REMISE DE PRIX FOKO

Vita soa aman-tsara tanaty ambiance familiale ny fanolorana loka avy amin’ny FOKO Blog Club, natao teny amin’ny URBAN CAFE teny Ampasanisadoda. Nanatrika ny fihaonana teny i Tosoa, Glou (filoha mpitarika ny Namana Serasera Dago), Blanche007 (Namana Serasera Dago), Rmstephy (Namana Serasera Dago sady mpitoraka blaogy zandriny ao amin’ny Foko), Patie (Foko), Tantely (Foko), Stephane (Foko) SIPAGASY (nisolo tena ireo namana any am-pita), vazaha vitsivitsy tsy fantatro anarana, Ravatorano (zokibe ao amin’ny Namana Serasera Dago), Nombana (Foko), mpanao gazety avy ao amin’ny Les Nouvelles.
Isaorana anareo mianakavy nikarakara ny zavatra toy ireny (mivantana manokana ho an’i Jogany, Lova, Mialy, Harinjaka, Sipagasy – ary ialàna tsiny raha misy tsy voatanisa), ary isaorana eto koa ny Namana Serasera Dago izay loharano nipoiran’ny tena rahateo. Samia ho tahian’Andriamanitra ary haharitra ela eto amin’ity sehatry ny fitorahana blaogy ity. Izay sehatra ahafahana miteny malalaka tsy misy sivana (Ny tenanao ihany no mpanivana mantsy e!).

Publicités

FAHATSIAROVANA

Fahatsiarovana

60 taona no lasa
ka avia ary dia mba tsahivo
tamin’zany no kila sy may
‘lay lapan’Antananarivo

Ory ny fon’ny vahoaka
nahita ireo dona-tsetroka.
Any anatiny mangorohoro
te-hitroatra ary koa sempontsempotra.

Vetsovetson’ny fo tamin’izany,
ny sisa mba reko tety
hoe rahoviana vao mba hisy indray
ny ho solon’ity lapa ity?

Kinanjo fe ankehitrirny
tsy nisy izay nanelingelina
nijoro ilay Andrin’Iarivo
nitsangana ilay RAJOELINA.

Nampian’ireo mpanolotsaina
mitafy ny fanantenàna
hanorina iray vaovao
ho lapan’izato tanana.

Dia lapan’ny tanàna mijoro,
voakaly sy manara-penitra,
manaraka ny toetr’andro
no tsara tarehy sady mendrika.

Ny asa rehetra avy eo
dia ho fanasoavam-bahoaka
mitana ny marina hatrany
ho lavitr’izay ampamoaka.

Dia lapan-tanàna hanehoana
ny marina miharihary
ka ny fomba fiasa himasoana
dia ny asa fa tsy mba kabary.

‘ty toerana hasiana azy indray
no aoka hasiam-pitenenana
fa tena kianja mitandro
an’ilay fandriam-pahalemana.

Tsy kianjan’ny ramatahora
na fidinana an-dalambe,
fa kianjan’ny fifankatiavana
ary izany no hatao rehareha.

Dia kianjan’ny firaisankina
ekena tsy misy fandàvana
satria Malagasy miray
tsy misy mifanavangavana.

Ka raha 13’ny mey
no lavenona ilay teo aloha
dia ny 17’ny mey
no hajoro eto ilay faharoa.

Ka ny dinan’ny mpifankatia
no dina hifanaovana anio,
tsy ho fihatsaram-belatsihy
fa ekena amin’ny fo madio.

Ny tanjona hany tratrarina,
no sady hiaraha-mitazana,
dia ny hasin’Antananarivo
renivohitr’ity tanindrazana.

Andriamanitra Ray ao ambony
anie hitahy an’ity fikasàna
hamita ary koa hampijoro
ny lapan’izato tanàna

Nosoratan’i RADO (georges ANDRIAMANANTENA), ary novakiana imasom-bahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13 mey nandritra ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny vatofehizoron’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo hajoro manombokoa ny ampitson’io, mba ho solon’ilay efa may, 36 lasa izay

AZA MAHAVOA NY GOAVY MANTA

Misy aminareo namako no mahalala fa nampiantrano tra-boina tamin’ireny rivo-doza Ivan ireny izahay. Nisy fotoana anefa nirodana ny ampahan-drindrina tamin’ireo trano roa nandraisana  ireo tra-boina. Tsy maintsy nifanarahana tamin’ny tompon-trano nifanila izay niantefan’ny an’ny tena ny fanamboarana ny zavatr’olona, izay mbola eo an-dalam-pamitana ankehitriny.
Fa izao indray tamin’ny Zoma talohan’ny fetin’ny Pentekoty teo dia maty ilay ramatoabe tao amin’ilay fianakaviana kely faharoa. Olona sahirana ara-pivelomana moa ireto olona ireto satria rangahy mpanao asa an-tselika, ary ramatoa renin’ny ankizy kosa  mpamafa lalana ao amin’ny fivondronana. Iarahan’ny rehetra mahalala tsara fa na ny Zones Franches aza ankehitriny dia mismisy ihany ireo manala mpiasa (Floreal ohatra).
Fa izay tena goavy manta amin’ny tantara dia ny nahazo anay mivady. Tonga nampandre ny fahafatesana taty an-tranonay ny zanaky ny maty ny Alarobia vao maraina be. Nilaza ry zareo fa ny Sabotsy amin’ny iray ora no miala ao an-tanàna ny razana. Koa satria moa ny tena tsy eto an-tanàna raha tsy efa alina ny andro, noho ny anton’ny asa, dia nanapa-kevitra ny hamangy rehefa Zoma hariva. Novidiana ny lambamena hatolotra ireto fianakaviana mahantra (miala tsiny sao misy mandray io teny io amin’ny fomba hafa fa tena izany mihitsy no toerana misy azy ts’inona). Roso ny dia niala an’Andravoahangy ho eny Ambohimanarina ,nony tonga avy any Ambohimanambola aho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tonga tany an-toerana nanodidina ny tamin’ny enina mahery kely teo. Ireo fianakaviana koa amin’io fotoana io tena mbola vory tanteraka tao an-tanàna, ary mipetraka ao an-tokantrano toy ireny mana-manjo rehetra mbola miandry mpamangy ireny.
Nisy nanontany ary izahay nony tonga teo am-bavahady (olona tsy nahalàla anay rahateo no niandry teo). Rehefa nilaza izahay fa hamangy ny mana-manjo (izahay rahateo tsy nitonona mihitsy hoe ny tompon-tanàna), dia nampandrosoina. Natao ny famangiana, toy ireny hoe mbola am-bohitra ireny ny razana. Natolotra ny vola sy ny lambamena.
Rehefa vita izay rehetra izay, ka nivoaka izahay mivady vao notsenain’ny zanakalahin’ny maty tany an-tokontany, sy nilazana fa vao tonga avy nandevina an-dreniny ireto fianakaviana.
Sanganehana tanteraka izahay ary tsy nahita izay havaly sy hatao intsony satria mbola saiky hiala tsiny noho ny tsy hahafahana mandevina ny Sabotsy (samy mbola hamita asa mantsy amin’io andro io)no sady tsy afaka tonga aloha ihany koa namangy sy nitondra izay mba fanampiana azo natao, na dia isan’ireo olona nilazana voalohany aza.
Namaly anefa ilay zanany fa tsy misy ny tsiny satria izy ireo no tsy  afaka nampilaza ara-potoana intsony noho ny dokotera no nanery azy ireo handevina haingana ny razana fa tsy azo tazonina ela intsony (Narary fo mantsy ilay ramatoabe ka efa ela tokoa no nivonto be ny tenany, tsy nahita ny masony ary nanjary tsy nahare intsony koa ny sofiny, ary dia nentiny mandra-maty ireo rehetra ireo).

Na izany aza,  « Aza mahavoa ny goavy manta » toy izany ry zareo fa tena …….