Fort Duchesne_20mai2010

Marihana eto ampiandohana fa azonao atao ny mijery ny sary ao amin’ny flickr (avylavitra)

Talohan’ny fifandonana dia ny mpihoko nanohana an’i Lieutnant Colonel Andrianjafy Raymond no tompon’ny faritra ambony rehetra.

Teny ihany koa ireo olona tonga nanohana ny antson’ny mpitondra fivavahana. Nisy ny sakana natao nanerana ireo lalana mankany amin’ny toby. Efa vonona tao anatin’ny faritra misy ny fasan’ny maherifon’ny firenena ireo seza sy trano lay hanaovan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana fotoana.

Nidina avy any anaty toby tany ny Gl ZAFERA ka naneho ny tsy hafaliany amin’izao fihetsika ataon’ny ampahany avy ao amin’ny F.I.G.N izao; nakorontany daholo ireo seza efa voaomana teo no sady nolazainy fa fanonganam-panjakana izao ataon’ireto olona ireto izao. Rehefa vitany izany dia niverina nankany an-toby izy ary tsy niala tao hatramin’ny farany amin’ny maha-tompon’andraikitra voalohany azy ao amin’ity toby ity. Araka ny fantatra taty aoriana dia tsy nitsahatra ny nandresy lahatra iretsy mpihoko ny Gl ZAFERA mba hiverina amin’ny fanapahan-kevitra ka hitolo-batana.

Tokony ho tamin’ny 10:15 dia nanokatra ny ‘tantara’ teny amin’ny mankeny amin’ny fasan’ny maherifo (Mausolé) ny F.I.S

Rehefa nahita izany ireo tao an-toby dia nanomboka ny poa-basy voalohany. Naharitra tany amin’ny 20 mn na antsasakadiny mahery tany izany. Rehefa nahita ireo avy amin’ny EMMO/REG fa sarotra ny raharaha raha hidina tokoa ireto avy any ambony, dia nanomboka namaly tifitra sy niezaka ny niakatra nankany amin’ny toby.

Hatrany amin’ny manodidina ny tamin’ny 11 ora na mahery tany ho any ny fifanakalozana tamin’ny tifitra.

100_7791

10:30.Nandefa ny mpianatra tany aminy nody ireo sekoly teny amin’ny manodidina. Hatrany amin’ny Anjerimanontolo (Ankatso) dia najanona daholo ny fampianarana. Ireo mpianatra, zanaky ny tao amin’ny toby ka saiky handeha hody, dia nasaina namonjy avy hatrany ny teny amin’ny Toby Ratsimandrava mba ho fitandroana ny ain’izy ireny. Ny fianakaviana, vady aman-janak’ireo tao amin’ny toby, koa dia niangaviana mba hiala tao sy hamonjy ny toby Ratsimandrava. Nisy tamin’ireny ny vao tera-bao.

100_7827.jpg

12:30 Nanamafy ny filazana ny Cl RAVALOMANANA Richard fa efa nasaina nila tao daholo ny fianakavian’ireo mpihoko. Toy izany koa ireo sivily tonga hanatrika ny HMF. Saingy ireto mpomba ny HMF moa na dia efa voahodidina sy efa tsy afa-manao na inona na inona aza dia mbola nihogahoga sy nanompa ny EMMO/REG avy ery ambony akaikin’ny fasana ihany.

Na dia tsy mitohy aza, dia nisy mitsitapitapy eny ihany ny poa-basy.

12:45. Lehilahy iray no tratra niakatra tamin’ny moto ho any amin’ny FIGN (araka ny teniny mihitsy io an), ary rehefa nosavaina ingahirainy dia nahitana saron-tava tany aminy. Tonga dia notazonin’ny Cl Ravalomanana ny karapanondrony ary nasainy namonjy ny toby Mahamasina izy sy ny moto nentiny. Tsy nanda mihitsy moa ity olona ity fa nilaza mazava hoe azy vao avy novidiany teny Andravoahangy ilay ‘cagoule’ ary handeha hamonjy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no anton-diany.

100_7810 7811.jpg

13:05.  Heno teny amin’ny toerana avo teny fa nisy tamin’ireo mpomba ny HMF no tsy te-halaina sary ka nitora-bato ny foiben’ny La Gazette de la Grande Ile, izay tsy aiza fa aty amin’ny sampana-dàlana miakatra ho any amin’ny Mausolé iny. Nanome baiko teo noho eo ny Cl Ravalomanana Richard ny mba hisian’ny andiana mpitandro filaminana hijery haingana any sy hisambotra izay tompon’antoka amin’izany.

16:XX Niresaka mivantana tamin’ny mpanangona vaovao ny Cl Ravalomanana Richard ary nitady manokana ny mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana sy ny Antsiva (fa toa izany no radio henoin’ireo mpihoko tao an-toerana nisy azy ireo tao). Hita teny foana ny mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana talohan’io fampiantsoana io, saingy nony natao ilay antso dia nanjavona ranamana. Ny anton’ny fampiantsoana moa dia ny mba hahazoan’ny Cl Ravalomanana miditra mivantana amin’ireo onjam-peo ireo hilaza ny faniriany hifampiresaka mivantana amin’ireo ao an-toby mba tsy hisian’ny rà mandriaka. Aleo hoy izy mifampiresaka. Lany fahana mantsy ny findainy araka ny filazany ka dia naleony nandeha tamin’izay làlana izay

Nisy ny fifampiraharahana tany ambadika tany ary niandry hatramin’ny ora farany ny Cl Ravalomanana vao nangataka ny hidirany mivantana amin’ny fampielezam-peo ka nilazany fa ala nenina farany io ataony io satria nadamoka ny fanelanelanana natao hatramin’ny tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any.

Talohan’io anefa dia efa nisy, araka ny filazany, ny fikazan’ny Lt Cl Raymond hitolo-batana saingy matahotra ny amin’ny ainy izy, no koa tsy navelan’ireo namany hivoaka fa hoe miara-maty ao.

4:30 hariva ,a mahery kely teo ho eo no nanomboka ny fiakarana sy fakàna tanteraka ny toby nisy ireo mpihoko. Rehefa azo anefa ny toby dia efa tsy tao intsony fa tafaporitsaka ny Lt Cl Raymond sy ny mpiara-dia sasany taminy. Nisy ny maty tavela tao anaty toby.

Araka ireo vavolombelona nanatri-maso dia nanao akanjo sivily ary namonjy fiara Prado Fotsy efa niandry azy teny amin’ny manodidina teny izy ireo ary nirifatra nanitsy tany Besarety tany. Tsy nisy laharana ny fiara. Nisy ny fanamiana sy fitaovam-piadiana nariana tany anaty kirihitra, ary nisy ny navela tao anatin’ny toby ihany rehefa nandositra izy ireo. Ny hafa tamin’ireto nandositra ireto anefa, araka ny filazan’ireo nahita hatrany, dia nitondra ny fitaovam-piadiany nanaraka azy. Ary nihazo ny renivohitra ny diany.

Tombana: Nanomboka tamin’ny 10 ora mahery tany ka hatramin’ny tamin’ny 5 ora hariva nialana teny an-toerana dia toy izao ny tarehimarika azo:

3 no maty ka FIS iray, F.I.G.N iray, olon-tsotra iray.
maherin’ny 7 ny naratra