Izay marary andrianina

Andro iraisam-pirenena ho an’ny marary ny 11-02-2008. Voalàza fa mamono olona an’aliny maro manèrana izao tontolo izao ny SIDA. Dia dradraina koa izany eto Madagascar. Indraindray àza, na ny marina kokoa, dia rakotr’io aretina iray io ny momba ny aretina hafa. Tsy miafina amin’ny maro anefa fa isan’ny tena mahafàty olona maro eto Madagasikara sy eran’ny Afrika, angamba koa aza mbola lasa toerana lavidavitra noho izay, ny aretina tazomoka (paludisme), ny fivalànana sy ny hafa. Samy tratr’izany avokoa, na faritra aiza na faritra aiza, na sokajin’olona toy inona sy sokajin-taona manao ahoana.  Tsy resahana intsony moa ny tsy fahazakàn’ny maro ity rivotra maloto mandrakotra an’Antananarivo isan’andro ity, ka na mitondra areti-maso, na mitondra aretin-tratra ho an’izay mareforefo.

Tsara aloha ilay mahatsiaro ny marary amin’ny andro iray toy izao, fa amiko ny fahatsiarovana azy isan’andro sy ny fisorohana ny aretina tsy hamely azy sy ny hafa intsony no tena lafatra.

Isan’ny tena hitako ho maika ohatra ny fanatsaràna ny foto-drafitrasa

Ndeha ho tantaraiko anao izay nahazo ahy tany amin’ny taona 1998 tany, ary mbola niainan’ny maro taona maro taty aoriako.

Voan’ny peritonite aho ary tsy maintsy hanapàhana ny tsinaiko raha mbola te ho velona hoy ny mpitsabo roa izay nanara-maso ny fahasalamako. Teny amin’ny HJRA aho no nalefa maika tamin’izay. Amin’ny valo ora aho no tonga tao, nefa tsy voaray raha tsy ora telo taty aoriana. Ny antony dia efa lasa nody daholo, hono, ny mpiandry raharaha (infirmiers de garde) nandritry ny alina. Sendra handeha hody indrindra anefa ilay mpandidy iray ao anatin’ny tarika mpihira malaza iray fantatry ny maro iny no nahita ny fahoriako teo an-dalantsara ka nitsetra. Notsapainy aho ary dia nikoràpaka izy nitady efitra hampidirana ahy. Nandritra izany anefa dia nandalo teo ambany masoko ny latabatra fanosika sy fitondrana ireny fitaovana fandidiana ireny.

Niverina tsy nahita efitrano ity mpandidy, ary ny hevitro kosa efa tapaka fa tsy hijanona ao amin’ity hopitaly ity aho. Tsikaritro teo ambonin’ilay latabatra mantsy ireo fitaovana fandidiana efa nisy harefesenina (rouilles). Hoy aho, any anatiko any, hoe « Ny kiboko ve hosokàfana amin’ny fitaovana maloto toy ireny ? Sanatria! Dia nangata-tsodrano taminy izahay handeha ho eny amin’ny HOMI (ex-Girard et Robic).

Efa tsy navela nisakafo intsony aho nanomboka ny marainan’io andro io. Ny hanoanana efa namely mafy mihitsy.

Tonga soa aman-tsara teny amin’ny HOMI  àry aho, ary dia niandry Bloc opératoire hatramin’ny dimy ora hariva  fa tonga, hono, dia hatao. Nifandimby teo anefa ny ora ka tonga ihany ny tamin’ny fito ora sy sasany hariva. Tsy mbola niditra ihany aho ary dia nasaina nisakafo fa ny ampitso indray, hono, vao tsy misakafo maraina. Nolazaina fa anjarako mantsy  ny miditra Bloc vao maraina.

Lazaiko anao fa tena mafy kay ilay tsy mihinana sakafo iray andro manontolo. Fa na ny zavatra tsimponin’ireny lazaintsika fa 4’mi ireny aza dia satrinao hosintonina eny an-tànany. Izany no tsapako rehefa nitazantazana avy eo am-baravarankelin’ny HOMI aho nandritra iny andro voalohany iny.

Vita soa aman-tsara ary ny fandidiana ahy ny ampitso. Ary navela haka aina andro vitsy tao amin’ity efitra tsara tarehy nandraisana ahy ity aho.

Ho fanohizana ny fitsaboana anefa, satria nisy otrikaretina tuberculose mpamely manokana ny tsinay nahazo ahy (ny aretin’ny tratra « tuberculose pulmonaire » ihany, hono, no mifindra fa izy ity kosa tsy mifindra , toy izany koa ny mpamely ny taolana) dia nalefa nifindra efitra teny amin’ny Pavillon Roque aho. Ao amin’ny HOMI ihany izy io. Ny nahatongavako tao koa no ela dia nangataka ny hivoaka aho ora vitsy taty aoriana, fa naleoko nanao hopitaly an-trano. Ny antony indray teto dia ny fahadiovan’ilay toerana mihitsy (nefa hopitaly an!). Mankany amin’ny W.C. aza ianao dia voatery mitondra elo satria mitete ny tafo (nefa ao anaty trano ihany), sns… Ny fanafody indray aloha dia naharaka tsara, ka dia tonga fotsiny aho maka ny anjarako isan’kerinandro.

Tsara hoy aho ny mahatsiaro ny marary amin’ny andro iray, fa tsara kokoa ny manampy ny olona tsy harary.

Ny aretina anefa tsy maintsy hisy, satria ny olona tsy maina fa lena. Ary rehefa marary dia enga anie ho tanteraka ilay fiteny Malagasy feno fahendrena hoe ‘IZAY MARARY ANDRIANINA ». Fa tsy hitanty vava ratsy sy kitakita avy amin’ny mpitsabo ny tambanivohitra sy ny tsy manambola.

Lazaiko eto koa fa fony izaho narary teny amin’ny hopitaly, dia mandoa vola amin’y mpamafa trano ianao raha te ho voavangy matetika sy hitan’ny kofafa ny efitra misy anao. Izany hoe rehefa tsy misy ny vola dia eo ianao no raisina araka ilay fomba  fiteny. Ny halatra ambony latabatra momba ny fanafody moa dia tsy lazaina intsony. Tadidiko tsara fa vola be no lany tamin’ny fanafody talohan’ny nidirako ny bloc fandidiana. Nefa nony vita ny fandidiana ka nojeren’ny fianakaviako ny fanafody nampiasaina, toa tsy nisoratra tao ny maro, ary ny ambiny aza mbola dongian-dry zalahy ho azy. Ny tena moa tsy te-hahita loza satria teo ampela-tànany ny aina, ka dia nangina.

Hay ireto fanafody giazany ireto ka miverina amidy an-tsokosoko amin’izay tena mila azy, na koa mànana toeram-pitsaboana azy manokana (cabinet medical na clinic prive) ry zalahy ka any no avily ny notangosana tsy andrariny tamin’ireo marary marobe.

Dia ahoana ilay voady fanaon’ny mpitsabo alohan’ny handraisany ny akanjony e? Ny sasany anefa raha dondoninao amin’ny alina, na dia olom-pantatra izao aza, dia mandà mafy hoe « aleo rahampitso fa efa alina be ny andro, tongava maraina ». Efa nahazo ahy koa io an! Amin’izay misasak’alina. Dokotera teo ampitan’ilay trano be fonenan’ny miaramila eo Antaninandro izy io.

Sa nivoady koa izy ireny fa tsy mamonjy rehefa alina, fa amin’ny antoandro ihany no fanaovana asam-pamonjena? Toa misy marina ampahany ihany anefa ny azy raha ny resaka tsy filaminan’ny tany ama-monina no lazaina.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny marary, hoy ianao!!!! Asa lahy!!!!

Publicités

Elanelam-panahy

Zavatra isan’ny manahirana ankehitry ny miteny, na mitondra teny. Indrindra fa raha resaka raharaham-piaraha-monina no andraisanao anjara. Miteny tsy mety ataon’ny mpanohitra ianao dia sokajiana ho olon’ny mpitondra, milaza ny kivalavala ataon’ny mpitondra indray ianao dia lazaina fa hoe mpanohitra. Izany hoe bedy ianao raha vao mitoetra eo anelanelany. Fa na ho tezitra aza aloha ianao mamaky io na hibedy ahy, dia izay tiako ihany io. Metimety ny ataon’ny ankaviako, dia miara-miasa aminy aho, rehefa tsy lanin’ny vavoniko kosa dia kianiko. Dia toy izay koa ny ao ankavanako: manao ny tsara izy dia tohanako, mitady hivarina an-kady dia ahitsiko. Fa izay sarotra anarina kosa kapohako. Mijanona eo afovoany mandrakariva aho izany. Na ho bedy aza! Izay no tiako tsinona k’ah! Raha mety moa hoe izy roa mihitsy no hampiaraka amiko dia sakambiniko amin’ny tanako havia ny mpanohitra, ary entiko amin’ny tanako havanana ny mpomba, satria samy Malagasy daholo anie ireo e! Io tsy fahaizana mampandefitra hambom-po io no hitako ho kilema ratsy eo amin’ny ankabeazan’ny olona. Tonga dia misotro fotsiny ny « Halako hatramin’ny tsinay maintiny », dia izay. Ka na inona na inona hevitra, na zavatra tsara entin’ilay tsy nitovy firehana tamin’ny tena, dia « tsia » avy hatrany foana no asetry azy.Mba tiako ho hita ny fomba fisainan’ireny olona ireny raha apetraka ambony nosy kely iray anivon’ny ranobe feno voay: olona roa tsy mitovy fihevitra atao anaty lakana iray tsy misy afa-tsy fivoy roa,ny rano koa amin’io lalina tsy takatr’ilay hazo fitondran’ny mpaka fasika ireny. Ny lalana mody anefa tsy maintsy asiana olona. Dia ahoana? Hiara-hiakatra ao anaty lakana, hifanampy hivoy, sa hamela ny iray ho lanin’ny voay fa « raha maty aho, matesa rahavana », sa ahoana? . Enga anie ka mba hahita ny marimaritra iraisana, ka ny lakana hisosa (ny lakana eto dia anehoako ny firenena, na dia hiadana fisosa aza), ary ny olona tsy hisy ho faty (ny olona kosa indray dia ny mpanohitra, ny mpomba ny fitondrana, ny valalabemandry).

Gaga angamba ianareo hoe inona no anton’ny lahatsoratra. Tsotra fotsiny: mahita ireto mpilaza vaovao mpomba ny fitondrana, mandranitra fotsiny ny saim-bahoaka ireto isan’andro aho ka leo, tena leo! Misy dia tsy manana hatao isan’andro afa-tsy ny mamorona lahatsoratra hamelezana na hanaratsiana an-dranona sy ranona. Fa mba rahoviana ilay fisainana hoe « esprit critique », sy « critique constructive » vao ho hainareo mpanao gazety ireny ampidirina sy hitaizana vahoaka e? (Tsy ny mpanao gazety rehetra kosa aloha no kianiko eto an! Aoka hahatsapa tena izay tokony hahatsapa tena). Sa dia izany tokoa no fomba filalao ity politika ity fa izaho no tsy mahay? Izaho mantsy tsy mpilalao io taranja iray io, koa aza gaga raha tsy haiko hatramin’ny fitsipi-dalao.