NA DIA HOE TSY HO VADY

NA DIA HOE TSY HO VADY

Fantaro aloha ny miafin’ilay endriny mahafatifaty
vao mamel’ilay fitiavany hitsiry ao anaty,
hevero ny takalo sy ‘zay ‘ty sy ‘nday fonosiny
sao raozy no eny an-tanany fa lefon’ an-damosiny.

Diniho ambony ambany ‘reo hevitry ny teniny
sao longoa mitoto-bozaka ezahany afeniny,
dia io ianao sondriana mankafy ‘reo rotsirotsy
hay rentirentim-pasana miloko fotsifotsy.

Fantaro koa ny tanjona kendreny hiafarana
ny vatsy sy ny lalana soritiny ombana,
dieny vao hitia, na dia hoe tsy ho vady
ndrao lala-migodana hamarin’ an-kady.

Mahefa IARANTSOA

MALAGASY AHO

MALAGASY AHO

Noho ny rà Malagasy mikoriana ato anatiko
Dia Malagasy foana aho mandrapahafatiko !
Malagasy avokoa na ny Raiko na ny Reniko,
Malagasy ihany koa na ny fomba sy fiteniko.

Ny tanindrazako asandratro dia i Madagasikara,
Nosy tiako sy arovako : tanindrazako malala !
Ny teny Malagasy no hany tenindrazako :
Io no teny andrianiko, iandronan’ny fitiavako.

Ny sainam-pirenena dia ny maitso fotsy mena :
Ny maitso dia ny voahary sy ny fo manantena,
Ny fotsy dia vahoaka ilay mitafy lamba soga,
Ny mena dia ny tolona sy ny ràn’ireo voazioga !

Ny mpiray rà amiko dia isika Malagasy :
Isika no iray aina sady koa iray vatsy,
Isika ireo no voafatotra amin’ny hasi-pihavanana,
Ka tokony hifanampy sy hifanome tanana !

Isika Malagasy ihany no hany afaka hanafaka
An’i Madagasikarantsika ao anatin’ilay lavaka…
Ka na inona mitranga, na koa iza no filoha,
I Madagasikara hatrany no hijoroantsika aloha !

AINA NIRINA
(26 jona 2015 tamin’ny 14 :05)

GASY LEITSY IALAHY

GASY LEITSY IALAHY

Gasy leitsy ialahy a, mba hajao ny tenin~drazana,
aza ny an’ny hafa no vonjena hiantsampazana.
Mba miangavy leitsy a, aza dia ambaniana,
tsy hiala tsy ho gasy ialahy na oviana na oviana.

Gasy leitsy ialahy a, ka mba hevero tsara
hoe teny toy ny ahoana no lovain’ny ao afara?
Moa ve ny tenin-drazany ilay tena tenin-dreny,
sa ho teny hafahafa tsy ny tenim-pireneny?

Gasy leitsy ialahy a, eo mba saino vetivety,
hoe hiandrasana an’iza no hanitsy izay tsy mety?
anio tongava saina, metez’ialahy hitroatra,
mantsy rahampitso, sao dia efa tara loatra.

Gasy leitsy ialahy a, etsy misikiina hery
ndeha hiara-hamerina ny hasiny efa very
ny lahateny am-bava sy ‘reo kanto an-taratasy
mamy ange leitsy ilay tena teny gasy e.

Fa lovako io, lovan’ialahy, tena lova miezinezina!
ka aza be haitraitra fa ny antsika aloha fehezina.
Adidintsika leisy a, na kely ialahy na lehibe
tsy mahamenatr’io, maika aza rehareha…

Mahefa IARANTSOA Septambra 2014

JONA: IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY (#MYARY)

Hoy i Faly Andriamiarimbelo tao amin’ny Facebook tamin’ity anio ity, raha nahatsiaro fa Volana ho an’ny Teny Malagasy ity volana Jona ity:

 

Ny zavatra efa very na an-dalam-paharinganana na tsy tsapan’ny olona ny hasarobidiny no anokanna andro iray (andro iraisam-pirenena ohatra) na vanim-potoana iray miavaka ho fankalazana azy manokana. Dia mba mifakaiza amin’izany àry ity fotoana natokana ho IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY ITY!

JONA: IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY

Ito volana ito raha ara-taratasy
dia VOLANA IRAY HO AN’NY TENY MALAGASY!
Dia lasa teo ny saiko nandinika izany,
lotika ny foko ka rotsaka tomany,

nijery ireto tranga iainantsika Gasy,
kely sisa isika dia Gasy an-taratasy!
Milaza ho Malagasy kanefa dia safiotra
nopahon’ny fivoarana dia nentiny niriotra,

ka nanavatsava tehezam-pandrosoana,
toa zary nampijotso ‘lay fanatontoloana.
Ilay teny malagasy kanto, sarobidy
zimbaina sy soloina, atao valalam-biby.

Maro isika Gasy tsy mahay ny tenin-drazany
babon’ny an’ny hafa sa ny azy tsy sahazany?
Kanefa Malagasy, tena Gasy ray sy reny,
fa zendana ianao raha maheno azy miteny….

Ao ireo tsy mahay miteny gasy intsony
ka tenin’ny vahiny no tiany sy tompoiny,
ao koa ny mampirafy teny gasy sy vahiny;
tena disoako ianao ary anariako tsiny!

Fa angaha ny tenintsika tsy ahafahana mitafa
no dia soloina tenin’ny firenena hafa?
Fa angaha ny tenintsika tsy mahazaka sehatra
no dia afangaro amin’ny teny mamoehatra?….!

Izao no tadidio ka raiketo ao an-tsaina:
ny tenin-drazantsika mahalaza izay lazaina,
ahafahana mamoaka izay mety ho vetsom-po,
ahafahana mikatsaka izay mety ho mahasoa….

Ny tenintsika koa raha toa ka jerena
kanto sady feno ary koa manan-karena,
n’amin’ny voambolana na haingon-teny an-tsary:
ny hainteny sy ny jijy ary ny hosika, kabary,…

Sy ny maro hafa izay tsy ho voatanisa….
Tena tonga lafatra ka tsy ary ho voavisa!
Ka anjarantsika ny mikajy sy mandalina
tsy hanao rapa-dango sy tena mba ho malina.

Ilaina hofehezina ny tenin’olon-kafa
mba ifanakaliozana, ahafahana mitafa,
anovozam-pandrosoana, ikatsaham-pivoarana;
kanefa tsy midika fa ny an’ny tena ihoarana!

Ampy angamba izay, raha tsorina dia izao:
hajao sy andriano ny tenin-drazanao,
ary aza soloina, afangaro sy zimbaina;
Gasy foana ianao, izay ataovy an-tsaina!

Ka ‘ndeha anao fanamby izay sahy hiaraka amiko
hanandratra ny hasin’ny tenin’ito taniko
hijoro tsy ho menatra ary koa tsy hangasiasy,
tsy hampiasa isika raha tsy teny malagasy.

Manomboka anio, mandritra ny iray volana,
fohy kely izany ka ataoko fa tsy ho olana.
Ny kanto rehetra haseho sy faka ny an’ny namana
dia Gasy ranoray fa io no iaraha-manana.

Tsy hasiana fanafohezana fa atao tonga volana
ampy zanatsoratra fa izay ko no tena olana.
Tsy hasiana ihany koa ireo abidy vahiny,
manakona ny kanto ka aoka tsy ho tsiny.

Izao kosa anefa no mba tena hiangaviana:
tsipelina izay diso dia ‘ndeha hifanapiana,
ampio, toroy izy, ataovy am-pitiavana,
dia raiso am-pitsikiana fa fanampian’ny havana.

MYARY: 06 – 06 – 2014.

 

Nadika tsy nasiam-panitsiana avy amin’izay nanoratan’ny mpanoratra azy n y firafitry ny teny rehetra etsy ambony.

Iza ilay P…M…

Iza ilay P…M…

 

Paingotra Manindrona, no raisina lalaovina
vato ts’isy bao, no andramana atataovina
tongo-ts’isy kapa, no hanitsahana tavoahangy
na inona atao, mipoaka eo ny nangy

Politika Maloto, no ahodinkodina
ilay tandrimondrimon-tseza, io izao fa mandodona
rora mitsilany,sy vadi-palitao
tsipa-doha-lakana, no atao kilalao

Petaka Maimaika noheverina hilay
kajy an-tendro-molotra, sandan’ala safay
laingo marefo tendro, tsy mazava fototra
tsy misy loha sy vody, fa mifamotopototra

Poaka Maso an’ila, manjaka anivon-jamba
trondro milomano, miaraka amin’ny mamba
fanjaka-marefo, ratsy vodi-vato
manomboka mihidy ny vavan’ny harato

Paika Mandamoka , tetik’ady momoka
kajy diso fiainga, mbola tsy tsara bonoka
voavidy ity ny lohany, fa ilay maso natahorana
no tsy hahavitana raha, tsy hita hifotorana

Paoma Manta kisoka, ela vao hatoy
aiza ilay anarana, toa tsy mety foy
ny olona efa noana, ireo nanantena kivy
omeo dia asiana sira, na dia marikivy

Raozigasy Tononkalo

Taratasy ihany

Taratasy ihany

na hivadika hatanjaka ny teknolojia, handroso ny hai-tao
izao ry poeta, no teny sy mba hafatra zaraiko aminao
an-taratasy ihany, tehirizina ny teny sy ny sora-tanana
fa iny no mandafo, ny hasarobidin’ilay ainga tsy notanana

na ho varatra sy henjana, ny fitaovam-pitahiry, hanaraka lamaody
iny fitaovana iny, hiova isan-taona, ka tsy maintsy maody
an-taratasy ihany, tehirizina ny soratra, sy ny rango-penina
ambony ampanga iny, amin’ny fitadidy, sy ny zavatra tenenina

satria ilay taratasy, nitaty dinitr’ainga, fony ilay niranga
ny vinany diso fantsika, ka nampiarinarina ny vetso ho mangamanga
satria ilay taratasy, nadio nanaiky hizara, ny embonao adala
ireo ranomaso latsaka, ireo vinitry ny fo, ireo sento izay niala

ka na ho tonta aza, na ho rovi-tsisiny, na hiforiporitra
ny boika izay avoakany, rehefa any aoriana, hitanao hisoritra
hamohafoha indray, ilay ainganao nandalo, nitady fanaperana
hisentoanao indray, ilay fotoana mamy, nandalo dia niserana

 

Raozigasy Serasera

TIA sy ireo tononkalon’i Raozigasy

TANTELY AFA-DRAKOTRA

TANTELY AFA-DRAKOTRA

Raha lasa ilay mamba
Izay natao hoe vangavanga
Dia nisosoka ny voay
Biby ratsy mpanafay

Nogejaina ireo vokatra
Dia naondrana ny sokatra
Izy ireo tsy te ahalala
Fa mandripaka ny ala

Tonga indray ireo fangolika
Mba hangalatra ny solika
Mody hoe fanadihadiana
Hay tena habibiana

Ireo izay tsy miandany
Ka miseho ho sahisahy
Dia samborina avy hatrany
Mba hameno an’i Tsiafahy

Ny vatosoa sy volamena
Izay tena betsaka tokoa
Tsisy hoan’ny firenena
Fa manjavona avokoa

Nokaramaina ireo dahalo
Mba hamono sy handrangitra
Ianareo ry fahavalo
Matahora an’Andriamanitra

Nosoratan’i namana Valiha Babah tamin’ny 13/09/2012, ary isaorana azy manokana ny nanomezany alàlana hamoahana azy eto amin’ny bilaogy.
Araka ny voalazan’ny mpanoratra dia efa hivoaka tsy ho ela amin’ny endriny HIRA ity tononkalo ity. Inoantsika fa ho kanto dia kanto tokoa.