MALAGASY AHO
Noho ny rà Malagasy mikoriana ato anatiko
Dia Malagasy foana aho mandrapahafatiko !
Malagasy avokoa na ny Raiko na ny Reniko,
Malagasy ihany koa na ny fomba sy fiteniko.
Ny tanindrazako asandratro dia i Madagasikara,
Nosy tiako sy arovako : tanindrazako malala !
Ny teny Malagasy no hany tenindrazako :
Io no teny andrianiko, iandronan’ny fitiavako.
Ny sainam-pirenena dia ny maitso fotsy mena :
Ny maitso dia ny voahary sy ny fo manantena,
Ny fotsy dia vahoaka ilay mitafy lamba soga,
Ny mena dia ny tolona sy ny ràn’ireo voazioga !
Ny mpiray rà amiko dia isika Malagasy :
Isika no iray aina sady koa iray vatsy,
Isika ireo no voafatotra amin’ny hasi-pihavanana,
Ka tokony hifanampy sy hifanome tanana !
Isika Malagasy ihany no hany afaka hanafaka
An’i Madagasikarantsika ao anatin’ilay lavaka…
Ka na inona mitranga, na koa iza no filoha,
I Madagasikara hatrany no hijoroantsika aloha !
AINA NIRINA
(26 jona 2015 tamin’ny 14 :05)
Filed under: Andavanandrom-piainana, fiaraha-monina, fitantanana, fitondràna, hainteny, iray_volan_ny_TEny_Malagasy, zavakanto | Tagged: #26jona, #andrianiko, #fitiavana, #fo, #madagasikara, #malagasy, #rà | Leave a comment »