REMISE DE PRIX FOKO

Vita soa aman-tsara tanaty ambiance familiale ny fanolorana loka avy amin’ny FOKO Blog Club, natao teny amin’ny URBAN CAFE teny Ampasanisadoda. Nanatrika ny fihaonana teny i Tosoa, Glou (filoha mpitarika ny Namana Serasera Dago), Blanche007 (Namana Serasera Dago), Rmstephy (Namana Serasera Dago sady mpitoraka blaogy zandriny ao amin’ny Foko), Patie (Foko), Tantely (Foko), Stephane (Foko) SIPAGASY (nisolo tena ireo namana any am-pita), vazaha vitsivitsy tsy fantatro anarana, Ravatorano (zokibe ao amin’ny Namana Serasera Dago), Nombana (Foko), mpanao gazety avy ao amin’ny Les Nouvelles.
Isaorana anareo mianakavy nikarakara ny zavatra toy ireny (mivantana manokana ho an’i Jogany, Lova, Mialy, Harinjaka, Sipagasy – ary ialàna tsiny raha misy tsy voatanisa), ary isaorana eto koa ny Namana Serasera Dago izay loharano nipoiran’ny tena rahateo. Samia ho tahian’Andriamanitra ary haharitra ela eto amin’ity sehatry ny fitorahana blaogy ity. Izay sehatra ahafahana miteny malalaka tsy misy sivana (Ny tenanao ihany no mpanivana mantsy e!).

6 Réponses

  1. Misaotra amin’ny tatitra fa tena liana no sady mba manantena sary tsy ho ela izahay mpamaky e 😀

  2. Les photos ! Les photos ! Les photos !

    En attendant : CLAP ! CLAP ! CLAP ! à tout le monde !

  3. manja e ! dia mahavita bebe kokoa daholo…

  4. […] Avec un coordinateur en route pour Majunga et des bloggers trop occupés à blogguer, nous laissons … Cette semaine aura lieu celle de Majunga et la semaine prochaine de Toamasina. Si vous n’êtes pas encore au courant des lauréats et des géniaux bloggers du FBC, allez-y courrez vite ! With one coordinator on his way to Majunga and all the bloggers  busy blogging, Avylavitra took the time to publish his report on FBC Awards Ceremony which tool place at Urban Café in Antananarivo last Saturday May 24th. This week Stéphane will be hosting Majunga ceremony and next week we’ll hear from Toamasina. If you haven’t heard about the contest already or don’t know about FBC (Foko Blog Club) yet, go check our posts! […]

  5. miandry sary e!!!!!!!!

  6. ireto ny sary ry namana ô!
    misaotran’ireo mandray anjara sy ireo betsaka nanatrika (snif beee)
    Tantely and Tintine

Répondre à Many Annuler la réponse.