Mitaraina daholo ny rehetra noho ny tsy fisian’ny orana, na JI.RA.MA, na olon-tsotra mpamboly fa taraiky be ny orana tamin’ity taona ity. Eo am-piterahana ny vary amin’iny lemak’iBetsimitatatra iny amin’izao fotoana, nefa ny rano tsy ampy. Raha tsara sy nahafinaritra ny vokatra tamin’ny taona 2006 iny dia ahiana ny hidinan’izany ho very sasaka amin’ity taona 2007 ity (ny voly vary aloha io lazaiko io, na dia voadona daholo koa aza ny voly hafa rehetra). Ny delestage vokatry ny tsy fahampian’ny tosiky ny rano moa dia efa tsy lazaina intsony. Ny vidin-jiro anefa nampiana 15%. Soa fa mba nisy ny entan-tsinoa hojifain’ny gasy fa raha ity fahefa-mividy efa mandady amin’ny tany ity no tsy misy an’ireny dia tsy hanao fety ny Malagasy e! Eny an-tsena no ahitana akanjon’ankizikely (1000FMG) roanjato ariary, nefa mbola azon-dRamalagasy ihafiana ihany dia vidiana e! Tsy ankijery hoe iza no nanao an’ity tany ananona tany, na olona salama ve sa marary, sns…
Ny zavatra somary mba azo nihoriranana aloha dia ny efa mba avy kely io orana io roa andro lasa izay. Dia mba antenaina fa hihena ny maripana, Enga anie ho tonga ny oram-be (fa tsy ilay manimba zavatra kosa aloha e!) fa tsy hita iainana intsony ny doro tanety sy ny hafanana ary ny setroka mandrakotra an’Antananarivo. VONJEEEEEEEEEO, SEMPOTRA ANTANANARIVO.
Filed under: Andavanandrom-piainana |
tsy rariny izany +15% izany kanefa ny delestage misy foana. tsy rariny e !
re: fripes sinoa. vao omaly izahay no nihira ilay hiran’i tselonina iny ,ilay hoe feno salakambazaha moa ny tolompiavotan’ny MAlagasy. tsara ery. tokony updater-na angamba ilay tononkira o ?
ny fanafody iray ho an Antananarivo dia ny mitady toerana iray lehibe mba hatao espace vert ary ny fampivelarana ny tanana mba tsy hivangongo loatra eto aminy centre ville daholo isika mianakavy fa sempotra
nainga hoe niresaka momban’ny « rechauffemetnt climatique » sns aho kanjo lé sujet @ JIRAMA. Ka ahona moa raha misy entrepreneurs tonga eo dé mipropose Energie renouvelables? ohatra hoe « eolien, na solaire »? Ny fantako dé raha mbola mitohy io resaka $ io dé any ny ena avenir!
MArina tokoa ilay hevitr’i Limahl io. Ny tanandehibe toa an’Antananarivo dia mila espace vert lehibe atao avokavoka, toa an’i Central Park ohatra ho an’i NYC, mba hakan’ny mponina ihany koa aina, fa tsy dia fiara sy olona mivangongo foana akory…
Mahagaga fa misy zaridaina natao eo anelanelan’i Henri Fraise sy Jesosy Mamonjy, saingy natao ho haingon-tanàna fotsiny hatrizao fa tsy azon’ny olona hakana aina sy itsotsorana izany. Nefa tsara be lay izy an. Fa alain-dro hoy ny fiteny