Ny tontolon’ny asam-panjakana Malagasy

Fony vao niditra niasa kelikely tamin’ny orinasa iasako ankehitriny aho (orinasam-panjakana) dia nahita fomba fiasa sy fanao tsy mety (tsy mifanaraka amin’izay tokony hampandeha tsara ny asa). Zava-poana anefa ilay eritreritro hanatsara zavatra satria sady tsy nety natoro, no tsy nety nanitsy tena ity lehibeko. Taty aoriana dia zendana aho nahalala fa ity izaho nandalo ny Anjerimanontolo anie ka baikon’ny olona tsy manana afa-tsy CEPE (ilay cadre ambony mibaiko ahy). Vitany mihitsy aza taty aoriana ny niteny fa tsy ilaina izay fianarana, fa izy jerena, tsy manana afa-tsy CEPE nefa sefo. Koa hahagaga ary ve raha tsy mandeha amin’izay tokony ho izy sy araka izay andrandraina ny asam-panjakana e? Jereo anie ireto tarehi-marika ireto e:

Nivoaka ihany ny marina tamin’ny gazety iray novakiako androany (MADAGASCARA Laza N°1087 – 11 juillet 2008, fa ny 50% amin’ny mpiasam-panjakana dia tsy manana ny maripahaizana (diplome requis) amin’ny toerana omena iandraiketany.

Raha toerana ilana maripahaizana Maitrise no mihoatra, dia 69% amin’ireo mitana izany no ambany lavitra noho izany no dingana vitany teo amin’ny fianarana.
Raha asa ilana maripahaizana BACC dia 33,8% amin’izay mitana izany andraikitra izany no tsy manana ny maripahaizana tokony hitazonana ny toerana
Raha toerana ilana BEPC farafaharatsiny, dia 51% amin’ireo mitana izany toerana izany no tsy manana io maripahaizana io.
Raha toerana ilana CEPE dia 47% amin’ireo olona miandraikitra ny asa ilana izany no tsy manana maripahaizana mihitsy mifandraika amin’io.

Ekena tokoa fa misy ny olona tsy manana ilay maripahaizana, nefa rehefa miezaka sy mamola-tena eo mandritry ny fotoana ela dia tonga mahafehy tsara ny asany, raha ny mifanohitra amin’izany kosa no ankamaroan’ny tranga hita.

Ireo antontan’isa ireo dia nalaina avy amin’izay naroson’ny Fonction Publique (Asam-panjakana)

Andanin’izany anefa dia betsaka ireo olona manana maripahaizana ambony no lasa mitondra Taxi, Taxi-be, na mirotsaka amin’ny sehatra hafa tanteraka, tsy liana afa-tsy ny maripahaizana farany ambany mihitsy noho ny tsy fahitana toerana. Hay va re ka ny toerana tokony ho azy ireny sy tokony hitondrany fampandrosoana ho an’ny firenena ka dia dongian’ny sasany tsy alehany akory. Aza mahavoa ny goavy manta!

Tsy mahagaga araka izany raha mahazo vahana koa ny kolikoly satria , ny tsy mahay tsy maintsy manambitamby ny mahay mba hampandeha ilay asany, sao rakatra eo ny fika rehetra, dia mitohy hatrany toy izay ilay ‘chaine’ mandra-pahavitan’ny zavatra ho tody hatramin’ny farany.

Mba rahoviana re no hahitantsika mpiasam-panjakana mendrika, marina, mahavita azy sy matihanina amin’ny asany eto Madagasikara e? Sady tsy tohatohanana sy apetrapetrak’i dadatoa sy nenitoa etsy sy eroa fotsiny ?