa dia betsaka amin’izy ireo no manana tsy fahasahiana na mionona fotsiny amin’ny zava-misy. Ka ny fifampidinihana dia efa misy, ny fifampiresahana amin’ireo mpandraharaha maro, dia matetika moa ilay izy dia any ary no mahatonga an’ilay hoe taraina. Satria rehefa mijaly ianao, ka tsy miteny, dia izay no atao hoe mitaraina. Fa raha miady kosa ianao, dia tsy mitaraina.

J: Fanontaniako farany angamba Andriamatoa Ben’ny tanàna dia hoe raha ho tsorina ilay resaka, ohatran’ny efa misy kisarisary ve mandeha mankany amin’ny resaka hoe amin’ny lafiny ilany misy miteny hoe ohatran’ny mipetrapetraka amin’ny vanim-potoana 2001 izany dia vanim-potoana lalovana. Amin’ny lafiny ilay indray nefa misy kisary anakiray miteny hoe ny 2012 no efa lalan-kitan’ity raharaha misy ankehitriny ity. Nanana crise ny mpanohitra teo alohaloha teo, eo amin’ny resaka hoe filoha mpitarika, guerre des chefs, sns. Lasa tahaka ny rasam-bololona Andriamatoa Andry RAJOELINA satria nanodidididina teo akaikinao avokoa ny ankamaroan’ireo tsy mitovitovy hevitra tany aloha. Mitana an’izay toerana maha rasam-bololona izay tokoa ve Andriamatoa Andry RAJOELINA sa ianao no tena miantehitra amin’ilay hery sa ilay hery izany izao no tena miantehitra aminao?

A.R.: Ny fanontaniana angamba hoe zavatra tsara ho fantatsika rehetra dia fitakiana no iarahana amin’ireo ankolafin-kery samihafa. Ary ny zavatra tena nampalahelo ahy tao anatin’ilay izy moa dia hoe nivory tamin’ireo olona manao sonia rehetra ireo dia hoy ry zareo hoe “izahay anie efa ela no nitaky e! fa tsy nohenoina” Dia hoy aho hoe fotoanany izao izany hanambarana ny hery ary mametraka fanamby isika fa hisy hihain amin’izay. Izay izany aloha no tanjona voalohany. Hoe mba henoina ny fitakiana. Izany hoe isika izany izao tsy mbola any amin’ny resaka hafa mihitsy. Izany hoe mba hisiany valiny ny fitakiana, izay nio zavatra ho atao sy ny tanjona ho tratrarina.

J: Somary marina ihany Anriamatoa Ben’ny tanàna ny fanontanian’Ismael teo satria raha ohatra tokoa ka jerentsika hoe ny zavatra misy eto Antananarivo izany amin’izao fotoana izao dia tahaka ny mifanindran-dalana ihany amin’ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, misy ny mampivondrona hery maro samihafa. Ny FFKM ohatra dia miantso ny amin’ny hisy fifampiresahana andinihana ny lafiny sosialin’ny mponina amin’ny ankapobeny mihitsy dia vao tsy ela akory izay dia nisy indray koa ny FCD izay hoe hanangana ny cellule de crise ao anatin’izay ny ben’ny tanànan’Antananarivo ihany koa dia miantso, miaina amin’ny zavatra mahazo azy. Raha ohatra ka ny cellule de crise andriamatoa Ben’ny tanàna no resahina dia zavatra mitranga izy io satria efa tena hoe tojo vanim-potoana somary mafanafana ny firenena amin’ny ankapobeny. Ahoana ny fahitànao an’izay?

A.R.: Ny fahitako an’izay dia efa betsaka loatra ny zavatra tsy aritra. Efa betsaka loatra ilay zavatra miseho eto amin’ny tany sy ny fanjakana mahatonga ny olona hikiakiaka, mahatonga ny olona hitabataba, satria io tsy hitabataba fotsiny amin’izao ny olona. Ary matoa ilay izy misy fiantraikany, misy akoakony be, dia ao raha hoy ny fitenenana.

J: Ety am-pamaranana Andriamatoa Ben’ny tanàna, sao dia tsara ampatsiahivina kely ihany ny mikasika an’ilay délais nomenao ny amin’ny fitakiana mialoha ny tena hamaranana ny fandaharana?

A.R.: Iah, ampatsiahiviko kely moa izany dia amin’ny faha 13 ny volana janoary dia miandry valin-teny. Valin-teny tiako tenenina …amin’ny fangatahan’ny be sy ny maro izay nanao sonia tao anatin’ny fangatahana izahay. Ary eto am-pamaranana dia misaotra antsika rehetra avy amin’ny fanaovan-gazety maro isan-karazany, ny radio Antsiva, ny RDB, ny radio Don Bosco, ary ny mpiara-miasa rehetra koa ny ianareo ato amin’ny VIVA dia mirary fety sahady ho antsika rehetra mba hanao krisimasy sambatra ary samy ho tratry ny taona vaovao 2009.

(Tapitra…)

Ny tontolon’ny asam-panjakana Malagasy

Fony vao niditra niasa kelikely tamin’ny orinasa iasako ankehitriny aho (orinasam-panjakana) dia nahita fomba fiasa sy fanao tsy mety (tsy mifanaraka amin’izay tokony hampandeha tsara ny asa). Zava-poana anefa ilay eritreritro hanatsara zavatra satria sady tsy nety natoro, no tsy nety nanitsy tena ity lehibeko. Taty aoriana dia zendana aho nahalala fa ity izaho nandalo ny Anjerimanontolo anie ka baikon’ny olona tsy manana afa-tsy CEPE (ilay cadre ambony mibaiko ahy). Vitany mihitsy aza taty aoriana ny niteny fa tsy ilaina izay fianarana, fa izy jerena, tsy manana afa-tsy CEPE nefa sefo. Koa hahagaga ary ve raha tsy mandeha amin’izay tokony ho izy sy araka izay andrandraina ny asam-panjakana e? Jereo anie ireto tarehi-marika ireto e:

Nivoaka ihany ny marina tamin’ny gazety iray novakiako androany (MADAGASCARA Laza N°1087 – 11 juillet 2008, fa ny 50% amin’ny mpiasam-panjakana dia tsy manana ny maripahaizana (diplome requis) amin’ny toerana omena iandraiketany.

Raha toerana ilana maripahaizana Maitrise no mihoatra, dia 69% amin’ireo mitana izany no ambany lavitra noho izany no dingana vitany teo amin’ny fianarana.
Raha asa ilana maripahaizana BACC dia 33,8% amin’izay mitana izany andraikitra izany no tsy manana ny maripahaizana tokony hitazonana ny toerana
Raha toerana ilana BEPC farafaharatsiny, dia 51% amin’ireo mitana izany toerana izany no tsy manana io maripahaizana io.
Raha toerana ilana CEPE dia 47% amin’ireo olona miandraikitra ny asa ilana izany no tsy manana maripahaizana mihitsy mifandraika amin’io.

Ekena tokoa fa misy ny olona tsy manana ilay maripahaizana, nefa rehefa miezaka sy mamola-tena eo mandritry ny fotoana ela dia tonga mahafehy tsara ny asany, raha ny mifanohitra amin’izany kosa no ankamaroan’ny tranga hita.

Ireo antontan’isa ireo dia nalaina avy amin’izay naroson’ny Fonction Publique (Asam-panjakana)

Andanin’izany anefa dia betsaka ireo olona manana maripahaizana ambony no lasa mitondra Taxi, Taxi-be, na mirotsaka amin’ny sehatra hafa tanteraka, tsy liana afa-tsy ny maripahaizana farany ambany mihitsy noho ny tsy fahitana toerana. Hay va re ka ny toerana tokony ho azy ireny sy tokony hitondrany fampandrosoana ho an’ny firenena ka dia dongian’ny sasany tsy alehany akory. Aza mahavoa ny goavy manta!

Tsy mahagaga araka izany raha mahazo vahana koa ny kolikoly satria , ny tsy mahay tsy maintsy manambitamby ny mahay mba hampandeha ilay asany, sao rakatra eo ny fika rehetra, dia mitohy hatrany toy izay ilay ‘chaine’ mandra-pahavitan’ny zavatra ho tody hatramin’ny farany.

Mba rahoviana re no hahitantsika mpiasam-panjakana mendrika, marina, mahavita azy sy matihanina amin’ny asany eto Madagasikara e? Sady tsy tohatohanana sy apetrapetrak’i dadatoa sy nenitoa etsy sy eroa fotsiny ?

REMISE DE PRIX FOKO

Vita soa aman-tsara tanaty ambiance familiale ny fanolorana loka avy amin’ny FOKO Blog Club, natao teny amin’ny URBAN CAFE teny Ampasanisadoda. Nanatrika ny fihaonana teny i Tosoa, Glou (filoha mpitarika ny Namana Serasera Dago), Blanche007 (Namana Serasera Dago), Rmstephy (Namana Serasera Dago sady mpitoraka blaogy zandriny ao amin’ny Foko), Patie (Foko), Tantely (Foko), Stephane (Foko) SIPAGASY (nisolo tena ireo namana any am-pita), vazaha vitsivitsy tsy fantatro anarana, Ravatorano (zokibe ao amin’ny Namana Serasera Dago), Nombana (Foko), mpanao gazety avy ao amin’ny Les Nouvelles.
Isaorana anareo mianakavy nikarakara ny zavatra toy ireny (mivantana manokana ho an’i Jogany, Lova, Mialy, Harinjaka, Sipagasy – ary ialàna tsiny raha misy tsy voatanisa), ary isaorana eto koa ny Namana Serasera Dago izay loharano nipoiran’ny tena rahateo. Samia ho tahian’Andriamanitra ary haharitra ela eto amin’ity sehatry ny fitorahana blaogy ity. Izay sehatra ahafahana miteny malalaka tsy misy sivana (Ny tenanao ihany no mpanivana mantsy e!).

FAHATSIAROVANA

Fahatsiarovana

60 taona no lasa
ka avia ary dia mba tsahivo
tamin’zany no kila sy may
‘lay lapan’Antananarivo

Ory ny fon’ny vahoaka
nahita ireo dona-tsetroka.
Any anatiny mangorohoro
te-hitroatra ary koa sempontsempotra.

Vetsovetson’ny fo tamin’izany,
ny sisa mba reko tety
hoe rahoviana vao mba hisy indray
ny ho solon’ity lapa ity?

Kinanjo fe ankehitrirny
tsy nisy izay nanelingelina
nijoro ilay Andrin’Iarivo
nitsangana ilay RAJOELINA.

Nampian’ireo mpanolotsaina
mitafy ny fanantenàna
hanorina iray vaovao
ho lapan’izato tanana.

Dia lapan’ny tanàna mijoro,
voakaly sy manara-penitra,
manaraka ny toetr’andro
no tsara tarehy sady mendrika.

Ny asa rehetra avy eo
dia ho fanasoavam-bahoaka
mitana ny marina hatrany
ho lavitr’izay ampamoaka.

Dia lapan-tanàna hanehoana
ny marina miharihary
ka ny fomba fiasa himasoana
dia ny asa fa tsy mba kabary.

‘ty toerana hasiana azy indray
no aoka hasiam-pitenenana
fa tena kianja mitandro
an’ilay fandriam-pahalemana.

Tsy kianjan’ny ramatahora
na fidinana an-dalambe,
fa kianjan’ny fifankatiavana
ary izany no hatao rehareha.

Dia kianjan’ny firaisankina
ekena tsy misy fandàvana
satria Malagasy miray
tsy misy mifanavangavana.

Ka raha 13′ny mey
no lavenona ilay teo aloha
dia ny 17′ny mey
no hajoro eto ilay faharoa.

Ka ny dinan’ny mpifankatia
no dina hifanaovana anio,
tsy ho fihatsaram-belatsihy
fa ekena amin’ny fo madio.

Ny tanjona hany tratrarina,
no sady hiaraha-mitazana,
dia ny hasin’Antananarivo
renivohitr’ity tanindrazana.

Andriamanitra Ray ao ambony
anie hitahy an’ity fikasàna
hamita ary koa hampijoro
ny lapan’izato tanàna

Nosoratan’i RADO (georges ANDRIAMANANTENA), ary novakiana imasom-bahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13 mey nandritra ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny vatofehizoron’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo hajoro manombokoa ny ampitson’io, mba ho solon’ilay efa may, 36 lasa izay

AZA MAHAVOA NY GOAVY MANTA

Misy aminareo namako no mahalala fa nampiantrano tra-boina tamin’ireny rivo-doza Ivan ireny izahay. Nisy fotoana anefa nirodana ny ampahan-drindrina tamin’ireo trano roa nandraisana  ireo tra-boina. Tsy maintsy nifanarahana tamin’ny tompon-trano nifanila izay niantefan’ny an’ny tena ny fanamboarana ny zavatr’olona, izay mbola eo an-dalam-pamitana ankehitriny.
Fa izao indray tamin’ny Zoma talohan’ny fetin’ny Pentekoty teo dia maty ilay ramatoabe tao amin’ilay fianakaviana kely faharoa. Olona sahirana ara-pivelomana moa ireto olona ireto satria rangahy mpanao asa an-tselika, ary ramatoa renin’ny ankizy kosa  mpamafa lalana ao amin’ny fivondronana. Iarahan’ny rehetra mahalala tsara fa na ny Zones Franches aza ankehitriny dia mismisy ihany ireo manala mpiasa (Floreal ohatra).
Fa izay tena goavy manta amin’ny tantara dia ny nahazo anay mivady. Tonga nampandre ny fahafatesana taty an-tranonay ny zanaky ny maty ny Alarobia vao maraina be. Nilaza ry zareo fa ny Sabotsy amin’ny iray ora no miala ao an-tanàna ny razana. Koa satria moa ny tena tsy eto an-tanàna raha tsy efa alina ny andro, noho ny anton’ny asa, dia nanapa-kevitra ny hamangy rehefa Zoma hariva. Novidiana ny lambamena hatolotra ireto fianakaviana mahantra (miala tsiny sao misy mandray io teny io amin’ny fomba hafa fa tena izany mihitsy no toerana misy azy ts’inona). Roso ny dia niala an’Andravoahangy ho eny Ambohimanarina ,nony tonga avy any Ambohimanambola aho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tonga tany an-toerana nanodidina ny tamin’ny enina mahery kely teo. Ireo fianakaviana koa amin’io fotoana io tena mbola vory tanteraka tao an-tanàna, ary mipetraka ao an-tokantrano toy ireny mana-manjo rehetra mbola miandry mpamangy ireny.
Nisy nanontany ary izahay nony tonga teo am-bavahady (olona tsy nahalàla anay rahateo no niandry teo). Rehefa nilaza izahay fa hamangy ny mana-manjo (izahay rahateo tsy nitonona mihitsy hoe ny tompon-tanàna), dia nampandrosoina. Natao ny famangiana, toy ireny hoe mbola am-bohitra ireny ny razana. Natolotra ny vola sy ny lambamena.
Rehefa vita izay rehetra izay, ka nivoaka izahay mivady vao notsenain’ny zanakalahin’ny maty tany an-tokontany, sy nilazana fa vao tonga avy nandevina an-dreniny ireto fianakaviana.
Sanganehana tanteraka izahay ary tsy nahita izay havaly sy hatao intsony satria mbola saiky hiala tsiny noho ny tsy hahafahana mandevina ny Sabotsy (samy mbola hamita asa mantsy amin’io andro io)no sady tsy afaka tonga aloha ihany koa namangy sy nitondra izay mba fanampiana azo natao, na dia isan’ireo olona nilazana voalohany aza.
Namaly anefa ilay zanany fa tsy misy ny tsiny satria izy ireo no tsy  afaka nampilaza ara-potoana intsony noho ny dokotera no nanery azy ireo handevina haingana ny razana fa tsy azo tazonina ela intsony (Narary fo mantsy ilay ramatoabe ka efa ela tokoa no nivonto be ny tenany, tsy nahita ny masony ary nanjary tsy nahare intsony koa ny sofiny, ary dia nentiny mandra-maty ireo rehetra ireo).

Na izany aza,  “Aza mahavoa ny goavy manta” toy izany ry zareo fa tena …….

Tsy tompon’andraikitra

Omaly alina dia nisy fiara nirimorimo teo anoloan’ny Look’s Andravoahangy. Nifaoka tovolahy iray izy tamin’izany ary tao anatin’ny fandosirany dia mbola nandona fiaran’olon-kafa koa. Ny tsy nampoiziny anefa dia nirohotra nanenjika azy ny lehilahy teo an-tanana rehefa nahita fa vaky ny kodiaran’io fiara nandona io ary latsaka koa ny takelaka nisy ny laharan’ilay fiara. Tratra tany alohaloha tany ranamana. Ilay tovolahy kosa namoy ny ainy na dia saiky ho entina hialana nenina teny amin’ny hopitaly aza.

Mirary fiononana ho an’ny fianakaviana.

Maniry koa aho momba ny mpamily rehetra, mba hahay handray ny andraikiny amin’izay vokatry ny nataony fa tsy hitsoa-pahana toy izao foana rehefa mahafaty olona. Betsaka mantsy izay lozam-pifamoivoizana efa nahafatesana olona izay, nefa dia lasa nandositra ireo nahavanon-doza. Maro amin’izy ireny no mbola karohina fatratra amin’izao fotoana.

Manentana ny olona akaiky azy ireny ihany koa mba hanoro hevitra azy ireo hitolo-tena amin’ny mpitandro ny filaminana, satria na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho hita ihany. Koa tsy aleo ve tonga dia mitolo-batana e!

Tra-boina ao Anosizato Andrefana

Nandalo teny amin’ny toby andraisana ireo tra-boina eny Anosizato Andrefana aho ny sabotsy (23-02-2008) maraina teo. Nanatona tao amin’ilay birao misahana sy manara-maso azy ireo izay tsy lavitra ilay toby fa eo anila eo ihany. Lehilahy roa no tao ary dia napetraka ny fanontaniana. Tsy nandà ny hamaly izy ireo saingy ilay fomba famaly kosa no nahavariana. Misy trano lay ampolony eo eny amin’ity toerana ity, ka telo no lehibe (UNICEF) ary ny sisa kosa dia kelikely miloko manga. Raha nanontany ny amin’ny isan’ny olona raisina an-tànana eo amin’ity toerana ity aho dia tsy mazava ny valinteny fa nolazaina fotsiny hoe “fianakaviana eo amin’ny 15 na mahery kely eo no anatin’ny trano lay miloko manga iray, nefa angatahanay ianao mba tsy hilaza izany fa manàla baràka antsika Malagasy.Ataovy eo amin’ny fito isaky ny trano lay eo“. Nolazaiko mantsy fa tsy ho an’ny eto an-toerana ny sary sy ny vaovao fa ho an’ireo Malagasy any am-pita. Zendana aho satria ahoana moa no ahafahana manao fanampiana mifanentana amin’ny zava-misy raha toa ka afenina toy izany ny isa tena marina. Fokontany enina avy ao anatin’ity Commune rurale Anosizato Andrefana ity no sahanin’ny toby. Efa manomboka miseho ny aretina toy ny fahasemporana izay voatery nampidirana hopitaly zaza iray, eo koa ny kohaka sy ny tazo ary ny aretin’ny vanin-taolana.

Ny tena loza dia ity: tsy hitako teny hoe aiza izy ireo no mivoaka sy midio. Olona sendra nanontaniako teo an-toby no nilaza fa dia eny amin’ny takontakona eny no manao fa tsy maharaka ny foto-drafitrasa momba izany. Eo koa ny fampiasàn’izy ireo ny rano avy amin’ny tanimbary eo akaiky eo amin’ny fiainana andavanandro. Na hidiovana sy hanasana lamba izany , na hanaovana sakafo.

Trano lay 50 hatramin’izao no fantatra fa nomen’ny BNGRC ho an’ny tra-boina miisa eo amin’ny 20.000 latsaka kely eto Antananarivo. Raha atao ny salan’isa amin’io dia manome hoe trano lay 1 ho an’olona 400. Izay mba afaka namonjy fianakaviana, na olom-pantatra moa dia arahaba soa, arahaba tsara. Fa ho an’ireo tsy afa-manoatra kosa dia ny fotaka, ny hatsiaka sy ny loto no iainana isanandro mandra-pahita izay tsaratsara kokoa noho ny anio.

accueil_sinistre_ivan02.jpg

Mandalo matetika ao amin’ity toby ity ny Croix Rouge mitondra izay toro-hevitra tokony hampitaina, sy mizaha ny fahasalaman’ireo mila izany. Isaorana azy ireo izany. Misy ihany koa ny mpisahana manokana ny fandriampahalemana ao (agents de sécurité) izay sady manampy ny olona ihany koa amin’ny fananganana ireo trano lay. Na ny làlana mitondra anao ho any amin’ity toby ity fotsiny aza dia efa fotaka mandrevo tsy misy toy izany. Bisikleta moa no nampiasaina ka dia mibolisatra lava eny eee!

Na dia eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy misakana velively ny tsiky sy ny fanantenana tsy hisoritra eny amin’ny endrik’ireto Malagasy tra-pahavoazana ireto . Malagasy izay manantena ahy, miandrandra anao, miandry antsika rehetra. Na dia teny fankaherezana kely fotsiny aza mantsy dia efa fisaorana mitafotafo no andraisan’izy ireo izany. Tsaroako eto ilay ramatoa be nangataka izay mba azo atolotra hividiany kafe. Ranombavaka sy tso-drano no takalon’ilay Ar200 kely taty ampaosy nomeko azy. Dia avy daholo koa ny sasany sao mbola mba misy anjarany angamba.

Nifandrombahana avy eo ny nijery ny sary sy ny video avy nalaina. Fifanosehana re izao. Raha mba tany mantsy ianao, angamba mbola ho hafa noho izay ny fifalian’izy ireo.

Azonao atao ny mijery izany sary izany ao amin’ny www.flickr.com/photos/23374141@N04

Izay marary andrianina

Andro iraisam-pirenena ho an’ny marary ny 11-02-2008. Voalàza fa mamono olona an’aliny maro manèrana izao tontolo izao ny SIDA. Dia dradraina koa izany eto Madagascar. Indraindray àza, na ny marina kokoa, dia rakotr’io aretina iray io ny momba ny aretina hafa. Tsy miafina amin’ny maro anefa fa isan’ny tena mahafàty olona maro eto Madagasikara sy eran’ny Afrika, angamba koa aza mbola lasa toerana lavidavitra noho izay, ny aretina tazomoka (paludisme), ny fivalànana sy ny hafa. Samy tratr’izany avokoa, na faritra aiza na faritra aiza, na sokajin’olona toy inona sy sokajin-taona manao ahoana.  Tsy resahana intsony moa ny tsy fahazakàn’ny maro ity rivotra maloto mandrakotra an’Antananarivo isan’andro ity, ka na mitondra areti-maso, na mitondra aretin-tratra ho an’izay mareforefo.

Tsara aloha ilay mahatsiaro ny marary amin’ny andro iray toy izao, fa amiko ny fahatsiarovana azy isan’andro sy ny fisorohana ny aretina tsy hamely azy sy ny hafa intsony no tena lafatra.

Isan’ny tena hitako ho maika ohatra ny fanatsaràna ny foto-drafitrasa

Ndeha ho tantaraiko anao izay nahazo ahy tany amin’ny taona 1998 tany, ary mbola niainan’ny maro taona maro taty aoriako.

Voan’ny peritonite aho ary tsy maintsy hanapàhana ny tsinaiko raha mbola te ho velona hoy ny mpitsabo roa izay nanara-maso ny fahasalamako. Teny amin’ny HJRA aho no nalefa maika tamin’izay. Amin’ny valo ora aho no tonga tao, nefa tsy voaray raha tsy ora telo taty aoriana. Ny antony dia efa lasa nody daholo, hono, ny mpiandry raharaha (infirmiers de garde) nandritry ny alina. Sendra handeha hody indrindra anefa ilay mpandidy iray ao anatin’ny tarika mpihira malaza iray fantatry ny maro iny no nahita ny fahoriako teo an-dalantsara ka nitsetra. Notsapainy aho ary dia nikoràpaka izy nitady efitra hampidirana ahy. Nandritra izany anefa dia nandalo teo ambany masoko ny latabatra fanosika sy fitondrana ireny fitaovana fandidiana ireny.

Niverina tsy nahita efitrano ity mpandidy, ary ny hevitro kosa efa tapaka fa tsy hijanona ao amin’ity hopitaly ity aho. Tsikaritro teo ambonin’ilay latabatra mantsy ireo fitaovana fandidiana efa nisy harefesenina (rouilles). Hoy aho, any anatiko any, hoe “Ny kiboko ve hosokàfana amin’ny fitaovana maloto toy ireny ? Sanatria! Dia nangata-tsodrano taminy izahay handeha ho eny amin’ny HOMI (ex-Girard et Robic).

Efa tsy navela nisakafo intsony aho nanomboka ny marainan’io andro io. Ny hanoanana efa namely mafy mihitsy.

Tonga soa aman-tsara teny amin’ny HOMI  àry aho, ary dia niandry Bloc opératoire hatramin’ny dimy ora hariva  fa tonga, hono, dia hatao. Nifandimby teo anefa ny ora ka tonga ihany ny tamin’ny fito ora sy sasany hariva. Tsy mbola niditra ihany aho ary dia nasaina nisakafo fa ny ampitso indray, hono, vao tsy misakafo maraina. Nolazaina fa anjarako mantsy  ny miditra Bloc vao maraina.

Lazaiko anao fa tena mafy kay ilay tsy mihinana sakafo iray andro manontolo. Fa na ny zavatra tsimponin’ireny lazaintsika fa 4′mi ireny aza dia satrinao hosintonina eny an-tànany. Izany no tsapako rehefa nitazantazana avy eo am-baravarankelin’ny HOMI aho nandritra iny andro voalohany iny.

Vita soa aman-tsara ary ny fandidiana ahy ny ampitso. Ary navela haka aina andro vitsy tao amin’ity efitra tsara tarehy nandraisana ahy ity aho.

Ho fanohizana ny fitsaboana anefa, satria nisy otrikaretina tuberculose mpamely manokana ny tsinay nahazo ahy (ny aretin’ny tratra “tuberculose pulmonaire” ihany, hono, no mifindra fa izy ity kosa tsy mifindra , toy izany koa ny mpamely ny taolana) dia nalefa nifindra efitra teny amin’ny Pavillon Roque aho. Ao amin’ny HOMI ihany izy io. Ny nahatongavako tao koa no ela dia nangataka ny hivoaka aho ora vitsy taty aoriana, fa naleoko nanao hopitaly an-trano. Ny antony indray teto dia ny fahadiovan’ilay toerana mihitsy (nefa hopitaly an!). Mankany amin’ny W.C. aza ianao dia voatery mitondra elo satria mitete ny tafo (nefa ao anaty trano ihany), sns… Ny fanafody indray aloha dia naharaka tsara, ka dia tonga fotsiny aho maka ny anjarako isan’kerinandro.

Tsara hoy aho ny mahatsiaro ny marary amin’ny andro iray, fa tsara kokoa ny manampy ny olona tsy harary.

Ny aretina anefa tsy maintsy hisy, satria ny olona tsy maina fa lena. Ary rehefa marary dia enga anie ho tanteraka ilay fiteny Malagasy feno fahendrena hoe ‘IZAY MARARY ANDRIANINA”. Fa tsy hitanty vava ratsy sy kitakita avy amin’ny mpitsabo ny tambanivohitra sy ny tsy manambola.

Lazaiko eto koa fa fony izaho narary teny amin’ny hopitaly, dia mandoa vola amin’y mpamafa trano ianao raha te ho voavangy matetika sy hitan’ny kofafa ny efitra misy anao. Izany hoe rehefa tsy misy ny vola dia eo ianao no raisina araka ilay fomba  fiteny. Ny halatra ambony latabatra momba ny fanafody moa dia tsy lazaina intsony. Tadidiko tsara fa vola be no lany tamin’ny fanafody talohan’ny nidirako ny bloc fandidiana. Nefa nony vita ny fandidiana ka nojeren’ny fianakaviako ny fanafody nampiasaina, toa tsy nisoratra tao ny maro, ary ny ambiny aza mbola dongian-dry zalahy ho azy. Ny tena moa tsy te-hahita loza satria teo ampela-tànany ny aina, ka dia nangina.

Hay ireto fanafody giazany ireto ka miverina amidy an-tsokosoko amin’izay tena mila azy, na koa mànana toeram-pitsaboana azy manokana (cabinet medical na clinic prive) ry zalahy ka any no avily ny notangosana tsy andrariny tamin’ireo marary marobe.

Dia ahoana ilay voady fanaon’ny mpitsabo alohan’ny handraisany ny akanjony e? Ny sasany anefa raha dondoninao amin’ny alina, na dia olom-pantatra izao aza, dia mandà mafy hoe “aleo rahampitso fa efa alina be ny andro, tongava maraina”. Efa nahazo ahy koa io an! Amin’izay misasak’alina. Dokotera teo ampitan’ilay trano be fonenan’ny miaramila eo Antaninandro izy io.

Sa nivoady koa izy ireny fa tsy mamonjy rehefa alina, fa amin’ny antoandro ihany no fanaovana asam-pamonjena? Toa misy marina ampahany ihany anefa ny azy raha ny resaka tsy filaminan’ny tany ama-monina no lazaina.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny marary, hoy ianao!!!! Asa lahy!!!!

Elanelam-panahy

Zavatra isan’ny manahirana ankehitry ny miteny, na mitondra teny. Indrindra fa raha resaka raharaham-piaraha-monina no andraisanao anjara. Miteny tsy mety ataon’ny mpanohitra ianao dia sokajiana ho olon’ny mpitondra, milaza ny kivalavala ataon’ny mpitondra indray ianao dia lazaina fa hoe mpanohitra. Izany hoe bedy ianao raha vao mitoetra eo anelanelany. Fa na ho tezitra aza aloha ianao mamaky io na hibedy ahy, dia izay tiako ihany io. Metimety ny ataon’ny ankaviako, dia miara-miasa aminy aho, rehefa tsy lanin’ny vavoniko kosa dia kianiko. Dia toy izay koa ny ao ankavanako: manao ny tsara izy dia tohanako, mitady hivarina an-kady dia ahitsiko. Fa izay sarotra anarina kosa kapohako. Mijanona eo afovoany mandrakariva aho izany. Na ho bedy aza! Izay no tiako tsinona k’ah! Raha mety moa hoe izy roa mihitsy no hampiaraka amiko dia sakambiniko amin’ny tanako havia ny mpanohitra, ary entiko amin’ny tanako havanana ny mpomba, satria samy Malagasy daholo anie ireo e! Io tsy fahaizana mampandefitra hambom-po io no hitako ho kilema ratsy eo amin’ny ankabeazan’ny olona. Tonga dia misotro fotsiny ny “Halako hatramin’ny tsinay maintiny”, dia izay. Ka na inona na inona hevitra, na zavatra tsara entin’ilay tsy nitovy firehana tamin’ny tena, dia “tsia” avy hatrany foana no asetry azy.Mba tiako ho hita ny fomba fisainan’ireny olona ireny raha apetraka ambony nosy kely iray anivon’ny ranobe feno voay: olona roa tsy mitovy fihevitra atao anaty lakana iray tsy misy afa-tsy fivoy roa,ny rano koa amin’io lalina tsy takatr’ilay hazo fitondran’ny mpaka fasika ireny. Ny lalana mody anefa tsy maintsy asiana olona. Dia ahoana? Hiara-hiakatra ao anaty lakana, hifanampy hivoy, sa hamela ny iray ho lanin’ny voay fa “raha maty aho, matesa rahavana”, sa ahoana? . Enga anie ka mba hahita ny marimaritra iraisana, ka ny lakana hisosa (ny lakana eto dia anehoako ny firenena, na dia hiadana fisosa aza), ary ny olona tsy hisy ho faty (ny olona kosa indray dia ny mpanohitra, ny mpomba ny fitondrana, ny valalabemandry).

Gaga angamba ianareo hoe inona no anton’ny lahatsoratra. Tsotra fotsiny: mahita ireto mpilaza vaovao mpomba ny fitondrana, mandranitra fotsiny ny saim-bahoaka ireto isan’andro aho ka leo, tena leo! Misy dia tsy manana hatao isan’andro afa-tsy ny mamorona lahatsoratra hamelezana na hanaratsiana an-dranona sy ranona. Fa mba rahoviana ilay fisainana hoe “esprit critique”, sy “critique constructive” vao ho hainareo mpanao gazety ireny ampidirina sy hitaizana vahoaka e? (Tsy ny mpanao gazety rehetra kosa aloha no kianiko eto an! Aoka hahatsapa tena izay tokony hahatsapa tena). Sa dia izany tokoa no fomba filalao ity politika ity fa izaho no tsy mahay? Izaho mantsy tsy mpilalao io taranja iray io, koa aza gaga raha tsy haiko hatramin’ny fitsipi-dalao.

Ny any aminay

Mba Tantarao anay ny any aminay

(azonao alaina ny sary eto raha toa ka tazoninao manokana ho anao, na ampanarahinao azy ny momba azy tsy novàna fa tsy ampiasaina amin’ny zavatra hafa tsy nakàna alàlana mialoha. Misaotra) 

EFA MIPETRAKA ATSY AMIN’NY SISINY HAVANANA NY SARY REHETRA RAHA MISY TSY METY MISOKATRA ETO. MISAOTRA)

* Ka inona ary anefa no ho tantaraiko e ?

 _ izay azo tantaraina ihany k’ah! 

 Sa dia aleo ny diako nanomboka teto Antananarivo hatrany Mahajanga sy Ankarafantsika no hotantaraiko anareo, miampy ireo fiovana goavana nisy tamin’ireo tanàna nolalovako (na endrika io na toe-tsaina). Ary koa ny fahaizan’ireo olona ho hitanao an-tsary ato nifanampy mba hahitan’ny ankohonany fialantsasatra finaritra sy mora vidy. Tany aloha tany dia olona tsy nifankahalala ny rehetra mandray anjara ato anatin’ity tatitra ataoko ity. Mpifanoratsoratra amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisna (internet) fotsiny. Rehefa ela nifaneraserana tao anefa dia nitsiry tao an-tsain’ny sasany ny hoe hihaona mivantana, fa tsy ho any ambadiky ny ecran foana. Nanomboka teo àry dia nihaona mivantana ny vitsivitsy (isaky ny misy azo anaovana izany sy raha misy antony ihany koa). Nitombo an-dàlana teny ireo ary dia lasa maromaro. Farany dia tapaka fa hatsangana ho fikambanana ara-panjakana mihitsy ilay fiarahana kely nipoitra avy amin’io. Manòmana hetsika isan-karazany saiky isan-taona ny mpitantana mba tsy hifanary ny efa ao anatiny ary mba hitaonana ny hafa ihany koa, Koa isan’ny fandaharana asa efa fanao isan-taona (volana Febroary) ohatra ny fambolen-kazo any Andranovelona miaraka amina fikambanana mpiaro ny tontolo iainana (Mila Soa). Tsy adino koa ny mifanotrona amin’ny zavatra rehetra tokony hisian’izany (na an-kafaliana io na an-karatsiana).Nanapakevitra àry izy ireo tamin’ny volana Aogositra 2007 teo mba hitondra ny mpikambana sy ny ankohonany hisintaka kely an’Antananarivo, ka nofinidy tamin’izany i Mahajanga. Vitsy tokoa mantsy amin’izao fotoana izany fianakaviana afaka mitondra ankohonana ho any amorontsiraka izany. Tsy noferana ny isan’ny olona izay handeha fa nisy fandraisana anjara kely tsy maintsy natao isan’olona.Natao indrindra tao anatin’ny fotoam-piatoana lehibe (grandes vacances) ho an’ny mpianatra izy io, mba hahafahan’ny rehetra mandositra ny tabataba, ny rarin-tsaina (stress) sy ny rivotra maloton’ny renivohitra, ka hianoka filaminana sy rivotra madio, ary mba hahita tontolo hafa tsy toy ny andavanandro iainany.Miomàna ary hianoka izany dia (voyage) izany anatin’ny sary maromaro (an-jatony be izao). Aza reraka an! Hanombohako azy dia izay fiovàna hita eto Antananarivo (mety tsy ho ny rehetra no voatetiko, nefa inoako fa mba hahaliana anao izay kely vita sary pika (cliché) eto). 

Ireto izao dia saiky eo Anosy avokoa

001anosy_jacaranda_vers_stade09.jpg 

(raha avy aty Anosy hiodina ho any Mahamasina ianao)

002anosy_versanjelyfotsy05.jpg

(avy ety amin’ny W.C. iraisana no nalaina)

003anosy_anjelyfotsy03.jpg 

004anosy_fontaine_senat23.jpg 

(rond point akaikin’ny mpikirakira antontan’isa eo Anosy raha ho hiodina ho any

Anosibe ianao)

005anosy_hotel_carlton07.jpg 

(Hilton taloha, niova nanomboka ny Novambra 2007 ho Carlton)

006anosy_senat09.jpg 

(ankavian-dàlana raha ho any Anosibe)

Raha avy eo Anosy indray no miandrandra dia mahita ireto toerana manaraka ireto

008colline_andrefaambohijanahary35.jpg 

(Andrefan’Ambohijanahary, fanapoahana tafondro isaky ny misy lanonan-dehibe eto amin’ny tany sy ny fanjakana, toy ny fetim-pirenena, sns…) 

Mitodika mianatsimo indray ianao, toy ny ho any amin’ny Hopital HJRA dia toy izao

 010antananarivo_ampefiloha_mpivarotrafraises009.jpg

(mpivarotra fraises manemitra ny tambohon’ny Hopital HJRA avy aty ankavia ireto) 

Hiakatra kely eny Andohalo eny, hijery ny Rova sy ny tanàna taza-maso manodidina indray isika

  011antananarivo_mahamasina_anosy36.jpg

 (Anosy, Mahamasina hatrany Betsimitatatra sns…) 

012antananarivo_lac_anosy37.jpg 

(mbola miaina ihany na dia anaty setroka vao maraina aza)

013antananarivo_mahamasina_palais_des_sports38.jpg

 (fanaovana lanonana sy fanatanjahantena)

 014antananarivo_mahamasina_sainte_famille_stmichel39.jpg

 (Sainte Famille – Saint Michel Amparibe)

016antananarivo_mahamasina_tsenaalakamisy_cotestjo66.jpg

(tsena alakamisy anoloan’ny Square Point Carré)

017antananarivo_lapan_ny_fitsarana_taloha54.jpg

(lapan’ny fitsarana fahiny mbola eo Avaradrova, ankavanan-dàlana raha midina avy any an-dRova ianao)

018antananarivo_palais_andafiavaratra53.jpg

(Lapan’ny Praiminisitra taloha ao Andafiavaratra) 

019antananarivo_pollution_mahamasina_dejnlaborde32.jpg

(Mahamasina mirakotra setroka manga)

020antananarivo_pollution_rova_dejnlaborde33.jpg

(ny fanamboarana ny Rova)

021antananarivo_rova_coteavaradrova52.jpg

(Rova tazanina avy aty avaratra)

022antananarivo_mahamasina_ecolenormale41.jpg

(Ecole Normale Mahamasina)

023antananarivo_rova_temple51.jpg

(fiangonana Anatirova)

Ndao indray ary hidina eny Antaninarenina sy Analakely e, saingy handalo kely eo Ambohijatovo ambony isika aloha an !

024antananarivo_taxibeambihimanambola_tunnelambanidia29.jpg

(teto ilay tsangambato be an’i Gallieni nitaingina soavaly raha vao tafavoaka ny tunnel Ambanidia ambonin’ny zaridaina Ambohijatovo ianao, saingy nesorin’ny fitondrana raha vao tonga teo Marc Ravalomanana ary natao ho arrêt bus mankany Ambohimanambola sy Alasora izay misy ny Rova sy ny fasan-dRafohy sy Rangita)

025antaninarenina_officenationalpourlenvironnement72.jpg

(Hall de l’Information taloha izay lasa ONE ankehitriny, Antaninarenina)

026antaninarenina_satutdelaliberte_tsiranana70.jpg

(sary vongan’i Tsiranana mitodika mankany Ambohitsorohitra, ilay trano fitaratra aty amin’ny sisiny havanana kosa ny Buffet du Jardin.) 

027antaninarenina_satutdelaliberte83.jpg

(statut de la liberté alohan’ny hidinana ny tohotohobato mankany Analakely)

028antaninarenina_versambohitsorohitra74.jpg 

(PRISUNIC taloha lasa SHOPRITE)

029antaninarenina_verspergola69.jpg

(ankavia BMOI, ankavanana ny Poste Antaninarenina, manoloana ny Poste raha ho any amin’ny Hotel Colbert kosa ny Pharmacie de la Metropole taloha)

  

030antananarivo_avenue02.jpg

(avenue Analakely, mitodika any amin’ny SICAM)

032antananarivo_statut_ralaimongo.jpg

 (Ny Hotel Le Glacier no hita ery aorian’ny sary vongan’i Jean RALAIMONGO, eo ankavian’ny SICAM)

033antananarivo_place13mai_08.jpg

(place du 13 mai 1972 taloha navadika ho zaridaina mahafinaritra be)

Hikisaka any Ankorondrano indray ny masontsika

037antananarivo_ankorondrano9.jpg

(Eo anoloan’ny Henri Fraise Fils et Cie sy Jesosy Mamonjy no misy ity rano mifantsitsitra ity. Ao anatin’ilay zaridaina vaovao)

038maraismasay.jpg

 (Marais Masay, ankavian-dàlana raha avy aty Ankorondrano no hamonjy an’Amboditsiry sy Analamahitsy. Tazanina avy any amin’ny Boulevard de l’Europe. Hita eo koa ny havoana misy an’Aanalamahitsy sy ny manodidina azy)           

Hanomana ny dia hivoaka an’Antananarivo amin’izay isika sao ho adino ny resaka ho any Mahajanga ka tara eto.

038ampefiloha_hiainga578.jpg

 (iray fiara toy izao ireto mpikambana miaraka amin’ny ankohonany no nisafidy hiara-hisinda ka hamonjy an’i Mahajanga)           

  Itony no mitsena anao eny amin’iny làlana mankany Mahajanga iny. Raha vao afaka ny faritra ambanivohitr’Antananarivo lavidavitra an’Ankazobe iny.

         

040avylavitra-mahajanga_lalanamahajanga-034.jpg

 (ity izao dia loharano mivoaka eny antsefantsefan-bohitra eny)

042avylavitra-mahajanga_lalanamahajanga-037.jpg

(hay misy toerana mahafinaritra toy izao any anelanelany any an! Tsy nampoiziko)

044avylavitra-mahajanga_lalanamahajanga-015.jpg

 (jereo anie ny hakaton’itony farihy anaty tenrombohitra itony e!  Iza no tsy ho babon’izao manga be misarika ny maso izao rey olona?)  Irariana ny tsy hahamay azy ireny toy ity sary maningana ity, samy teny amin’io faritra io ihany anefa no nalaina. Misy marina ny saonjo iray lohasaha, sy ny omby tsy indray mifoha …)

046avylavitra-mahajanga_tapa_porohanasisatsymay-022.jpg

Aleo aloha hisakafo eto Mahatsinjo isika fa tena refona aho izany, ary ianao mba ahoana?

047mahatsinjo_sakafoantoandro588.jpg

(Tonga eto Mahatsinjo fa efa lasa ny mitataovovonana- Hotel Fy io hitanao amin’ny sary io. Dia mitohy ihany ny dia rehefa voky ny kibo. Tsy matory an-dàlana anefa sao tsy mahita sary an!

 049avylavitra-mahajanga_maevatanana-040.jpg 

051avylavitra-mahajanga_betsiboka047.jpg

(ny renirano sy ny harambaton’I Betsiboka. Azo idinana tsara ny toerana , ary fakàna sary mahafinaritra tokoa)

051avylavitra-mahajanga_ambondromamy-055.jpg

(Ambondromamy)

052betsiboka650.jpg

(Betsiboka)

053pont_tsytadidiko665.jpg

055ambondromamy673.jpg

(Ambondromamy)

                       

Tonga eto Mahajanga isika izao ry namako isany. Ho hitanao misesy eto ny sarin’ny fahatongavana ny alina voalohany, ny fivoahana teny amin’ny bord io alina io ihany (izay marihana fa dia tena niova ho tsara tokoa an !), sy tohiny rehetra.

057arrivemahajanga_faneva706.jpg

 (Tonga teo amin’ny Hotel Faneva Mahajanga tamin’ny folo latsaka fahefany alina rehefa niala tany Antananarivo tamin’ny folo ora mahery ny maraina, dia nisakafo hariva aloha satria tsy ho afaka ny hahandro intsony). Fikorontanana nony tonga tao amin’ny trano nivantanana. Tsy dia mbola maika loatra ny hampirina entana satria dodona hijery ny Bord sy ny kotabany amin’ny alina izay nanembonana avy hatrany ny tsy mandrimandry eny amin’ny Avenue sy ny Place 13 mai rehefa Zoma alina sy faran’ny volana, korana hatramin’ny sasakalina kay no hita eny. Tsy miroro no filàza ny any Toliary, fa tena hita koa izany eto Mahajanga.          

Nisy moa ny fandaharam-potoana napetraka mba hitsidihana ny tanàna sy hitondràna ny rehetra ho any an-dranomasina, ary hitsidika ny valan-javaboahary any Ankarafantsika.

062mahajanga_marainavoalohany-058.jpg

(ity no maraina voalohany nifohazana rehefa reraky ny alina nijery ny Bord. Nifampizaràna ny raharaha rehetra (tsena, nahandro, sasa lovia sy vilany, sns…) ka ity ihany koa no andro voalohany nikarakarana lakozia ho an’ny tompon’anjara tamin’io andro io. Lafo mantsy raha hoe hamonjy toeram-pisakafoanana foana. Nanofa trano tamin’ny Ministeran’ny Jono ny fikambanana, dia efa ao anatiny daholo ny rehetra afa-tsy ny Gaz fampiasa an-dakozia. Tsara tokoa raha ilay toerana –CDCC- Centre de Developpement de la Culture de Crevettes. Nifanampiana teny avokoa izay hita fa tokony hifanampiana). Niraisana ny trano fidiovana izay miisa efatra, sy ny Trano fivoahana efatra ihany koa, ka tsy nahagaga raha nilaharana  hatrany satria maro be ny mpampiasa. Olona efa ho telopolo mahery. Ny toetr’andro rahateo mafana)  Rehefa vita ny kenonkenona samihafa dia niomana handeha any amin’ny tora-pasik’i GRAND PAVOIS ny rehetra. Raha vao nivoaka ny trano anefa  dia nahita ity votry ity somary mihataka kely ny efitrano fandriana ity, manamorona ny dobo fiompiana crevettes

067avylavitra-mahajanga_votry063.jpg

Vonombonona hamonjy tora-pasika ary ny rehetra nony maraina.  Toy izao no atao hoe tora-pasika miandry vahiny

069grand-pavois_masoandromiposaka55.jpg

070grand-pavois_miandryolona72.jpg

071grand-pavois_nylokonyplage071.jpg

Milamina sy madio ery anie izy izany e ! Inay anie aho mponina ety, fa angamba dia mifampitady isan’andro ety ambony tora-pasika foana , jereo amin’izao loko izao fotsiny e ! Iza no tsy hankafy sy tsy ho rendriky ny nofinofy mahita an’izao. Hafa mihitsy na ilay loko mizara telo aza an!) Dia ireny fa tonga àry ny mpivahiny, hiarahaba ny tora-pasika voalohany, no sady koa hiaino ny siokan’ny onja efa nikaika azy hatry ny ela

073grand-pavois_plage_madio.jpg

sy hisangy ny onja ho toy ny mpisakaiza efa nifankahazatra hatry ny ela. Tsy tokony ho adino anefa ilay hiran’ny tarika Voanio hoe ‘Io ranomasina io anie ka manonja, tsy mba manafosafo fa mitondra’. Koa tandremo ihany fa sao fifaliana no notadiavina ka fahoriana no fihàzana. Kely sy bitika tokoa mantsy ny olona raha oharina amin’io ranomasina io, tsy ampy hateliny akory. Araho an-tsary anie dia ho hitanao e! Sa tsy izany? Jereo anie ireto ankizy mifaly ery eee !

074grand-pavois-fifalianyankizy108.jpg

Eny fa na dia izao aza vao tafaraka sy nifankahalala dia efa mahay mifangaro sahady ireto izy)

075grand-pavois_ankizymilona80.jpg

078grand-pavois_bitikanyolona19.jpg

(Ilay ranomasina tsy ahalaniana iray zinga dia efa hahafaty raha tsy mitandrina, tena bitika tokoa ny olona k’ity. Tsy ampy ateliny tokoa moa izany

   079grand-pavois_onja_mangorompotsy.jpg 

tsy misakana antsika hankafy ny onja anefa izany

080grand-pavois_onjafotsymanjopika80.jpg

081grand-pavois_misangyonja047.jpg

082grand-pavois_fasikamadio26.jpg

 Fa nisy itony zavatra mivoaka tsikelikely avy any anaty fasika itony, ary tena nahavariana sy nahafinaritra ery ny njery azy an ! Ny foza, hono, no mamoaka azy avy ao ambany ao. Tsy mety mifangaro izy io raha tsy hoe voadonanao angaha, fa dia izay mivoaka dia mihorona eo ambonin’ny teo aloha hatrany ka mivangongo toy ny tendrombohitra kely.

083grand-pavois_fainonaaryitony45.jpg

Maro ny fialamboly azo natao teny amorontsiraka teny ankoatry ny filalaovana ranomasina. Teo ohatra ny fitaingenana vedette, ny fanangonana akorandriaka, ny fisotroana ranona coco rehefa manomboka miakatra iny ny hafanàna. Azo atao tsara koa ny manararaotra mihinana huitre satria mbola azo antoka tsara fa vaovao izy ireny. Ety ampotony tsinona k’ah. Ary ny tena nahatsikaiky dia ny nahita alika mba mialoka rehefa miakatra ny maripàna raha vao lasa ny tompon-toerana. 

089grand-pavois_alikamialoka04.jpg

090grand-pavois_miora_alexia.jpg

Ary ity dia nony handeha hody, baobab kely amin’ny làlana mankany amin’ny GRAND PAVOIS ity) 

092grand-pavois_baobabkely70.jpg

Ilaozantsika amin’izay ny filalaovana ranomasina fa handeha hijery ny Bord izay vao avy navaozina isika. Fahafinaretan’ny maso ery ny mitsangatsangana eny amin’izao fotoana. Tsy toy ny taloha intsony mantsy fa lasa toy ny hoe izy no rahavavin’ny Araben’ny Fahaleovantena any Antananarivo. Araho an-tsary indray ary e ! Sady efa manasa anao sahady hitsidika azy i Mahajanga raha vao mahita ilay baobab be ery ampihaviana ery ianao

094grand-pavois_baobab39.jpg

vita tamboho manodidina toy ity ny Bord.

095grand-pavois_mijerymer43.jpg

Mahafinaritra ery ny mipetrapetraka sy mitsinjo ny faravodilanitra eny amboniny eny. 

097grand-pavois_bord35.jpg

Ankavanana eto amin’ity sary ity i fcandy (izay vao 13 ranonorana monja)mpamorona ny http://fcandy.wordpress.com sy ny cousin keliny, eo amin’ny bord afaka kely ny Banky Foibe io. Tsy misy atahorana ny mitsotsotra ety fa sady madio no tsy misy bibikely mandadilady ihany koa. Milamina e ! Izay no azo ilazana azy.

Ny zavatra tsy noeritreretina koa dia ny nifankahitan’ny sasany tamin’ny havany taty ampialàna sasatra taty. Dia hafaliana anie izany hoe mifanatri-tava izany e, avy eo miaraka mitsetsitra sorbet eraky ny tanàna. Rehefa hariva dia misy ny fialana voly ao an-trano (milalao karatra, loto, 1000 boernes sns…. Momba ny fitsangatsanganana tany Ankarafantsika efa nomanina dia haranty an-tsary ho anao amin’ny manaraka ny hita tany. Amin’izay mba milendalenda ianao, ary dia ho avy koa hampitombo isa ny mpitsidika azy. Be zava-mananaina ao anatin’io ala io. Saingy vitsy ihany tamin’ireny no azo sary sy nifanena taminay. Angamba koa noho ny hamaroan’ny olona dia nisitrika ny sasany taminy. Fomba maro no ahafahanao mitsidika io valan-javaboahary io (Mandeha fiara, mitaingina lakana, mandeha an-tongotra toy ny nataonay. Dia arakarak’izay safidy ny sarany aloa.sombin-tsary fotsiny ireto aloha mba hakanao sary an-tsaina azy. Arbre crocodile no anaran’ity hazo be tsilo be ity.

123ankarafantsika-arbre_crocodile30.jpg

119ankarafantsika_menarana2.jpg

111ankarafantsika_sokitra-be-dia-be021.jpg

132ankarafantsika_ala982.jpg

Rehefa tratra hariva avy tany Ankarafantsika dia nisafo tanàna sy nisaika ary nisolo akanjo fotsiny ary dia lasa indray teny amin’ny Bord      

Dia toy izay sy toy izay ny dia Antananarivo, Mahajanga, Ankarafantsika. Miampy ireo fiovana hita tao aminy.

Hifarana ity ny taona 2007 ary ny firariana ho antsika rehetra dia mba ho baliaka mandrakariva ny fiainana, ny fiarahana ary hahatontosa izay rehetra atao, ka fikasana tsara.

Hahay hifampizara hafaliana sy hifanohana, izay no zava-dehibe indrindra

145baliaka.jpg