MALAGASY AHO

MALAGASY AHO

Noho ny rà Malagasy mikoriana ato anatiko
Dia Malagasy foana aho mandrapahafatiko !
Malagasy avokoa na ny Raiko na ny Reniko,
Malagasy ihany koa na ny fomba sy fiteniko.

Ny tanindrazako asandratro dia i Madagasikara,
Nosy tiako sy arovako : tanindrazako malala !
Ny teny Malagasy no hany tenindrazako :
Io no teny andrianiko, iandronan’ny fitiavako.

Ny sainam-pirenena dia ny maitso fotsy mena :
Ny maitso dia ny voahary sy ny fo manantena,
Ny fotsy dia vahoaka ilay mitafy lamba soga,
Ny mena dia ny tolona sy ny ràn’ireo voazioga !

Ny mpiray rà amiko dia isika Malagasy :
Isika no iray aina sady koa iray vatsy,
Isika ireo no voafatotra amin’ny hasi-pihavanana,
Ka tokony hifanampy sy hifanome tanana !

Isika Malagasy ihany no hany afaka hanafaka
An’i Madagasikarantsika ao anatin’ilay lavaka…
Ka na inona mitranga, na koa iza no filoha,
I Madagasikara hatrany no hijoroantsika aloha !

AINA NIRINA
(26 jona 2015 tamin’ny 14 :05)

GASY LEITSY IALAHY

GASY LEITSY IALAHY

Gasy leitsy ialahy a, mba hajao ny tenin~drazana,
aza ny an’ny hafa no vonjena hiantsampazana.
Mba miangavy leitsy a, aza dia ambaniana,
tsy hiala tsy ho gasy ialahy na oviana na oviana.

Gasy leitsy ialahy a, ka mba hevero tsara
hoe teny toy ny ahoana no lovain’ny ao afara?
Moa ve ny tenin-drazany ilay tena tenin-dreny,
sa ho teny hafahafa tsy ny tenim-pireneny?

Gasy leitsy ialahy a, eo mba saino vetivety,
hoe hiandrasana an’iza no hanitsy izay tsy mety?
anio tongava saina, metez’ialahy hitroatra,
mantsy rahampitso, sao dia efa tara loatra.

Gasy leitsy ialahy a, etsy misikiina hery
ndeha hiara-hamerina ny hasiny efa very
ny lahateny am-bava sy ‘reo kanto an-taratasy
mamy ange leitsy ilay tena teny gasy e.

Fa lovako io, lovan’ialahy, tena lova miezinezina!
ka aza be haitraitra fa ny antsika aloha fehezina.
Adidintsika leisy a, na kely ialahy na lehibe
tsy mahamenatr’io, maika aza rehareha…

Mahefa IARANTSOA Septambra 2014

JONA: IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY (#MYARY)

Hoy i Faly Andriamiarimbelo tao amin’ny Facebook tamin’ity anio ity, raha nahatsiaro fa Volana ho an’ny Teny Malagasy ity volana Jona ity:

 

Ny zavatra efa very na an-dalam-paharinganana na tsy tsapan’ny olona ny hasarobidiny no anokanna andro iray (andro iraisam-pirenena ohatra) na vanim-potoana iray miavaka ho fankalazana azy manokana. Dia mba mifakaiza amin’izany àry ity fotoana natokana ho IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY ITY!

JONA: IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY

Ito volana ito raha ara-taratasy
dia VOLANA IRAY HO AN’NY TENY MALAGASY!
Dia lasa teo ny saiko nandinika izany,
lotika ny foko ka rotsaka tomany,

nijery ireto tranga iainantsika Gasy,
kely sisa isika dia Gasy an-taratasy!
Milaza ho Malagasy kanefa dia safiotra
nopahon’ny fivoarana dia nentiny niriotra,

ka nanavatsava tehezam-pandrosoana,
toa zary nampijotso ‘lay fanatontoloana.
Ilay teny malagasy kanto, sarobidy
zimbaina sy soloina, atao valalam-biby.

Maro isika Gasy tsy mahay ny tenin-drazany
babon’ny an’ny hafa sa ny azy tsy sahazany?
Kanefa Malagasy, tena Gasy ray sy reny,
fa zendana ianao raha maheno azy miteny….

Ao ireo tsy mahay miteny gasy intsony
ka tenin’ny vahiny no tiany sy tompoiny,
ao koa ny mampirafy teny gasy sy vahiny;
tena disoako ianao ary anariako tsiny!

Fa angaha ny tenintsika tsy ahafahana mitafa
no dia soloina tenin’ny firenena hafa?
Fa angaha ny tenintsika tsy mahazaka sehatra
no dia afangaro amin’ny teny mamoehatra?….!

Izao no tadidio ka raiketo ao an-tsaina:
ny tenin-drazantsika mahalaza izay lazaina,
ahafahana mamoaka izay mety ho vetsom-po,
ahafahana mikatsaka izay mety ho mahasoa….

Ny tenintsika koa raha toa ka jerena
kanto sady feno ary koa manan-karena,
n’amin’ny voambolana na haingon-teny an-tsary:
ny hainteny sy ny jijy ary ny hosika, kabary,…

Sy ny maro hafa izay tsy ho voatanisa….
Tena tonga lafatra ka tsy ary ho voavisa!
Ka anjarantsika ny mikajy sy mandalina
tsy hanao rapa-dango sy tena mba ho malina.

Ilaina hofehezina ny tenin’olon-kafa
mba ifanakaliozana, ahafahana mitafa,
anovozam-pandrosoana, ikatsaham-pivoarana;
kanefa tsy midika fa ny an’ny tena ihoarana!

Ampy angamba izay, raha tsorina dia izao:
hajao sy andriano ny tenin-drazanao,
ary aza soloina, afangaro sy zimbaina;
Gasy foana ianao, izay ataovy an-tsaina!

Ka ‘ndeha anao fanamby izay sahy hiaraka amiko
hanandratra ny hasin’ny tenin’ito taniko
hijoro tsy ho menatra ary koa tsy hangasiasy,
tsy hampiasa isika raha tsy teny malagasy.

Manomboka anio, mandritra ny iray volana,
fohy kely izany ka ataoko fa tsy ho olana.
Ny kanto rehetra haseho sy faka ny an’ny namana
dia Gasy ranoray fa io no iaraha-manana.

Tsy hasiana fanafohezana fa atao tonga volana
ampy zanatsoratra fa izay ko no tena olana.
Tsy hasiana ihany koa ireo abidy vahiny,
manakona ny kanto ka aoka tsy ho tsiny.

Izao kosa anefa no mba tena hiangaviana:
tsipelina izay diso dia ‘ndeha hifanapiana,
ampio, toroy izy, ataovy am-pitiavana,
dia raiso am-pitsikiana fa fanampian’ny havana.

MYARY: 06 – 06 – 2014.

 

Nadika tsy nasiam-panitsiana avy amin’izay nanoratan’ny mpanoratra azy n y firafitry ny teny rehetra etsy ambony.

Iza ilay P…M…

Iza ilay P…M…

 

Paingotra Manindrona, no raisina lalaovina
vato ts’isy bao, no andramana atataovina
tongo-ts’isy kapa, no hanitsahana tavoahangy
na inona atao, mipoaka eo ny nangy

Politika Maloto, no ahodinkodina
ilay tandrimondrimon-tseza, io izao fa mandodona
rora mitsilany,sy vadi-palitao
tsipa-doha-lakana, no atao kilalao

Petaka Maimaika noheverina hilay
kajy an-tendro-molotra, sandan’ala safay
laingo marefo tendro, tsy mazava fototra
tsy misy loha sy vody, fa mifamotopototra

Poaka Maso an’ila, manjaka anivon-jamba
trondro milomano, miaraka amin’ny mamba
fanjaka-marefo, ratsy vodi-vato
manomboka mihidy ny vavan’ny harato

Paika Mandamoka , tetik’ady momoka
kajy diso fiainga, mbola tsy tsara bonoka
voavidy ity ny lohany, fa ilay maso natahorana
no tsy hahavitana raha, tsy hita hifotorana

Paoma Manta kisoka, ela vao hatoy
aiza ilay anarana, toa tsy mety foy
ny olona efa noana, ireo nanantena kivy
omeo dia asiana sira, na dia marikivy

Raozigasy Tononkalo

Ny tontolon’ny asam-panjakana Malagasy

Fony vao niditra niasa kelikely tamin’ny orinasa iasako ankehitriny aho (orinasam-panjakana) dia nahita fomba fiasa sy fanao tsy mety (tsy mifanaraka amin’izay tokony hampandeha tsara ny asa). Zava-poana anefa ilay eritreritro hanatsara zavatra satria sady tsy nety natoro, no tsy nety nanitsy tena ity lehibeko. Taty aoriana dia zendana aho nahalala fa ity izaho nandalo ny Anjerimanontolo anie ka baikon’ny olona tsy manana afa-tsy CEPE (ilay cadre ambony mibaiko ahy). Vitany mihitsy aza taty aoriana ny niteny fa tsy ilaina izay fianarana, fa izy jerena, tsy manana afa-tsy CEPE nefa sefo. Koa hahagaga ary ve raha tsy mandeha amin’izay tokony ho izy sy araka izay andrandraina ny asam-panjakana e? Jereo anie ireto tarehi-marika ireto e:

Nivoaka ihany ny marina tamin’ny gazety iray novakiako androany (MADAGASCARA Laza N°1087 – 11 juillet 2008, fa ny 50% amin’ny mpiasam-panjakana dia tsy manana ny maripahaizana (diplome requis) amin’ny toerana omena iandraiketany.

Raha toerana ilana maripahaizana Maitrise no mihoatra, dia 69% amin’ireo mitana izany no ambany lavitra noho izany no dingana vitany teo amin’ny fianarana.
Raha asa ilana maripahaizana BACC dia 33,8% amin’izay mitana izany andraikitra izany no tsy manana ny maripahaizana tokony hitazonana ny toerana
Raha toerana ilana BEPC farafaharatsiny, dia 51% amin’ireo mitana izany toerana izany no tsy manana io maripahaizana io.
Raha toerana ilana CEPE dia 47% amin’ireo olona miandraikitra ny asa ilana izany no tsy manana maripahaizana mihitsy mifandraika amin’io.

Ekena tokoa fa misy ny olona tsy manana ilay maripahaizana, nefa rehefa miezaka sy mamola-tena eo mandritry ny fotoana ela dia tonga mahafehy tsara ny asany, raha ny mifanohitra amin’izany kosa no ankamaroan’ny tranga hita.

Ireo antontan’isa ireo dia nalaina avy amin’izay naroson’ny Fonction Publique (Asam-panjakana)

Andanin’izany anefa dia betsaka ireo olona manana maripahaizana ambony no lasa mitondra Taxi, Taxi-be, na mirotsaka amin’ny sehatra hafa tanteraka, tsy liana afa-tsy ny maripahaizana farany ambany mihitsy noho ny tsy fahitana toerana. Hay va re ka ny toerana tokony ho azy ireny sy tokony hitondrany fampandrosoana ho an’ny firenena ka dia dongian’ny sasany tsy alehany akory. Aza mahavoa ny goavy manta!

Tsy mahagaga araka izany raha mahazo vahana koa ny kolikoly satria , ny tsy mahay tsy maintsy manambitamby ny mahay mba hampandeha ilay asany, sao rakatra eo ny fika rehetra, dia mitohy hatrany toy izay ilay ‘chaine’ mandra-pahavitan’ny zavatra ho tody hatramin’ny farany.

Mba rahoviana re no hahitantsika mpiasam-panjakana mendrika, marina, mahavita azy sy matihanina amin’ny asany eto Madagasikara e? Sady tsy tohatohanana sy apetrapetrak’i dadatoa sy nenitoa etsy sy eroa fotsiny ?

FAHATSIAROVANA

Fahatsiarovana

60 taona no lasa
ka avia ary dia mba tsahivo
tamin’zany no kila sy may
‘lay lapan’Antananarivo

Ory ny fon’ny vahoaka
nahita ireo dona-tsetroka.
Any anatiny mangorohoro
te-hitroatra ary koa sempontsempotra.

Vetsovetson’ny fo tamin’izany,
ny sisa mba reko tety
hoe rahoviana vao mba hisy indray
ny ho solon’ity lapa ity?

Kinanjo fe ankehitrirny
tsy nisy izay nanelingelina
nijoro ilay Andrin’Iarivo
nitsangana ilay RAJOELINA.

Nampian’ireo mpanolotsaina
mitafy ny fanantenàna
hanorina iray vaovao
ho lapan’izato tanana.

Dia lapan’ny tanàna mijoro,
voakaly sy manara-penitra,
manaraka ny toetr’andro
no tsara tarehy sady mendrika.

Ny asa rehetra avy eo
dia ho fanasoavam-bahoaka
mitana ny marina hatrany
ho lavitr’izay ampamoaka.

Dia lapan-tanàna hanehoana
ny marina miharihary
ka ny fomba fiasa himasoana
dia ny asa fa tsy mba kabary.

‘ty toerana hasiana azy indray
no aoka hasiam-pitenenana
fa tena kianja mitandro
an’ilay fandriam-pahalemana.

Tsy kianjan’ny ramatahora
na fidinana an-dalambe,
fa kianjan’ny fifankatiavana
ary izany no hatao rehareha.

Dia kianjan’ny firaisankina
ekena tsy misy fandàvana
satria Malagasy miray
tsy misy mifanavangavana.

Ka raha 13’ny mey
no lavenona ilay teo aloha
dia ny 17’ny mey
no hajoro eto ilay faharoa.

Ka ny dinan’ny mpifankatia
no dina hifanaovana anio,
tsy ho fihatsaram-belatsihy
fa ekena amin’ny fo madio.

Ny tanjona hany tratrarina,
no sady hiaraha-mitazana,
dia ny hasin’Antananarivo
renivohitr’ity tanindrazana.

Andriamanitra Ray ao ambony
anie hitahy an’ity fikasàna
hamita ary koa hampijoro
ny lapan’izato tanàna

Nosoratan’i RADO (georges ANDRIAMANANTENA), ary novakiana imasom-bahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13 mey nandritra ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny vatofehizoron’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo hajoro manombokoa ny ampitson’io, mba ho solon’ilay efa may, 36 lasa izay

AZA MAHAVOA NY GOAVY MANTA

Misy aminareo namako no mahalala fa nampiantrano tra-boina tamin’ireny rivo-doza Ivan ireny izahay. Nisy fotoana anefa nirodana ny ampahan-drindrina tamin’ireo trano roa nandraisana  ireo tra-boina. Tsy maintsy nifanarahana tamin’ny tompon-trano nifanila izay niantefan’ny an’ny tena ny fanamboarana ny zavatr’olona, izay mbola eo an-dalam-pamitana ankehitriny.
Fa izao indray tamin’ny Zoma talohan’ny fetin’ny Pentekoty teo dia maty ilay ramatoabe tao amin’ilay fianakaviana kely faharoa. Olona sahirana ara-pivelomana moa ireto olona ireto satria rangahy mpanao asa an-tselika, ary ramatoa renin’ny ankizy kosa  mpamafa lalana ao amin’ny fivondronana. Iarahan’ny rehetra mahalala tsara fa na ny Zones Franches aza ankehitriny dia mismisy ihany ireo manala mpiasa (Floreal ohatra).
Fa izay tena goavy manta amin’ny tantara dia ny nahazo anay mivady. Tonga nampandre ny fahafatesana taty an-tranonay ny zanaky ny maty ny Alarobia vao maraina be. Nilaza ry zareo fa ny Sabotsy amin’ny iray ora no miala ao an-tanàna ny razana. Koa satria moa ny tena tsy eto an-tanàna raha tsy efa alina ny andro, noho ny anton’ny asa, dia nanapa-kevitra ny hamangy rehefa Zoma hariva. Novidiana ny lambamena hatolotra ireto fianakaviana mahantra (miala tsiny sao misy mandray io teny io amin’ny fomba hafa fa tena izany mihitsy no toerana misy azy ts’inona). Roso ny dia niala an’Andravoahangy ho eny Ambohimanarina ,nony tonga avy any Ambohimanambola aho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tonga tany an-toerana nanodidina ny tamin’ny enina mahery kely teo. Ireo fianakaviana koa amin’io fotoana io tena mbola vory tanteraka tao an-tanàna, ary mipetraka ao an-tokantrano toy ireny mana-manjo rehetra mbola miandry mpamangy ireny.
Nisy nanontany ary izahay nony tonga teo am-bavahady (olona tsy nahalàla anay rahateo no niandry teo). Rehefa nilaza izahay fa hamangy ny mana-manjo (izahay rahateo tsy nitonona mihitsy hoe ny tompon-tanàna), dia nampandrosoina. Natao ny famangiana, toy ireny hoe mbola am-bohitra ireny ny razana. Natolotra ny vola sy ny lambamena.
Rehefa vita izay rehetra izay, ka nivoaka izahay mivady vao notsenain’ny zanakalahin’ny maty tany an-tokontany, sy nilazana fa vao tonga avy nandevina an-dreniny ireto fianakaviana.
Sanganehana tanteraka izahay ary tsy nahita izay havaly sy hatao intsony satria mbola saiky hiala tsiny noho ny tsy hahafahana mandevina ny Sabotsy (samy mbola hamita asa mantsy amin’io andro io)no sady tsy afaka tonga aloha ihany koa namangy sy nitondra izay mba fanampiana azo natao, na dia isan’ireo olona nilazana voalohany aza.
Namaly anefa ilay zanany fa tsy misy ny tsiny satria izy ireo no tsy  afaka nampilaza ara-potoana intsony noho ny dokotera no nanery azy ireo handevina haingana ny razana fa tsy azo tazonina ela intsony (Narary fo mantsy ilay ramatoabe ka efa ela tokoa no nivonto be ny tenany, tsy nahita ny masony ary nanjary tsy nahare intsony koa ny sofiny, ary dia nentiny mandra-maty ireo rehetra ireo).

Na izany aza,  « Aza mahavoa ny goavy manta » toy izany ry zareo fa tena …….