Mitaraina daholo ny rehetra noho ny tsy fisian’ny orana, na JI.RA.MA, na olon-tsotra mpamboly fa taraiky be ny orana tamin’ity taona ity. Eo am-piterahana ny vary amin’iny lemak’iBetsimitatatra iny amin’izao fotoana, nefa ny rano tsy ampy. Raha tsara sy nahafinaritra ny vokatra tamin’ny taona 2006 iny dia ahiana ny hidinan’izany ho very sasaka amin’ity taona 2007 ity (ny voly vary aloha io lazaiko io, na dia voadona daholo koa aza ny voly hafa rehetra). Ny delestage vokatry ny tsy fahampian’ny tosiky ny rano moa dia efa tsy lazaina intsony. Ny vidin-jiro anefa nampiana 15%. Soa fa mba nisy ny entan-tsinoa hojifain’ny gasy fa raha ity fahefa-mividy efa mandady amin’ny tany ity no tsy misy an’ireny dia tsy hanao fety ny Malagasy e! Eny an-tsena no ahitana akanjon’ankizikely (1000FMG) roanjato ariary, nefa mbola azon-dRamalagasy ihafiana ihany dia vidiana e! Tsy ankijery hoe iza no nanao an’ity tany ananona tany, na olona salama ve sa marary, sns…
Ny zavatra somary mba azo nihoriranana aloha dia ny efa mba avy kely io orana io roa andro lasa izay. Dia mba antenaina fa hihena ny maripana, Enga anie ho tonga ny oram-be (fa tsy ilay manimba zavatra kosa aloha e!) fa tsy hita iainana intsony ny doro tanety sy ny hafanana ary ny setroka mandrakotra an’Antananarivo. VONJEEEEEEEEEO, SEMPOTRA ANTANANARIVO.
Archivé sous: Andavanandrom-piainana | 6 Commentaires »




