Tsy tompon’andraikitra

Omaly alina dia nisy fiara nirimorimo teo anoloan’ny Look’s Andravoahangy. Nifaoka tovolahy iray izy tamin’izany ary tao anatin’ny fandosirany dia mbola nandona fiaran’olon-kafa koa. Ny tsy nampoiziny anefa dia nirohotra nanenjika azy ny lehilahy teo an-tanana rehefa nahita fa vaky ny kodiaran’io fiara nandona io ary latsaka koa ny takelaka nisy ny laharan’ilay fiara. Tratra [...]

Tra-boina ao Anosizato Andrefana

Nandalo teny amin’ny toby andraisana ireo tra-boina eny Anosizato Andrefana aho ny sabotsy (23-02-2008) maraina teo. Nanatona tao amin’ilay birao misahana sy manara-maso azy ireo izay tsy lavitra ilay toby fa eo anila eo ihany. Lehilahy roa no tao ary dia napetraka ny fanontaniana. Tsy nandà ny hamaly izy ireo saingy ilay fomba famaly kosa [...]

Izay marary andrianina

Andro iraisam-pirenena ho an’ny marary ny 11-02-2008. Voalàza fa mamono olona an’aliny maro manèrana izao tontolo izao ny SIDA. Dia dradraina koa izany eto Madagascar. Indraindray àza, na ny marina kokoa, dia rakotr’io aretina iray io ny momba ny aretina hafa. Tsy miafina amin’ny maro anefa fa isan’ny tena mahafàty olona maro eto Madagasikara sy [...]

Elanelam-panahy

Zavatra isan’ny manahirana ankehitry ny miteny, na mitondra teny. Indrindra fa raha resaka raharaham-piaraha-monina no andraisanao anjara. Miteny tsy mety ataon’ny mpanohitra ianao dia sokajiana ho olon’ny mpitondra, milaza ny kivalavala ataon’ny mpitondra indray ianao dia lazaina fa hoe mpanohitra. Izany hoe bedy ianao raha vao mitoetra eo anelanelany. Fa na ho tezitra aza aloha [...]