Noely Malagasy

Hifarana ity ny taona. Raha somary nafana be ny andro noho ny orana nihantona, dia toa nanaraka izany koa ny hafanan’ny fanomanan’ny Malagasy ny fetin’ny faran’ny taona. Tsy misy hodiavina Analakely sy ny manodidina azy. Toa zary lasa tokotany filalaovan’ny mpivarotra sy ny mpividy ifanaovana fangalam-piery ny araben’Antananarivo. Manomboka amin’ireo sakelika rehetra mitondra anao hiditra an’Antananarivo (na avy atsinanana io na avy andrefana, an atsimo na avaratra) dia tsy maintsy efa mampionona ny saina raha voatery hiditra an’Analakely indrindra indrindra. Fombako ny mitondra élo rehefa manao ny raharahako faran’ny herinandro. Dia tsy maintsy nibatabata ilay vélo teny anelanelan’ny fiara teny nony avy teo Soarano hiodina hiverina aty Behoririka sy Andravoahangy. Vidéo Gaigy mihitsy raha nisy nahita e! Mbola hampanarahiko anareo eto ny sarin’Antananarivo manomana fety fa aza matahotra.

Fa ny tena olana momba ity fety ity dia ny tsy fahatsiarovan-tenan’nyy olona. Misy mpivarotra efa any anaty 3/4n’ny arabe , sady amin’izay indray ny lamosiny no mijery ny fiara mandalo fa toa tsy mampaninona azy izay loza mety hitranga. Ho gaga ianareo hahita izany Malagasy manomana Noely

2 Réponses

  1. youpi !
    tsara be avylavitra an. mahatsiaro tena eny analakely tokoa mamaky anao ary maka an-tsaina ny any izao fety izao. ny aty koa ny anay tsy hifankahitana ny olona sy ny autos, fa tena embouteillage daholo izay aleha rehetra… mividy cadeaux moa no tena ataon’ny olona.
    dia miandry ny tohiny e. hafa mihitsy hoa.

  2. ie zay t2 erin-taona nandalo tany dé tokony hoe haka sarin’lé toeranan,Ilay hotel de ville taloha…eh ben….na @ firy maraina aza feno olona foana ny arabe ka tsy nahazo sary !!
    Ny tena mahagaga dé lé hoe lasa « soci.t. de consommation » kely ny gasy. Tsy @ pouvoir d’achat ny lazaio an’izany fa lé @ lé traditions hotrany niova.
    sa ahona!

Répondre à sipakv Annuler la réponse.