Ny any aminay

Mba Tantarao anay ny any aminay

(azonao alaina ny sary eto raha toa ka tazoninao manokana ho anao, na ampanarahinao azy ny momba azy tsy novàna fa tsy ampiasaina amin’ny zavatra hafa tsy nakàna alàlana mialoha. Misaotra) 

EFA MIPETRAKA ATSY AMIN’NY SISINY HAVANANA NY SARY REHETRA RAHA MISY TSY METY MISOKATRA ETO. MISAOTRA)

* Ka inona ary anefa no ho tantaraiko e ?

 _ izay azo tantaraina ihany k’ah! 

 Sa dia aleo ny diako nanomboka teto Antananarivo hatrany Mahajanga sy Ankarafantsika no hotantaraiko anareo, miampy ireo fiovana goavana nisy tamin’ireo tanàna nolalovako (na endrika io na toe-tsaina). Ary koa ny fahaizan’ireo olona ho hitanao an-tsary ato nifanampy mba hahitan’ny ankohonany fialantsasatra finaritra sy mora vidy. Tany aloha tany dia olona tsy nifankahalala ny rehetra mandray anjara ato anatin’ity tatitra ataoko ity. Mpifanoratsoratra amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisna (internet) fotsiny. Rehefa ela nifaneraserana tao anefa dia nitsiry tao an-tsain’ny sasany ny hoe hihaona mivantana, fa tsy ho any ambadiky ny ecran foana. Nanomboka teo àry dia nihaona mivantana ny vitsivitsy (isaky ny misy azo anaovana izany sy raha misy antony ihany koa). Nitombo an-dàlana teny ireo ary dia lasa maromaro. Farany dia tapaka fa hatsangana ho fikambanana ara-panjakana mihitsy ilay fiarahana kely nipoitra avy amin’io. Manòmana hetsika isan-karazany saiky isan-taona ny mpitantana mba tsy hifanary ny efa ao anatiny ary mba hitaonana ny hafa ihany koa, Koa isan’ny fandaharana asa efa fanao isan-taona (volana Febroary) ohatra ny fambolen-kazo any Andranovelona miaraka amina fikambanana mpiaro ny tontolo iainana (Mila Soa). Tsy adino koa ny mifanotrona amin’ny zavatra rehetra tokony hisian’izany (na an-kafaliana io na an-karatsiana).Nanapakevitra àry izy ireo tamin’ny volana Aogositra 2007 teo mba hitondra ny mpikambana sy ny ankohonany hisintaka kely an’Antananarivo, ka nofinidy tamin’izany i Mahajanga. Vitsy tokoa mantsy amin’izao fotoana izany fianakaviana afaka mitondra ankohonana ho any amorontsiraka izany. Tsy noferana ny isan’ny olona izay handeha fa nisy fandraisana anjara kely tsy maintsy natao isan’olona.Natao indrindra tao anatin’ny fotoam-piatoana lehibe (grandes vacances) ho an’ny mpianatra izy io, mba hahafahan’ny rehetra mandositra ny tabataba, ny rarin-tsaina (stress) sy ny rivotra maloton’ny renivohitra, ka hianoka filaminana sy rivotra madio, ary mba hahita tontolo hafa tsy toy ny andavanandro iainany.Miomàna ary hianoka izany dia (voyage) izany anatin’ny sary maromaro (an-jatony be izao). Aza reraka an! Hanombohako azy dia izay fiovàna hita eto Antananarivo (mety tsy ho ny rehetra no voatetiko, nefa inoako fa mba hahaliana anao izay kely vita sary pika (cliché) eto). 

Ireto izao dia saiky eo Anosy avokoa

001anosy_jacaranda_vers_stade09.jpg 

(raha avy aty Anosy hiodina ho any Mahamasina ianao)

002anosy_versanjelyfotsy05.jpg

(avy ety amin’ny W.C. iraisana no nalaina)

003anosy_anjelyfotsy03.jpg 

004anosy_fontaine_senat23.jpg 

(rond point akaikin’ny mpikirakira antontan’isa eo Anosy raha ho hiodina ho any

Anosibe ianao)

005anosy_hotel_carlton07.jpg 

(Hilton taloha, niova nanomboka ny Novambra 2007 ho Carlton)

006anosy_senat09.jpg 

(ankavian-dàlana raha ho any Anosibe)

Raha avy eo Anosy indray no miandrandra dia mahita ireto toerana manaraka ireto

008colline_andrefaambohijanahary35.jpg 

(Andrefan’Ambohijanahary, fanapoahana tafondro isaky ny misy lanonan-dehibe eto amin’ny tany sy ny fanjakana, toy ny fetim-pirenena, sns…) 

Mitodika mianatsimo indray ianao, toy ny ho any amin’ny Hopital HJRA dia toy izao

 010antananarivo_ampefiloha_mpivarotrafraises009.jpg

(mpivarotra fraises manemitra ny tambohon’ny Hopital HJRA avy aty ankavia ireto) 

Hiakatra kely eny Andohalo eny, hijery ny Rova sy ny tanàna taza-maso manodidina indray isika

  011antananarivo_mahamasina_anosy36.jpg

 (Anosy, Mahamasina hatrany Betsimitatatra sns…) 

012antananarivo_lac_anosy37.jpg 

(mbola miaina ihany na dia anaty setroka vao maraina aza)

013antananarivo_mahamasina_palais_des_sports38.jpg

 (fanaovana lanonana sy fanatanjahantena)

 014antananarivo_mahamasina_sainte_famille_stmichel39.jpg

 (Sainte Famille – Saint Michel Amparibe)

016antananarivo_mahamasina_tsenaalakamisy_cotestjo66.jpg

(tsena alakamisy anoloan’ny Square Point Carré)

017antananarivo_lapan_ny_fitsarana_taloha54.jpg

(lapan’ny fitsarana fahiny mbola eo Avaradrova, ankavanan-dàlana raha midina avy any an-dRova ianao)

018antananarivo_palais_andafiavaratra53.jpg

(Lapan’ny Praiminisitra taloha ao Andafiavaratra) 

019antananarivo_pollution_mahamasina_dejnlaborde32.jpg

(Mahamasina mirakotra setroka manga)

020antananarivo_pollution_rova_dejnlaborde33.jpg

(ny fanamboarana ny Rova)

021antananarivo_rova_coteavaradrova52.jpg

(Rova tazanina avy aty avaratra)

022antananarivo_mahamasina_ecolenormale41.jpg

(Ecole Normale Mahamasina)

023antananarivo_rova_temple51.jpg

(fiangonana Anatirova)

Ndao indray ary hidina eny Antaninarenina sy Analakely e, saingy handalo kely eo Ambohijatovo ambony isika aloha an !

024antananarivo_taxibeambihimanambola_tunnelambanidia29.jpg

(teto ilay tsangambato be an’i Gallieni nitaingina soavaly raha vao tafavoaka ny tunnel Ambanidia ambonin’ny zaridaina Ambohijatovo ianao, saingy nesorin’ny fitondrana raha vao tonga teo Marc Ravalomanana ary natao ho arrêt bus mankany Ambohimanambola sy Alasora izay misy ny Rova sy ny fasan-dRafohy sy Rangita)

025antaninarenina_officenationalpourlenvironnement72.jpg

(Hall de l’Information taloha izay lasa ONE ankehitriny, Antaninarenina)

026antaninarenina_satutdelaliberte_tsiranana70.jpg

(sary vongan’i Tsiranana mitodika mankany Ambohitsorohitra, ilay trano fitaratra aty amin’ny sisiny havanana kosa ny Buffet du Jardin.) 

027antaninarenina_satutdelaliberte83.jpg

(statut de la liberté alohan’ny hidinana ny tohotohobato mankany Analakely)

028antaninarenina_versambohitsorohitra74.jpg 

(PRISUNIC taloha lasa SHOPRITE)

029antaninarenina_verspergola69.jpg

(ankavia BMOI, ankavanana ny Poste Antaninarenina, manoloana ny Poste raha ho any amin’ny Hotel Colbert kosa ny Pharmacie de la Metropole taloha)

  

030antananarivo_avenue02.jpg

(avenue Analakely, mitodika any amin’ny SICAM)

032antananarivo_statut_ralaimongo.jpg

 (Ny Hotel Le Glacier no hita ery aorian’ny sary vongan’i Jean RALAIMONGO, eo ankavian’ny SICAM)

033antananarivo_place13mai_08.jpg

(place du 13 mai 1972 taloha navadika ho zaridaina mahafinaritra be)

Hikisaka any Ankorondrano indray ny masontsika

037antananarivo_ankorondrano9.jpg

(Eo anoloan’ny Henri Fraise Fils et Cie sy Jesosy Mamonjy no misy ity rano mifantsitsitra ity. Ao anatin’ilay zaridaina vaovao)

038maraismasay.jpg

 (Marais Masay, ankavian-dàlana raha avy aty Ankorondrano no hamonjy an’Amboditsiry sy Analamahitsy. Tazanina avy any amin’ny Boulevard de l’Europe. Hita eo koa ny havoana misy an’Aanalamahitsy sy ny manodidina azy)           

Hanomana ny dia hivoaka an’Antananarivo amin’izay isika sao ho adino ny resaka ho any Mahajanga ka tara eto.

038ampefiloha_hiainga578.jpg

 (iray fiara toy izao ireto mpikambana miaraka amin’ny ankohonany no nisafidy hiara-hisinda ka hamonjy an’i Mahajanga)           

  Itony no mitsena anao eny amin’iny làlana mankany Mahajanga iny. Raha vao afaka ny faritra ambanivohitr’Antananarivo lavidavitra an’Ankazobe iny.

         

040avylavitra-mahajanga_lalanamahajanga-034.jpg

 (ity izao dia loharano mivoaka eny antsefantsefan-bohitra eny)

042avylavitra-mahajanga_lalanamahajanga-037.jpg

(hay misy toerana mahafinaritra toy izao any anelanelany any an! Tsy nampoiziko)

044avylavitra-mahajanga_lalanamahajanga-015.jpg

 (jereo anie ny hakaton’itony farihy anaty tenrombohitra itony e!  Iza no tsy ho babon’izao manga be misarika ny maso izao rey olona?)  Irariana ny tsy hahamay azy ireny toy ity sary maningana ity, samy teny amin’io faritra io ihany anefa no nalaina. Misy marina ny saonjo iray lohasaha, sy ny omby tsy indray mifoha …)

046avylavitra-mahajanga_tapa_porohanasisatsymay-022.jpg

Aleo aloha hisakafo eto Mahatsinjo isika fa tena refona aho izany, ary ianao mba ahoana?

047mahatsinjo_sakafoantoandro588.jpg

(Tonga eto Mahatsinjo fa efa lasa ny mitataovovonana- Hotel Fy io hitanao amin’ny sary io. Dia mitohy ihany ny dia rehefa voky ny kibo. Tsy matory an-dàlana anefa sao tsy mahita sary an!

 049avylavitra-mahajanga_maevatanana-040.jpg 

051avylavitra-mahajanga_betsiboka047.jpg

(ny renirano sy ny harambaton’I Betsiboka. Azo idinana tsara ny toerana , ary fakàna sary mahafinaritra tokoa)

051avylavitra-mahajanga_ambondromamy-055.jpg

(Ambondromamy)

052betsiboka650.jpg

(Betsiboka)

053pont_tsytadidiko665.jpg

055ambondromamy673.jpg

(Ambondromamy)

                       

Tonga eto Mahajanga isika izao ry namako isany. Ho hitanao misesy eto ny sarin’ny fahatongavana ny alina voalohany, ny fivoahana teny amin’ny bord io alina io ihany (izay marihana fa dia tena niova ho tsara tokoa an !), sy tohiny rehetra.

057arrivemahajanga_faneva706.jpg

 (Tonga teo amin’ny Hotel Faneva Mahajanga tamin’ny folo latsaka fahefany alina rehefa niala tany Antananarivo tamin’ny folo ora mahery ny maraina, dia nisakafo hariva aloha satria tsy ho afaka ny hahandro intsony). Fikorontanana nony tonga tao amin’ny trano nivantanana. Tsy dia mbola maika loatra ny hampirina entana satria dodona hijery ny Bord sy ny kotabany amin’ny alina izay nanembonana avy hatrany ny tsy mandrimandry eny amin’ny Avenue sy ny Place 13 mai rehefa Zoma alina sy faran’ny volana, korana hatramin’ny sasakalina kay no hita eny. Tsy miroro no filàza ny any Toliary, fa tena hita koa izany eto Mahajanga.          

Nisy moa ny fandaharam-potoana napetraka mba hitsidihana ny tanàna sy hitondràna ny rehetra ho any an-dranomasina, ary hitsidika ny valan-javaboahary any Ankarafantsika.

062mahajanga_marainavoalohany-058.jpg

(ity no maraina voalohany nifohazana rehefa reraky ny alina nijery ny Bord. Nifampizaràna ny raharaha rehetra (tsena, nahandro, sasa lovia sy vilany, sns…) ka ity ihany koa no andro voalohany nikarakarana lakozia ho an’ny tompon’anjara tamin’io andro io. Lafo mantsy raha hoe hamonjy toeram-pisakafoanana foana. Nanofa trano tamin’ny Ministeran’ny Jono ny fikambanana, dia efa ao anatiny daholo ny rehetra afa-tsy ny Gaz fampiasa an-dakozia. Tsara tokoa raha ilay toerana –CDCC- Centre de Developpement de la Culture de Crevettes. Nifanampiana teny avokoa izay hita fa tokony hifanampiana). Niraisana ny trano fidiovana izay miisa efatra, sy ny Trano fivoahana efatra ihany koa, ka tsy nahagaga raha nilaharana  hatrany satria maro be ny mpampiasa. Olona efa ho telopolo mahery. Ny toetr’andro rahateo mafana)  Rehefa vita ny kenonkenona samihafa dia niomana handeha any amin’ny tora-pasik’i GRAND PAVOIS ny rehetra. Raha vao nivoaka ny trano anefa  dia nahita ity votry ity somary mihataka kely ny efitrano fandriana ity, manamorona ny dobo fiompiana crevettes

067avylavitra-mahajanga_votry063.jpg

Vonombonona hamonjy tora-pasika ary ny rehetra nony maraina.  Toy izao no atao hoe tora-pasika miandry vahiny

069grand-pavois_masoandromiposaka55.jpg

070grand-pavois_miandryolona72.jpg

071grand-pavois_nylokonyplage071.jpg

Milamina sy madio ery anie izy izany e ! Inay anie aho mponina ety, fa angamba dia mifampitady isan’andro ety ambony tora-pasika foana , jereo amin’izao loko izao fotsiny e ! Iza no tsy hankafy sy tsy ho rendriky ny nofinofy mahita an’izao. Hafa mihitsy na ilay loko mizara telo aza an!) Dia ireny fa tonga àry ny mpivahiny, hiarahaba ny tora-pasika voalohany, no sady koa hiaino ny siokan’ny onja efa nikaika azy hatry ny ela

073grand-pavois_plage_madio.jpg

sy hisangy ny onja ho toy ny mpisakaiza efa nifankahazatra hatry ny ela. Tsy tokony ho adino anefa ilay hiran’ny tarika Voanio hoe ‘Io ranomasina io anie ka manonja, tsy mba manafosafo fa mitondra’. Koa tandremo ihany fa sao fifaliana no notadiavina ka fahoriana no fihàzana. Kely sy bitika tokoa mantsy ny olona raha oharina amin’io ranomasina io, tsy ampy hateliny akory. Araho an-tsary anie dia ho hitanao e! Sa tsy izany? Jereo anie ireto ankizy mifaly ery eee !

074grand-pavois-fifalianyankizy108.jpg

Eny fa na dia izao aza vao tafaraka sy nifankahalala dia efa mahay mifangaro sahady ireto izy)

075grand-pavois_ankizymilona80.jpg

078grand-pavois_bitikanyolona19.jpg

(Ilay ranomasina tsy ahalaniana iray zinga dia efa hahafaty raha tsy mitandrina, tena bitika tokoa ny olona k’ity. Tsy ampy ateliny tokoa moa izany

   079grand-pavois_onja_mangorompotsy.jpg 

tsy misakana antsika hankafy ny onja anefa izany

080grand-pavois_onjafotsymanjopika80.jpg

081grand-pavois_misangyonja047.jpg

082grand-pavois_fasikamadio26.jpg

 Fa nisy itony zavatra mivoaka tsikelikely avy any anaty fasika itony, ary tena nahavariana sy nahafinaritra ery ny njery azy an ! Ny foza, hono, no mamoaka azy avy ao ambany ao. Tsy mety mifangaro izy io raha tsy hoe voadonanao angaha, fa dia izay mivoaka dia mihorona eo ambonin’ny teo aloha hatrany ka mivangongo toy ny tendrombohitra kely.

083grand-pavois_fainonaaryitony45.jpg

Maro ny fialamboly azo natao teny amorontsiraka teny ankoatry ny filalaovana ranomasina. Teo ohatra ny fitaingenana vedette, ny fanangonana akorandriaka, ny fisotroana ranona coco rehefa manomboka miakatra iny ny hafanàna. Azo atao tsara koa ny manararaotra mihinana huitre satria mbola azo antoka tsara fa vaovao izy ireny. Ety ampotony tsinona k’ah. Ary ny tena nahatsikaiky dia ny nahita alika mba mialoka rehefa miakatra ny maripàna raha vao lasa ny tompon-toerana. 

089grand-pavois_alikamialoka04.jpg

090grand-pavois_miora_alexia.jpg

Ary ity dia nony handeha hody, baobab kely amin’ny làlana mankany amin’ny GRAND PAVOIS ity) 

092grand-pavois_baobabkely70.jpg

Ilaozantsika amin’izay ny filalaovana ranomasina fa handeha hijery ny Bord izay vao avy navaozina isika. Fahafinaretan’ny maso ery ny mitsangatsangana eny amin’izao fotoana. Tsy toy ny taloha intsony mantsy fa lasa toy ny hoe izy no rahavavin’ny Araben’ny Fahaleovantena any Antananarivo. Araho an-tsary indray ary e ! Sady efa manasa anao sahady hitsidika azy i Mahajanga raha vao mahita ilay baobab be ery ampihaviana ery ianao

094grand-pavois_baobab39.jpg

vita tamboho manodidina toy ity ny Bord.

095grand-pavois_mijerymer43.jpg

Mahafinaritra ery ny mipetrapetraka sy mitsinjo ny faravodilanitra eny amboniny eny. 

097grand-pavois_bord35.jpg

Ankavanana eto amin’ity sary ity i fcandy (izay vao 13 ranonorana monja)mpamorona ny http://fcandy.wordpress.com sy ny cousin keliny, eo amin’ny bord afaka kely ny Banky Foibe io. Tsy misy atahorana ny mitsotsotra ety fa sady madio no tsy misy bibikely mandadilady ihany koa. Milamina e ! Izay no azo ilazana azy.

Ny zavatra tsy noeritreretina koa dia ny nifankahitan’ny sasany tamin’ny havany taty ampialàna sasatra taty. Dia hafaliana anie izany hoe mifanatri-tava izany e, avy eo miaraka mitsetsitra sorbet eraky ny tanàna. Rehefa hariva dia misy ny fialana voly ao an-trano (milalao karatra, loto, 1000 boernes sns…. Momba ny fitsangatsanganana tany Ankarafantsika efa nomanina dia haranty an-tsary ho anao amin’ny manaraka ny hita tany. Amin’izay mba milendalenda ianao, ary dia ho avy koa hampitombo isa ny mpitsidika azy. Be zava-mananaina ao anatin’io ala io. Saingy vitsy ihany tamin’ireny no azo sary sy nifanena taminay. Angamba koa noho ny hamaroan’ny olona dia nisitrika ny sasany taminy. Fomba maro no ahafahanao mitsidika io valan-javaboahary io (Mandeha fiara, mitaingina lakana, mandeha an-tongotra toy ny nataonay. Dia arakarak’izay safidy ny sarany aloa.sombin-tsary fotsiny ireto aloha mba hakanao sary an-tsaina azy. Arbre crocodile no anaran’ity hazo be tsilo be ity.

123ankarafantsika-arbre_crocodile30.jpg

119ankarafantsika_menarana2.jpg

111ankarafantsika_sokitra-be-dia-be021.jpg

132ankarafantsika_ala982.jpg

Rehefa tratra hariva avy tany Ankarafantsika dia nisafo tanàna sy nisaika ary nisolo akanjo fotsiny ary dia lasa indray teny amin’ny Bord      

Dia toy izay sy toy izay ny dia Antananarivo, Mahajanga, Ankarafantsika. Miampy ireo fiovana hita tao aminy.

Hifarana ity ny taona 2007 ary ny firariana ho antsika rehetra dia mba ho baliaka mandrakariva ny fiainana, ny fiarahana ary hahatontosa izay rehetra atao, ka fikasana tsara.

Hahay hifampizara hafaliana sy hifanohana, izay no zava-dehibe indrindra

145baliaka.jpg             

17 Réponses

  1. oadray, hay ve i fcandy dia vao 13 taona fotsiny e ! arahabaina fa tena matotra be.
    tena tsara be tsy misy ohatra izany ireto sary. milendalenda izahay. izato volomparasin’ny zakaranda e ! izato mangan’ny farihy ! ary toa efa hita antitra ery ny hilton na amin’ny sary aza. isany nampiova azy ho carlton ve ny fahanterany? lol.
    te ho any mahajanga koa izahay e. mojanga hoy i dadanay tamin’ny fahavelony izay. fa dia arahabaina ianao avylavitra fa tena kanto dia kanto ity. ary ny fikambananareo kosa anie ka dia tena mihetsiketsika e, mahafinaritra hoa.
    misaotra nizara !

  2. Dia mba gaga ihany koa aho ry sipakv. Fa izao Avylavitra a! raha mety dia ataovy lohateny samihafa ny misy ny sary sy ny sokajiny. Ohatra: roapolo raha be ny amin’ny lahatsoratra iray fa hitanao ihany ny aty amintsika fa somary sarotsarotra indraindray ny connexion.

    Dia izao koa: mba nitovy eritreritra indray isika fa dia ny hamoaka tsikelikely ny sarin’Antananarivo toa ny anao izao ihany koa io fikasako mamoaka sary tsikelikely io fa tsy ampy memoire ny fakantsarinay e!

  3. Rohy nomen’i Jentilisa no nahatongavako eto.

    Tongasoa eto amin’ny blaogasifera dia manantena lahantsoratra hafa.

  4. wooooowwwwwwww
    Bonne année be zany ato zany !!!
    Noël nê efa lasa teo ê!!

    Bisoux be Pour 2008 !!

  5. oh la la yesssssssssss 🙂
    kanto dia kanto ary manja tokoa 😛
    tena hainao mintsy ny nitantara azy. Tonga d miaina an’le feeling ny mpamaky 😉

    Ilay lapan’ny fitsarana otran’ny hoe any Grece izany an 🙂
    sao d mba misy hifandraisany @ Grika aza isika hahaha

    tratry ny fety eeeee

  6. mahafinaritra sy mahaliana be ny mahita ny fiovana annn, indrindra fa ho ahy efa ela tsy tany???
    faly koa aho fa tazako ohatran’ny loha paingotra kely eo ny trano misy an’i dada sy neninay any e!!!!!

    misaotra beh

    tohizo hatrany e! mahereza

    tratry ny farany koa e!!!!!

  7. Dia nahatratra soa ny taona 2008 tokoa isika rehetra. Mba ho feno fahatretrehana anie ity taona ity ho an’ny rehetra mamaky ny hafatra. Eny fa na ny tsy mamaky koa aza, nefa manana faniriana tsara eo amin’ny fiainany.
    Sipagasy> Lazao ahy ny laharan’ilay sary dia raha azonao atao, farito ao anaty sary ilay toerana fa halaiko lehibe kokoa, mba ho tanteraka ny hafalianao.

  8. Misaotra betsaka fa tena nahazo fahafinaretana nijery ny sary,tena fahatsiarovana be dia be no nitamberina tato an-tsaina e,mankasitraka tanteraka ny blaogy nataonao.

  9. Misaotra betsaka fa tena mahafinaritra ny sary nalefanao. Mampahatsiahy ny taloha.

  10. Lili> ny tena finaritra dia ny mpamorona azy rehefa mahita sy mahatsapa fa mba nahazoanareo fahafaham-po ny nataony. Mankasitraka indrindra

  11. Tena tsara be re ny sary rehetra ato a! sady nahaafa-po mihitsy ny habetsany!! Mazotoa hatrany e!!

    Za re tena naniry hametraka sary betsaka toy izao koa tamin’izaho tany Mkara, ho ao amin’ny blaogiko fa de indrisy e :
    amanarivony ny sary hazo, fa dia very daholo nony simba ny solosainako.

    Izay fa mbola misaotra hatrany e!!
    Saika adino : mahafinaritra ahy be koa ilay teny malagasinao!

  12. Tokinao> misaotra mankasitraka ny kely vitako. Mandrisika ahy hiezaka hanao tsaratsara kokoa hatrany izany.

    • Roapolo taona katroka no nialako ny tanàna soa tokoa ny sary izay ataonao indrindra fa ho anay izay aty amin’ny lO OOO km kay milay toy izao ilay Gasikara …
      Asa raha azo atao ny miara miasa aminao raha mandalo eto Paris hianao mba hilazao izahay …
      Raha mandalo any Vohitsara ve izahay mba afaka
      manasa anao ???

      Niala ALAIN

  13. slt,
    saika hisy fanamarihina kely akia ann, raha azonao sarahina ny sary fa ny sasany farany ireo izao dia tsy nety nisokatra mihintsy e!!!!, asio lohateny hoe tany an-dalana, alina voalohany sns retsy annn

    mazotoa hatrany e!!!

    ary oudryyy aiza ny lahatsoratra manaraka e!!! efa miandry izahay izao

    mazotoa e!

  14. Sipagasy> izaho anie tena mbola zaza amin’ilay fanaingoana sy fanaovana azy ity e! Tsy azoko akory izao izay tiandry lazaina amin’ilay hoe sarahana. Ny manoratra sy mampiditra sary izao no efa tena voafehiko. Sa hoe amoronana blog manokana ve ny sary dia atao karazana article kely tsirairay avy eo ilay titre mitondra azy? Ohatra hoe ‘article1 = alina voalohany, dia ilay sary mikasika ny alina voalohany no ao anatiny »? Mba toroy izay tokony hatao fa tena na ny manaingo ilay blog aza anie mba tiako ho personnalisé ilay izy fa tsy haiko e!

  15. Voamariko tokoa fa misy tsy misokatra amin’ny machine sasany ireo sary ireo. Nefa rehefa mifindra ordi hafa indray aho dia misokatra daholo. Raha eo amin’ilay ordi tsy mety tonga dia mamoaka ilay sary, dia izao atao.: clic-eo eo ambonin’ilay toerana voatondro misy ilay sary tsy mety misokatra, fa tonga dia manokatra fenêtre ho an’iny sary iny fotsiny ny ordi-nao

  16. tsara be daholo ny sary ry avy lavitra. Ny faramparany kao taty amiko tsy nisokatra 😦

    Misaotra betsaka fa tena ohatry ny hoe tany an-tanàana izany aho 🙂

    Mirary soa @ taona vaovao dia manantena anao haharitra @ fiblaogiavana 😀

Répondre à Tokinao Annuler la réponse.